12 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 12 Febroary 2013

Bangladesh: Mitaky Ny Fanamelohana Ho Faty ireo Meloka an'Ady Tamin'ny 1971 ny Mpanao Fihetsiketsehana

  12 Febroary 2013

Roa amby efapolo taona. Izany ny fahalavam-potoana niandrasan'ny Bangladeshy rariny tamin'ny heloka mampihoron-koditra natao tamin'izy ireo nandritra ny adim-panafahana nataony hisintahana amin'i Pakistan. Ary tamin'ny 5 Febroary 2013 dia nohelohina mandra-pahafaty noho ny famonoana, fanaovana an-keriny, fampijaliana ary ny heloka hafa natao nandritra ny adim-panafahan'ny taona 1971 i Abdul Quader Mollah, sekretera jeneralin'ny...

Bangladesh: Mankao Shahbagh Avokoa ny Lalana Rehetra

  12 Febroary 2013

Ao Shahbagh, mandray andraikitra ny tanora ary nampitsahatra ny resaka politika tamin'ny andro fahaefatry ny hetsika. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no manohy mibodo ny arabe fiolanana midadasika indrindra ao andrenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'i Abdul Quader Mollah, lehiben'ny antoko Islamista sy ho an'ireo olon-kafa voampanga...

Media Sosialy Ao Meksika sy ny Fitiavana Revolisiona

  12 Febroary 2013

Manerantany, hahita “Meksika isan-karazany” amin'ny vaovao ianao: ny paradisan'ny fety-tora-pasika-masoandro-tequila, firenena miady amin'ny rongony – mampidi-doza sy firenen'ny mpanakanto- mpihira vako-drazana-maroloko miaraka amin'ny  sakafo mafilotra mila fantarina. Firenena midadasika sy isan-karazany i Meksika, ary roa andro lasa izay, hipoky ny vaovao mahery vaika ny media sosialy Meksikana, nanomboka tamin'ilay loza...

Fahamendrehana, Herim-po ary Fihatsaram-belatsihy: Lehilahy Ejyptiana Naboridanin'ny Polisy

Hamada Saber no anaran'ilay lehilahy Ejyptiana, hita taminà lahasary niparitaka sy nandeha tao amin'ny fahitalavitra CNN ihany koa, lahasary mampiseho azy novonoina sy naboridanin'ireo mpitandro filaminana. Nitarika fahatezerana sy tsy finoana izany ary nampisafoaka ny firenena tao anatin'ny rikoriko. Mahaliana, olona marobe tao amin'ny media sosialy no nanomboka nanohitra ny...

Fanatanjahantena Sy Fampihavanam-Pirenena Ao Kiobà

  12 Febroary 2013

Ny fahatongavan'i José Ariel Contreras tao Cuba, vao herinandro iray monja izao, Kiobàna iray mpilalao "baseball" monina any Etazonia hatramin'ny 2002, mitàna ny toeran'ny mpanipy baolina, dia nanetsika ireo mponina tao, Pinar del Río, tanàna nahaterahany, ary koa ireo marobe mpankafy ny fanatanjahantena nasionalin'i Kiobà : baseball. Mitantara amintsika mikasika ity hetsika mampihetsi-po ity sy ny dikany ara-tantara sy ara-politika ho an'i Kiobà amin'izao fotoana i Elaine Díaz.