Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory

Notorian'ny sampam-pitsikilovana ambony ao Korea Atsimo ho nanala-baraka azy ilay psykôlôgy mpahay lalàna Pyo Chang-won. Tamin'ny lahatsoratra farany navoakany [ko] tao amin'ny gazety mpanohana ny ankavia, namely ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Koreana (NIS) i Pyo, noho ny fanadihadiana notontosain'izy ireo tamin'ny mpiasa voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Niampanga azy ireo ho manompo ny fahefana mpanao politika ho amin'ny tombotsoan'izy ireo ihany koa izy ary niantso azy ireo ho “tsy manam-pahaizana” sy “tsy mahavita azy”.

Nilaza i Pyo fa fandrahonana ho an'ny fahalalaham-pitenena sy ny demokrasia ny fitoriana azy. Mpampianatra teo aloha tao amin'ny  Oniversiten'ny Polisy Nasionaly Koreana sy mpahay lalàna izay mibilaogy matetika ao amin'ny Pyo Chang-won's Crime and Society (Heloka Bevava sy ny Fiarahamonin’) [ko] i Pyo Chang-won.

Fotoany fohy taorian'ny fitorian'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly (NIS), hoy i Pyo nanoratra [ko] tao amin'ny bilaoginy [ko]:

민주주의가 꽃피는 민주사회라면, 누구나 자신의 생각과 견해를 표명하는 데에 있어 어떠한 두려움도 느껴서는 안됩니다.[…] 국가기관인 국정원의 국민 대상 ‘명예훼손’ 고소, 그 자체가 권력적 탄압이며 민주주의를 압살하는 폭거입니다. 게다가 그 사유도 지나가는 개가 웃을 ‘언론 기고문 등에서 국정원을 무능하다고 비판했다'는 것입니다.

Amin'ny fiarahamonina tena demokratika izay hiroboroboan'ny demokrasia, tsy tokony hisy olona hatahotra haneho ny heviny […] Ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly(NIS)– sampan-draharahan'ny governemanta – fanararaotam-pahefana sy fihetsika mahery vaika mampilatsaka ambany ny demokrasiantsika ny fitoriana olo-tsotra voalaza fa nanala-baraka. Tsy mitombina mihitsy ny antony ilazana fa fanalam-baraka ka na ny alika mandalo aza mihomehy mihitsy; noho ny fitsikerana ny tsy fahaizany tao amin'ny lahatsoratra.

Nikasa hampiantso indray ilay mpiasa ny polisy tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra, tamin'ny taon-dasa, noho ny asa fanovana ny hevi-bahoaka nataony ka nanaparitaka fanehoan-kevitra manala-baraka [ko] kandidà liberaly iray, izay nampiasana ID 20 samihafa [ko] . Voalaza fa  “mpandrindra ny serasera amin'ny aterineto iarahana amin'ireo namana Koreana-Tavaratra ankavia [ko] ao amin'ny habaka mpanohana an'i Korea-Avaratra (Inona ny hevitr'izy ireo) no asan'ilay mpiasa. Na dia izany aza, roa herinandro latsaka izay, niova hevitra ny polisy ary namoaka tatitra fa tsy nahita porofo mivainga amin'ny maha-tsy ara-dalàna ny asa nataon'ilay mpiasa. Ao Korea Atsimo, voaràran'ny lalàna ho an'ny mpiasam-panjakana ny fanohanana kandidà imasom-bahoaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

Fotoana fohy taorian'ny olana, naka retirety maha-mpampianatra azy izy [ko] tao amin'ny Oniversiten'ny Polisy Nasionaly ao Korea i Pyo. Tamin'ny bilaoginy vao haingana nivoaka tamin'ny 29 Janoary 2013, Pyo nanampy hoe [ko]:

[…] 저도 거대 권력기관인 국정원과 싸우는 현 상황이 싫습니다. 누가 좋아하겠습니까? 제가 매달 진행하는 전국 순회강연 강연장소 확보에 어려움이 생길 때 마다, 혹시 극정원과의 싸움 떄문은 아닌가 의심하게 됩니다. 방송 출연 계획이 분명하지 않은 이유로 취소될 때에도 마찬가지입니다.

