Mozambika : An'aliny Ny Trà-Boina Noho Ny Habetsahan'ny Orana

[Amin'ny fiteny Portioge ny rohy rehetra raha tsy misy toro-marika.]

Nilatsaka nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Janoary ny orana tany Mozambika ary namotika ireo mponina tao afovoany sy ny tany atsimon'ny firenena. Napetraka tany amin'ireo toby 6 fialofana ofisialy ireo trà-boina ka ireo izay osa – ny zaza amam-behivavy, ny antitra sy ny marary – no tena tandindonin-doza goavana amin'izany. Ny distrikan'i Chókwè sy Guijá sy ny tanànan'i Xai-Xai ao amin'ny faritanin'i Gaza any atsimon'i Mozambika no tena voa mafy tamin'ny orana.

Lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny Jornal @Verdade tamin'ny 23 Janoary no mitatitra fa mponina  maherin'ny 55.000 avy amin'ireo faritra tena saropady no tsy maintsy nafindra toerana sy napetraka any amin'ny faritra azo antoka kokoa. Manodidina ny 5.000 olona no napetraka any amin'ny distrikan'i Chibuto. Nahatratra 65.000 ny isan'ny tra-boina tany amin'ny faritanin'i Gaza. Nefa, mety mbola hiakatra moramora io isa io ka ho tonga  100.000  noho ny fisondrotana tsy miaton'ny haavon'ny rano any Xai-Xai, renivohitry ny faritra amorontsirak'i Gaza

Nahatonga ny fiatoan'ny fitaterana amin'ny làlana mampitohy ny avaratra amin'ny atsimon'ny firenena ireo tondradrano.

Floods in Chókwè. Photo by Jornal @Verdade

Tondradrano any Chókwè. Sary avy amin'ny Gazety  @Verdade

Fanehoan-kevitra iray tao amin'ny Facebook momba ny lahatsoratra nosoratan'i Alexandra Cabral no milaza hoe :

Isto é simplesmente assustador. Ajudem esta população, por favor! Uma vez na vida, façam algo sem ser para receber contrapartidas. Mostrem que ainda existe sensibilidade e união no povo moçambicano.

Mampivarahontsana tsotra izao . Mbà ampio ny vahoaka, miangavy ! Indray mandeha eo amin'ny fiainanao manaova zavatra tsy iandrasana setriny. Asehoy fa mbola mivondrona sy mahatsapa [ny hirifirin'ny hafa] ny Mozambikana.

Miantso ny governemanta Mozambikana ny mpamaky iray hafa, Abel Fumo :

Sabemos que se trata duma situaçao de natureza mas o governo tem que começar a perceber que chegou o momento de redobrar o esforço em ajudas com género alimentício tendo em conta que se trata das mesmas pessoas que vão às urnas para votar.

Fantatray fa loza voajanahary io, nefa tokony hahatsapa ny governemanta fa tonga ny fotoana izay hanaovana ezaka avo roa heny sy fanampiana amin'ny fizaràna sakafo, ary tsy tokony ho adino fa ireo vahoaka resahanay ireo ihany [ amin'ny farany] no andeha hifidy.

Na dia izany aza, mifanohitra amin'ny mpamaky sasany, olon-tsotra iray mpanao gazety izay tsy te-ho fantatra no naneho ny hatezerany tamin'ny alàlan'ny Facebook-n'ny Jornal @Verdade :

Mas então não aprendemos nada com as cheias do ano 2000? Estes aquedutos na EN1 [Estrada Nacional número 1] quando foram reabilitados porquê não foram feitos para aguentar nível igual ou superior ao daquelas cheias? Por cada 1USD que se gasta em prevenção poupavam-se 7 USD em emergência!

Tsy nisy lesona voaraintsika ve tamin'ny tondradrano tamin'ny 2000 ? Tamin'ny fotoana nanamboarana ireo lakandrano manaraka ny EN1 [làlam-pirenena 1], nahoana ireo no tsy noeritreretina hahazaka haavon-drano mitovy na betsaka noho ireny tondradrano ireny ? Isaky ny dolara iray lany amin'ny fisorohana, dia tokony hahatahiry fito dolara isika ho amin'ny fandaniana maika !

