Fidirana Teo Amin'ny Sehatra Politika Somary Nisamboaravoara Ho An'Ilay Mpitondra Tenin'ny Governemanta Tao Senegal

Nirodana tanteraka ny anganonganon'i Abdou Latif Coulibaly.

Eo am-bavan'ny maro ny anaran'ilay Senegaly mpanao gazety mpikaroka  fanta-daza iray, izay lasa minisitry ny Fahaiza-mitantana sady mpitondra tenin'ny Governemanta Senegaly. Niteraka fanehoan-kevitra an-jatony tao amin'ny Facebook ny fivoahana nataony vao haingana kely teo. Nahazo tsiny io tale taloha tao amin'ny famoahan'ny gazetiboky La Gazette io noho izy namadika ny fitafiany amin'ny maha mpanao gazety azy ho an'ny tombontsoa manokan'ny eo amin'ny fitondrana.

Marina tokoa fa tamin'ny fidirany tamin'ny sehatra politika izy ny 19 janoary 2012 tao Sokone, izay tanàna nahaterahany any amin'ny faritr'i Fatick, no nanatevenan'i Coulibaly ny laharan'ny fitondrana, dia ny Alliance pour la République (APR).  Mba hidirany teo amin'ny sehatra politika, dia nanohitra ny Hetsiky ny 23 jona (M23) sy ilay hetsika nomena ny lohateny hoe Tena tofoka tanteraka (Y'en a Marre) i Coulibaly ary tena niavaka tamin'ny hafanam-pony mihitsy izy :

Tsy mbola mpikambana tao amin'ny M23 mihitsy aho. Tsia dia tsia. Niady ny foto-kevitra mifototra amin'ny hoe idealy aho efa talohan'ny 23 jona. Nisy olona maro tampotampoa teo, noho ny hetsika goavana iray, nanao asa nampitolagaga tokoa teo anivon'ny hetsika M23. Nanantona ahy izy ireo teny amin'ny toerana nanaovana izany. Nanatevin-daharana an-dry zareo aho tao anatinà fiaraha-mientana iray. Tsy misy olona afaka hanaporofo ny fanatrehako fivorian'ny M23.

Mouvement Y'en à marre - photo de l'auteur avec son autorisation

Hetsika ‘Tena tofoka tanteraka izahay’ (Yen a Marre) – sary an'ny mpanoratra ary nahazoan-dàlana avy aminy

Tsy nahafaly marobe tamin'ireo mpikatroka mafàna fo amin'ny politika izay naneho hevitra nitratrevatreva tao aminn'y Facebook io fitsipahany ny hetsiky ny olon-tsotra io. Somary nasiaka ny fanamarihana mikasika io mpanao gazety mpikaroka fanta-daza io izay namoaka am-pahibemaso ny tsikombakomba ara-potilika maro nisy tamin'ny fitondràn'i Wade. Toy izay no niseho tamin'ilay vava navoakan’ i  Françoise Hélène Gaye, teo amin'ny takelaka Facebook manao hoe « Ndeha havaozintsika ny Senegal-ntsika » (RNS):

Tena tofoka amin'ireo “manam-pahaizany” i Senegal, ho tafita isika rehefa misy mpiray firenena amintsika miditra eo amin'ny sehatry ny politika ka NY HANOMPO  no tanjony fa TSY NY HAKA NY TOMBONTSOANY MANOKANA. Mampalaelo izany trangan-javatra izany, fomba fijery mampalaelo, somary diso fanantenana ihany aho hoe mitovy amin'ny rehetra ihany ianao ry Atoa. Coulibaly, ny fahanginanao nanomboka tamin'ny nifidianana an'i Macky Sall, avy eo ianao  naneho ny tsy fankasitrahanao ny fitondran'io olom-baovao matanjaka io, ny nahazoanao toerana ambony sy ny “sopalelikou” (fiovanao)! Betsaka loatra ny zavatra azo hambara amin’ Atoa. filoha ! Na dia efa maro loatra aza ireo famantarana ratsy efa hita nibaribary nialoha dia mbola nanapa-kevitra ny hangina ihany ve ianao ? Reraka sahady ve ianao? Mbola resy lahatra hatrany aho fa diso ianao Atoa. Coulibaly, am-piderana sy am-panajana anao no ilazako izany, ary indrindra indrindra koa aza mandrora ao anatin'ny sakafonao ianao. Ny vondrona M23, raha ny tena marina dia ny fitambaran'ny vahoaka Senegaly rehetra fa tsy ampahan'ny amin'ny vahoaka fotsiny ihany.

 

Avy hatrany dia niteraka fanehoankevitra maro tao amin'ny takelaka facebook an'ny RNS ny kiana nataon'i Françoise Hélène Gaye. Tao anatin'ny andro roa monja (ny alatsinainy 21 sy ny talata 22 janoary 2013), dia nihoatra ny 150 ireo fomba fijery voarakitra mikasika ilay antsoin'ny olona sasany hoe  « fanenjehan'ny mpanao gazety » nahazo ilay mpitondra tenin'ny governemanta, nanoratra boky maro ka isan'ireny ny hoe  « Wade, misy mpanohitra tafiditra an-dapa : fifandimbiasan-toerana voafandrika» nivoaka tamin'ny taona 2003.  Nanamarika i Fabienne Diop fa:

Sanganasa iray goavana ny Fifandimbiasan-toerana Voafandrika ary tena tsy nampoiziko mihitsy hoe izy indray, izy ‘Latif’, no tonga hisompatra ny fifandimbiasn-toerana vaovaontsika,

 

Somary nasiaka i Ibrahima Badiane, araky ny fomba fijeriny,  tsy mahay mitazona ny heviny mihitsy i Abdou Latif Coulibaly tamin'ny fampahatsiahivana fa tsy lavitra akory ny taona 2017, ho an'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka ao Senegal:

 Latif geumoul dara (izay midika amin'ny fiteny Wolof hoe tsy mino na inona na inona izy). Ny zavatra rehetra ataony, dia ny hampalaza ny anarany eo amin'ny vahoaka Senegaly ary mba hitsetra azy izy ireo… Fa fantatray daholo ny zava-drehetra, 2017 soriwoul

 

Nanome tsiny an'i Abdou Latif Coulibaly ireo Senegaly mpisera anaty aterineto izay naneho ny fomba fijeriny tamin'io fifanakalozan-kevitra io noho izy nanohana ny Alliance pour la République (Apr), antokon'ny Filoha Macky Sall ary « tsy niraharaha intsony ny tombontsoan'ny vahoaka » izay narovany hatrany tamin'ny fotoana nitondran'i Wade. Fantatra amin'ny fiadiany hatrany hisian'ny fahaiza-mitantana, i Abdou Latif Coulibaly, ankehitriny dia miray fanjakana amin'ireo olona izay notondroiny ho nanao fanodikodinam-bolam-panjakana sy ny fananam-panjakana tamin'ny repoblika fahatelo.

Misy olona sasany anefa miaro ilay mpitondra teny, toa an'i Ousseynou Diakhaté izay manamafy fa:

Gueumoul dara (tsy mahay mitazona ny heviny izy) satria ve mambra ao amin'ny Governemanta, ary avy eo izy nisafidy ny ankolafy politikany ? Dia hoe mpanompo ve izy satria mpitondra tenin'ny Governemanta? Raha ny tena marina dia Sénégal métina (henjana ny miaina ao Sénégal)… Mampatsiaro ahy ilay hiran'i Youssou Ndour, Woomat (Fahaiza-mitondra tena) izany».

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.