05 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 05 Febroary 2013

Ady Amin'ny ” Jadona Mahery Vaika” Any Amin'ny Faritra Fitrandrahana Arintany Any Okraina

  05 Febroary 2013

Tany Severnyi, tanàna ravan'ny fitrandrahana arintany ao atsinanan'i Okraina, ilay bilaogera ao amin'ny Donetsk Stanislav Kmet (mpampiasa ny LJ frankensstein), rehefa nandefasan'ny vondronà mponina mailaka izay mangataka ny hanampiana azy ireo mba hisintonanana ny sain'ny olona ho any amin'iio fitrandrahana tsy ara-dalàna io, izay mitady handrava ny tranon-dry zareo.

Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory

  05 Febroary 2013

Notorian'ny sampam-pitsikilovana ambony ao Korea Atsimo ho nanala-baraka azy ilay psykôlôgy mpahay lalàna Pyo Chang-won. Tamin'ny lahatsoratra farany navoakany [ko] tao amin'ny gazety mpanohana ny ankavia, namely ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Koreana (NIS) i Pyo, noho ny fanadihadiana notontosain'izy ireo tamin'ny mpiasa voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany...

Miray feo amin'ny fitadiavana ilay zazalahy tsy hita i Malezia

  05 Febroary 2013

Zazalahy kely enin-taona i William Yau, tao anaty fiara niaraka tamin'ny iray tampo taminy nandritra ny fotoana nandehanan'ireto ray aman-dreniny tao amin'ny magazay momba ny herinaratra ny 16 Janoary. Araka ireo  tatitra, nanomboka nitomany ny anabaviny, ka nivoaka ny fiara mba hitady ireo ray aman-dreniny, kinanjo tsy niverina intsony. Ny alakamisy,...

Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé

  05 Febroary 2013

Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria tao anatin'ny fotoana fanandratana ny fampihavanam-pirenena any Côte d'Ivoire no nisehoany.

Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila

  05 Febroary 2013

Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava tanteraka. Nihanaka haingana hamonjena ireo niharam-boinan'i Vila Liberdade ilay fanehoa-piraisankina tamin'izay nitranga tao Santa Maria.

Mandao An'i Tiorkmenistana Ireo Mpirotsaka An-tsitrapon'ny Peace Corps

  05 Febroary 2013

Nolazaina fa hanakatona ny fandaharan'asany any Tukrmenistan ny Peace Corps - fandaharanasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo tantanan'ny governemanta Amerikana - ary hiala ny firenena izy ireo ny faran'ny 2012. Maro ireo Turkmen mpampiasa aterineto no mihevitra fa handatsaka lalina kokoa ny firenena anatin'ny fitokana-monina sy hametra ny fahafahan'ny tanora hahazo fanabeazana izany fisintahana izany.