” Mitombo isa ny tra-boina sy ny fahavoazana aterak'ilay tondra-drano” 

Tamin'ny Zoma lasa teo (25), ny  Ivon-toeram-Pirenena Momba ny Fitantànana ny Loza Voa-janahary (INGC) dia nahita olona maherin'ny 70.000 voakasika mivantana amin'ny tondradrano , ka 45 maty, 3.402 trano rava amin'ny ampahany, 2.231 trano rava tanteraka ary 698 trano tondraky ny rano.

Trano fianarana 92 no safotry ny rano tanteraka, midika zany fa mpianatra 1.346 no tsy afaka mianatra.

Flooding in the city of Xai-Xai, capital of the Gaza province in southern Mozambique. Photo by Jornal @Verdade

Tondradrano ao amin'ny tànanan'i Xai-Xai, renivohitry ny faritanin'i Gaza ao atsimon'i Mozambika. Sary avy amin'ny Jornal @Verdade

Fangalarana sy fandrobàna

Nisy trà-boina vitsivitsy nitatitra trangan-javatra tamin'ny Jornal @Verdade ary mampiseho masoandro ny “alahelony lalina nateraky ny fahaverezana vokatry ny tondradrano amin'ny lafiny iray, ary etsy ankilany ny halatra ataon'ireo trà-boina noana noho ny tondradrano izay nandà tsy ho any  amin'ireo toby fialofana.”

Ireo fianakaviana sasany nafindra noho ny tondradrano nateraky ny fiakaran'ny reniranon'i Limpopo any amin'ny distrikan'i Chókwè dia nitaraina noho ny fandrobàna ataon'ireo ratsy fomba. Ireo mpandraharaha moa dia nanamafy fa nangalatra tao amin'ny trano fanatobiany entana ireo olon-dratsy ireo ary nandrahona an-dry zareo no sady nitondra zava-maranitra.

Suleimane Cassamo, mponina ao amin'ny zana-paritra 1 ao amin'ny tanànan'i  Chókwè, iray amin'ireo niharam-boina tamin'ny tondradrano any atsimon'i Mozambika dia nanambara fa nisy olona nivorivory ary niditra an-keriny tany an-trano sy ny trano fitobian'entana tamin'ny fotoana nitadiavan'ny tompony toeram-pialofana azo antoka kokoa :

Saqueiaram electrodomésticos e produtos alimentares como arroz, óleo e farinha de milho.

Nangalarin'izy ireo ny fitaovana an-tokantrano sy ny sakafo toy ny vary, menaka fahandro, ary lafarinina.

Nandritra izany fotoana izany, nanao hetsika ny vondron'olon-tsotra mba hitondra fanampiana. Nanao fanentanana ny fikambanana Makobo mba hanangona fanomezana ary nanomboka nizara izany tamin'ny Alatsinainy (28 Janoary) ho an'ireo trà-boina noho ny tondradrano :

vamos entregar a CHIAQUELANE, Distrito do Chókwè, as primeiras doações que recebemos. Obrigado a todos pelo apoio, generosidade e solidariedade…Bem hajam. Estamos a contar enviar carregamentos regulares para a Macia e Xai-Xai, dependendo do que conseguirmos recolher nos próximos dias.

Atolotray an'i CHIAQUELANE distrikan'i Chókwè ny fanomezana voalohany voarainay. Misaotra anareo rehetra noho ny fanohanana, ny hatsaram-panahy ary ny fahatsorampo nasehonareo ; misaotra indrindra. Manantena izahay fa handefa entana ho any Macia sy Xai-Xai, fa miankina amin'izay fanomezana voaangonay amin'ny andro manaraka.

Citizen mobilization in support of flood victims.

S.O.S. Chókwè“: Fanetsiketsehana ny Mponina mba ho fanampiana ireo niharam-boina noho ny tondradrano. Sary avy amin'ny  Makobo tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.