11 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 11 Febroary 2013

Vongan-dranomandry Fatwa, Mifanaiky Ny Hisintaka Ny Sehatra ilay Tarika Vehivavy Voalohany Tao Kashmir

  11 Febroary 2013

Nisintaka ny tarika voalohany tsy ahitàna afa-tsy vehivavy miangaly gadona rock avy any amin'ny faritra Indiana iray rotiky ny ady ao Kashmir taorian'ny didy iray navoakan'ny mpitari-pivavahana silamo iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny maha-Silamo ny fitondrantenan'ireo vehivavy. Lasibatr'ireo fanimbazimbana tety anaty sy ivelan'ny aterineto ihany koa ilay tarika mpiangaly mozika nandalo toy ny aloka.

Tiorkmenistana: Zon'Olombelona? Zon'Olombelona Inona?

  11 Febroary 2013

Ao Tiorkmenistana, miaraka amin'ny laharany tafiditra ho ny "ratsy indrindra amin'izay ratsy" eran-tany mpanitsakitsaka zon'olombelona, toy ny 'nofinofy' no fahitana ny mety ho tena fisian'ny zo tahaka izany. Manakiana ny fitondrana mpamoritra tantanan'i Ashgabat mikasika ny fitsinjaràna politika isam-paritra ny maro amin'ireo mpisera anaty aterineto. Kanefa ny sasany kosa milaza fa manana zo hamepetra ny olom-pirenena ilay firenena.