Halako tanteraka ny toe-javatra amin'ny fitolomana amin'ny fahefana mahery vaika, NIS. Iza no mety hahazo tombony amin'izany? Rehefa tsy mety mahita toerana hanaovana kaonferansa nasionaly amin'ny fitetezam-paritra ataoko aho, dia manontany tena raha misy ifandraisany amin'ny tolona ataoko amin'ny NIS izany. Nitranga ihany koa ny toe-javatra toy izany rehefa ajanona na ahemotra tsy amin'ny antony ireo fandaharana manokana tokony hisehoako amin'ny fahitalavitra.

Censorship

Sary fanoharana ny sivana, avy amin'ilay mpisera-Flickr Isaac Mao (CC BY 2.0)

Niampanga ity fitoriana [ko] ity ho fanaovana fandrahonana amin'ny olom-pirenena hifanaraka amin'ny [fihetsiky] ny governemanta ny vondron'antoko demokratika . Azo jerena ao amin'ny tontolon'ny Twitter Koreana-Atsimo ny fanehoan-kevitra sahala amin'izany. @blu_pn nanoratra hoe [ko]: 

[…] 우선 국가기관이 툭하면 명예훼손의 주체가 된다는 것부터가 코리아 사회에 만연하는 저질 코메디다. 권력이 시민을 상대로 고소고발을 남발하면 대체 시민은 어떤 방법으로 국가권력을 견제하고 비판하란 말인가?

Ity no kitoatoan-javatra ratsy indrindra  niparitaka tao amin'ny fiarahamonina Koreana; sampan'asan'ny governemanta nanjary mpitory noho ny fanalam-baraka – ary matetika izany. Ahoana ny fomba ahafahan'ny olom-pirenena manara-maso sy mitsikera ny fahefan'ny governemanta raha toa ka haingana toy izao ny fitoriana ataon'ireo manampahefana ny olom-pirenena?

Mpitati-baovao manana ny ambaindainy @welovehani nampatsiahy ny vahoaka [ko] ny zava-misy fa tsy azo sokajiana ho mpitory amin'ny tranga fanalam-baraka ny sampan'asan'ny governemanta:

[…] 법원은 “국가기관은 명예훼손 소송 주체가 될 수 없다”고 계속 판결하고 있습니다. 국정원이 법원 판례를 몰랐을 리 없을 것.

Efa nitsara ny Fitsarana [tamin'ny tranga teo aloha mitovy izany] fa tsy afaka ho mpitory amin'ny raharaha momba ny fanalam-baraka ny sampan'asan'ny governemanta. Tsy misy antony tokony tsy ahalalan'ny NIS izay didy teo aloha izany.

@parkhyun813 nanoratra hoe [ko]:

표교수님처럼 하면 국가기관에 고소당한다~ 겁먹어라~행동하지 마라~ 하는 심산이겠죠

Ny hafatra nalefan'izy ireo dia ‘Raha manao tahaka ny fanaon'ilay mpampianatra Pyo ianao, hotorian'ny sampan'asan'ny governemanta: Mba matahora. Aza manao tahaka azy’

Fanaratsiana sasany avy amin'ny habaka mpanohana ny ankavanana tao amin'ny aterineto, nikasa hanao herisetra amin'ny zanaka vavin'i Pyo [ko] ho fandrahonana an'i Pyo. Na dia izany aza, nisioka [ko] i Pyo tamin'ny 27 Janoary fa na dia sarotra aza ny hitory ireo olona ireo, efa nianatra haihady isan-karazany ny zanany vavy, ka sarotra ny hifanandrina aminy ary tsy mahatahotra na inona na inona ny fianakaviany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.