10 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 10 Febroary 2013

Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau

  10 Febroary 2013

Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena

Andianà Mpizaha-tany Mandoto ny Ala-Mando (Mangrovy) Lehibe Indrindra Manerantany

  10 Febroary 2013

Manimba ny ala-mando lehibe indrindra manerantany ireo mpizaha-tany tsy mitsaha-mitombo be tabataba sy mpandoto ny tontolo iainana, mihitatra hatrany Bangladesh, atsinanan'i India izany izay toerana mampialoka Liona Mpanjaka Bengaly sy angona biby dia hafa maroloko tahaka ny ombilahy axis, voromanidina, voay, sy karazana bibilava samihafa. Amin'izao vanim-potoanan'ny ririninina izao, manintona ireo mpitsidika...