Fahamendrehana, Herim-po ary Fihatsaram-belatsihy: Lehilahy Ejyptiana Naboridanin'ny Polisy

Hamada Saber no anaran'ilay lehilahy Ejyptiana, hita taminà lahasary niparitaka sy nandeha tao amin'ny fahitalavitra CNN ihany koa, lahasary mampiseho azy novonoina sy naboridanin'ireo mpitandro filaminana. Nitarika fahatezerana sy tsy finoana izany ary nampisafoaka ny firenena tao anatin'ny rikoriko. Mahaliana, olona marobe tao amin'ny media sosialy no nanomboka nanohitra ny zava-nitranga tamin'ity lehilahy ity ary eo koa ny fihetseham-pon'ny firenena manoloana izany mikasika ny herisetra ara-nofo tafahoatra sy ny fanolanana mihatra amin'ireo vehivavy Ejyptiana.

Voalohany, ity ilay lahatsary:

http://www.youtube.com/watch?v=WuYQj4-bu7A

Tao amin'ny Twitter, Ghada Elsayeh nanoratra hoe [ar]:

بس الفرق بين حمادة إل اتسحل والبنات ال اتحرشو بهم واغتصابهم كبير لأن الناس تعاطفت مع حمادة الجبان ولم تهتم بالبنات الشجعان! محتاج علاج نفسي!

@Ghadaelsayeh: Lehibe ny fahasamihafana eo amin'i Hamada izay voavono sy ireo vehivavy niharan'ny herisetra ara-nofo sy voaolana satria mangoraka an'i Hamada ilay kanosa ny olona fa tsy mba taitra ny amin'ireo vehivavy be herim-po! Mila fitsaboana ara-tsaina [izy ireo].

Ny antony niantsona an'i Saber ho kanosa dia noho ny fanambarany voalohany tamin'ny fampahalam-baovao fa ireo mpanao fihetsiketsehana no nanala ny fitafiany fa tsy ny mpitandro ny filaminana. Nizarazara be ny fihetseham-po mikasika izany fanambarany izany: ny sasany niantso azy ho kanosa, ny hafa kosa nilaza fa nandainga izy noho ny fandrahonana azy, tahaka ilay mpanao gazety Rasha Azb izay nisioka hoe:

اوعوا تلوموا علي حمادة صابر .اوعوا تلوموا علي واحد قضي ليلة من الذل والخوف واحنا نايمين في بيوتنا.اوسخ حاجة انك تيجي ع الضحية..ارحموا الضعيف

@RashaPress: Aza manome tsiny an'i Hamada Saber, aza manome tsiny olona afa-baraka sy natahotra nandritra ny alina raha toa ka anaty torimaso tany an-tokantranontsika isika nandritra izany. Ny fanonomezan-tsiny ny lasibatra no tena zava-dratsy ataonao… mamindra fò ho an'ny malemy!

Zava-mifanohitra hafa mahaliana niseho ihany koa ny fijerin'ny olona mitovy amin'i Saber (eo amin'ny dimampolo taona izy) sy ny olona mitovy amin'ny zanany vavy. Nanohitra ny filazan'ny fianakavian-drainy tany am-boalohany ny zanany vavy, izay nosokajiana fa “lainga”. Nilaza ny zavatra nambarany ny bilaogy “The Arabist”:

Ny tena tsy mampino amin'ity tantara mampalahelo ity, dia nanjary nifamaly momba ny zava-nanjò an-drainy i Hamada Saber sy ny zanany vavy nandritra ny fandaharana resadresaka taminà fahitalavitra mandeha zanabolana, nampangain'i Hamada ho nahazo vola avy amin'ilay fahilavitra mandeha amin'ny zanabolana i Randa mba handainga momba an-drainy.

Ahmed Talaat nanampy hoe:

لسه الناس مش قادرة تصدق أن فيه فرق بين جيل حمادة و جيل بنته ! جيل حمادة لسه بيخاف من أمين الشرطة ! جيل بنته مابيخافش من رئيس الجمهورية ..

@AhmadTal3t: Tsy mino ny olona fa misy fahasamihafana eo amin'ny olona mitovy amin'i Hamada sy ny zanany vavy! Mbola matahotra ny mpitandro ny filaminana ny olona mitovy amin'i Hamada! Tsy matahotra ny filohan'ny repoblika kosa ny olona mitovy amin'ny zanany vavy…

Taty aoriana, nanapa-kevitra nanova ilay fanambarany i Hamada rehefa avy nandre ny fihetseham-pon'ny fianakaviany sy ny Ejypsiana mikasika ny fanambarany voalohany. Niala-tsiny izy noho ny fiampangana nataony tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nilaza izy fa ireo mpitandro ny filaminana ihany no namono sy nanaboridana azy. Notsipihany ihany koa fa tsy nokaramaina izy tamin'ny filazany ny fanambarany voalohany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.