Chobi Mela VII: TaoSary Mampifandray Ny Mponina Manerana Izao Tontolo Izao

Ao an-drenivohitry Bangladesh ao Dhaka no ankalazaina ny Chobi Mela (Sary Madio) faha-fito, fety iraisam-pirenena momba ny sary. Karakarain'ny Drik Picture Library Ltd. sy ny Pathshala (Ivon-toeran-tsary ao Azia-Atsimo), ity no fetiben'ny sary lehibe indrindra notontosaina tao Azia.

Tamin'ny taona 1999 no namoronana ny hetsika ary isaky ny roa taona no ankalazàna izany ao Bangladesh. Araka ny fijerin'ny bilaogy DRIK:

Mandinika ny fiovana lalina entin'ny fivoarana eo amin'ny tontolon'ny famokaran-tsary, ny fizaka-manana ary ny fitsinjarana hoentin'ny fivoarana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ity fetibe ity .

James Estrin tao amin'ny bilaogy Lens nilaza hoe:

Ny mampiavaka ny Fetibe Iraisam-pirenena Chobi Mela amin'ny haisary (fôtôgrafia) ao Dhaka, Bangladesh, dia tsy vitan'ny hoe tena iraisam-pirenena ny fetibe, fa angamba koa fety tena ahitana karazan'olona be indrindra.

Theme of Chobi Mela VII - Fragility

Lohahevitry ny Chobi Mela VII – Fahamoràna vaky

Fahamoràna vaky no lohahevitry ny fetibe tamin'ity taona ity, manararaotra ny fotoana mangina indrindra, tsotra indrindra sy mahafinaritra, izay matetika adino na tsy fantatry ny mpanapika sary. Mpanakanto 34 avy amin'ny firenena 23  mampisongadina an'i Eugene Richards, Graciela Iturbide, Walter Astrada ary ny hafa no nampiseho ny sangan'asan'izy ireo eny amin'ireo toerana isan-karazany ao an-tanànan'i Dhaka nanomboka ny 25 Janoary -7 Febroary 2013. Indreto ny lisitr'ireo hetsika sy ny toerana misy ny fetibe.

Nampahafantatra ireo anarana fanta-daza eo amin'ny Tontolon'ny Haisary ny bilaogy Chobi Mela, anisan'izany i Max Pam, Pablo Bartholomew, Ruth Eichhorn, Jody Haines, NayanTara Gurung Kakshapati, Ilaria Di Biagio, B. S. Shivaraju (Cop Shiva), Hossein Fatemi, Maika Elan, Nii Obodai, Chris Rainier ary Chris Riley sy ny hafa izay nanatrika ny fetibe.

Mpaka sary malaza Shahidul Alam, talen'ny Chobi Mela, nizara tantara mahatalanjona mikasika ny fomba nitondran'ilay mpaka sary Britanika Rupert Grey ny Rolls Royce 1936 tao Dhaka mba hanatrika ny fihaonana amin'ny fetibe.

Nanivatsiva ny tany hay Rajastaha ny Rolls fahagola ary nandalo ny havoana manodidina an'i Himalayas ary nanaraka an'i Brahmaputra ao Bangladesh, saingy nijanona tao amin'ny sisintanin'i Tamabil, rehefa nitsabaka tao mpitana birao.

Afa-nitondra ny fiara ihany i Rupert tamin'ny fanampian'ny namany.

Shahidul Alam nandefa ny ambangovangon’ny hetsika tamin'ity taona ity tao amin'ny bilaoginy (jereo ihany koa ny fampidirana eto):

Ity ny resadresaka niarahana tamin'i Shahidul Alam izay notontosain'i Munem Wasif.

Mpanao gazety mpaka sary Indiana efa nahazo loka, Pablo Bartholomew nilaza momba ny Chobi Mela:

Inona no mahatonga ahy hiverina hanatrika ny Chobi Mela, fetiben'ny sary voalohany ao Azia? Izany no fanontaniana napetrako tamin'ny tenako, satria eto Dhaka aho ankehitriny mba hamerina ny raiko sy ny fampisehoako. Mazava ho azy, fomba ahafahana mampiseho ny sangan'asa sy handraisana anjara amin'ny adihevitra izany izay mety ahazoana sy hitarika resaka sy adihevitra tsara. [..]

Tamin'ny 25 Janoary 2013, ny andro fanokafana ka nanomboka tamin'ny 3:30 hariva ny fihaonana teo anoloan'ny Mozea Nasionaly ao Bangladesh ary nifarana tao amin'ny Akademia Shilpakala Bangladesh, toerana nanokafana ny lanonana. Bilaogera mpaka sary Monirul Alam namonjy ny fihaonana ary nandefa sary tao amin'ny bilaoginy. Ary Azo jerena eto ny sary tamin'ny fihaonana tamin'ny herinandro voalohany .

Chobi Mela Inauguration at Shilpokola Auditorium. Instagram Image by author

Fanokanana ny Chobi Mela VII tao Dhaka. SAry Instagram avy amin'ny mpanoratra

Mpaka sary Amerikana Chris Riley nizara ny fahaizana azony tamin'ny Chobi Mela:

Miaina amin'ny vanim-potoana anatin'ny haisoratra afaka hihoatra ambony dia ambony ny haisoratry ny voambolana isika. Tsy ilaina intsony ny mandika ny hevitry ny sary. Ahitana fitantarana anaty sy fahaizana manazava ny sary. Sady manana ny votoaty tantaraina malalaka ny sary no manana fomba malalaka azo andikana ny heviny, mifanohitra amin'ny horonantsarimihetsika sy ny fahitalavitra izay voara-maso akaiky ny fomba enti-mitantara azy. Mijery lahatsary fanadihadiana aho fa tsy misy ho ahy ao. Nianatra andian-tsary aho fa feno fanontaniana sy eritreritra tato an-dohako. Nahita sary avy amin'ireo mpaka sary Afrikanina, Shinoa, Nepaley ary Bangaly izahay, izay samy milaza tantara manokatra resadresaka an-tsary.

Azonao atao ny manaraka ny fetibe ao amin'ny Facebook sy Twitter (@chobimela).

Chobi Mela VII Sary Lohahevitra avy amin'i Sandra Vitaljić. Hajian-tsary avy amin'ny Chobi Mela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.