Miray feo amin'ny fitadiavana ilay zazalahy tsy hita i Malezia

Zazalahy kely enin-taona i William Yau, tao anaty fiara niaraka tamin'ny iray tampo taminy nandritra ny fotoana nandehanan'ireto ray aman-dreniny tao amin'ny magazay momba ny herinaratra ny 16 Janoary. Araka ireo  tatitra, nanomboka nitomany ny anabaviny, ka nivoaka ny fiara mba hitady ireo ray aman-dreniny, kinanjo tsy niverina intsony.

Ny alakamisy, 24 Janoary anefa dia nisy vatana zazalahy kely iray hita tany anaty renirano. Araka ny valin'ny ADN nivoaka ny 28 Janoary, dia nanamarina ny mpitandro fa tena vatan'i William tokoa io.

Nampisongadinin'ny media isan-karazany tamin'ny alalan'ny fanairana NUR ny fikarohana an'i William, ary niparitaka haingana dia haingana tamin'ny sera-pifandraisana, tamin'ny fametrahan'ireo Maleziana afisy sy sary ao amin'ny bilaoginy mba hahamora ny fahitana izay misy azy. Isan'andro ireo olon-tsotra toa an-dry Eliza Teh sy ireo mpanao gazety amin'ny vanim-potoana toa an-dry Nuraina Samad sy Ahirudin Attan no mampiasa ny bilaoginy avy mba hanairana ny mikasika ity raharaha William ity.

Voazarazara teny amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy ity sarin'i William Yau ity. Nalaina tao amin'ny Facebook'n'i hitz.fm

Na hatramin'izao aza, dia mbola heniky ny alahelo ho an'ny fianakavian'i William any amin'ny media sosialy.

Mitantara ny fomba, nahatafasaraka azy tamin'ny ray aman-dreniny fony mbola ankizy ihany koa i Joel.

Mbola tsaroako tsara ity tranga ity, zazakely 5 taona manao akanjo mandry, mandehandeha irery teny amin'ny tsenam-barotry ny kianjan'ny tanàna taloha any KL (Kuala Lumpur). Mbola niantsena tao Metrojaya ny ray aman-dreniko tamin'izay, ary tsy nahandry aho. Tsy fantany nandeha nankany amin'ny Toys R'Us (toeram-pilalaovana) akaiky indrindra aho, ela ka ela, very aho. Ny fanoratako ity tantara ity amin'izao aloha no porofo ampy tsara fa tsy nisy zavatra nampalahelo nahazo ahy.

Tsy azo ambara toa izay ny an'i William Yau kely.

Azo fehezina ho tonga any amin'ny ratsy indrindra ity raharaha William Yau ity, izay nibahan-toerana tamin'ny lohatenim-baovao sy ny tambajotram-pifandraisana sosialy isan-karazany. Hita mitsingevana tao amin'ny renirano Klang ny Vatana efa simba an'i William kely, herinandro taorian'ny vaovao nanjavonany nahatonga ny fikarohana azy fatratra. Mahatsapa ny vesatry ny alahelo mitambesatra amiko aho, tsapako ny fangirifirian'ny fianakavian'i William kely, alahelo noho ny fahaverezan'olona akaiky ny fo.

Nanampy tamin'ny fampielezam-baovao momba ny fikarohana ilay zazalahy very ny mpiserasera. sary Tumblr an'i Made by Malaysians

Miray fo amin'ny ray aman-drenin'i William i Norliza Sani

Ny nofy ratsy indrindra eo amin'ny ray aman-dreny dia ny very zanaka. Efa heverintsika amin'ny maha-ray aman-dreny fa isika no lasa voalohany. Mino aho fa efa fantatsika fa tsy mifidy taona ny fahafatesana, kanefa tsy nisy nivonona ho amin'izany rehefa tonga ny tokoa.

Any amin'ny ray aman-drenin'i William Yau ny foko. Handry am-piadanana anie ny zanakareo.

Manan-janakalahy vao enin-taona koa aho, manantena isika fa ho tratra sy hahazo ny sazy tena henjana izay nanao [ratsy] tamin'ny zanakareo. Betsaka ihany ny zaza very eto Malazia kanefa na dia mpaka an-keriny iray aza tsy azo. Izany no zavatra tokony ho eritreretinareo. Mampitaintaina sy mampalahelo ny mieritreritra fa mbola miriaria ireo mpanao meloka.

Maro ireo Maleziana, ka isan'izany ireo olo-malaza sy mpanao politika, naneho  fiaraha-miory tao amin'ny Twitter.

@SheilaMajid Tena malahelo izahay ary miara-ory amin'ny fahalasanan'i William Yau. Andriamanitra hankahery ny fianakaviana manoloana izao fahoriana izao ary handry am-piadanana izy.

@WardinaSafiyyah Tsy hita nanomboka ny 16 janoary i William Yau Zhen Zhong, 🙁 nahita vata-mangatsiaka ana zazalahy 7 taona avy ao Sungai Sierh ny mpitandro ny filaminana

@joannabessey Mirary fampiononana ho an'i William Yau sy ny fianakaviany (hatrany am-po lalina). Tahaka ny mponina Maleziana sy manerantany, TSY MAINTSY ataontsika mitsahatra izao fomba mahatsiravina atao amin'ny ankizy izao sy ny fanondranana olombelona

@drchuaSL Mitondra ny fampiononana feno ho an'ny fianakavian'i William Yau ary ny manantena fa ho voasambotra faran'izay haingana izay nahavanon-doza naka an-keriny/namono

@j1m0nz Fampiononana feno ho an'ny fianakavian'i William Yau

Ny mahavariana, na dia tsy mbola feno tamin'ny fomba ofisialy aza ny vokatry ny fizahana taorian'ny nahafatesany dia betsaka ireo Maleziana no mihevitra fa famonoana olona io, miantso ny handefasana ny nahavanon-doza eny amin'ny fitsarana, angamba noho ny raharaha Nurin Jazlin Jazimin izay manana andraikitra ambony.

Tsy ampy namaritana ny anton'ny fahafatesana ny valin'ny fizahana santatra taorian'ny fahafatesana, ary tsy nandidy namoaka petra-kevitra ny polisy, ka anatin'izany ny hoz fianjerany tanaty tatatra na hoe novonoina izy dia navarina tao. Saingy, namerina nandrakitra feon'ny vavolombelona indray izy ireo noho ny fisafotofotoana sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.