GlobalVoices anaty

Nandefa Gidro Tany an'Habakabaka i Iran Ary Hafa no Tonga avy Any

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

srpski · Iran Poslao Jednog Majmun u Svemir, a Drugi se Vratio
Español · Irán envió un mono al espacio y otro volvió
বাংলা · মহাশূণ্যে ইরানের একটি বানর প্রেরণ এবং অন্যটির পৃথিবীতে প্রত্যাবর্তন
македонски · Иран испрати еден мајмун во вселената, друг се врати
Français · Iran : Un singe part dans l'espace, un autre en revient
Català · Internautes iranians ironitzen sobre el mico astronauta del govern
Aymara · Irán markax mä munu k'usill khä pachar apayi ukat yaqhaw kutt’ani
Italiano · Iran: una scimmietta va nello spazio e ne torna giù un'altra
Magyar · Irán: Egy másik majom jött vissza az űrből!
English · Iran Sent One Monkey Into Space and Another Came Back
Aftab the monkey before launch into space

Aftab ilay gidro nialoha ny nandefasana azy teny an'habakavaka. Sary: IRNA

Nihaika ny filazan'ny governemanta Iraniana milaza ny fahombiazan'ny fandefasana gidro nankany an'habakabaka sy nitondra azy niverina velona tamin'ny 28 Janoary 2013 ny bilaogera sy ny loharanom-baovao maro. Official images — supposedly depicting the monkey before and after the launch — do not appear to match up, casting further doubt and raising suspicions that the launch may have been fake.

Indro ny fakan-tsary ofisialy voarakitry ny IRIB nasionaly Fantsona 1 :

Maro ireo mpisera avy ao amin'ny habaka fifampizaran-drohy Iraniana, Balatarin, no niteny fa mandainga ny fitondrana ary mampitaha ny sarin'ilay gidro nialoha ny fandefasana azy tamin'ny sariny lazaina fa nakana azy avy ao amin'ny kapisily (efitra kely misy ny olona mandeha eny an'habakabaka), tamin'ny alalan'ny fampisongadinana ny fahasamihafana hita amin'ny sary roa.

Indreto ry zareo:

0,,16563829_303,00

Araka ny hita amin'ny sary voalohany amin'ity lahatsoratra ity, sy ny sary iray eto ambony (ankavanana) dia misy tandra ny gidro voalohany eo amin'ny volomasony ankavanana ary fohy miloko volombatolalaka mazavazava ny volony manodidina ny tarehiny, raha tsy ahitana tandra sy somary matroka kokoa ny volo manodidina ny tarehin'ilay gidro faharoa.

Nisara-kevitra ny mpiserasera ka misy ireo tsy mino tanteraka ary misy ireo mihevitra fa famelezana fotsiny izany:

Maka fijery mamelively ilay bilaogera Iraniana ‘Hagh mosalam ma’ (‘Ny zonay azo antoka'), ary mametraka fampitahana amin'ity lazaina ho iraka fandefasana an'habakabaka ity sy ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana tamin'ny 2009 izay heverin'ny maro fa misy hosoka. Nananihany ihany koa izy:

Naman’[ny Mpitarika Faratampony] ilay gidro nalefa an'habakabaka, ary hafahafa fihetsika ilay iray niverina. [...] Amin'ny fampiasana Photoshop ianao afa-mandefa gidro any amin'ny [planeta] Marsa, fa tsy manamarika fotsiny hoe ivelan'ny atmosfera.

Amir Farshad manoratra ao amin'ny bilaoginy ‘Hot Chocolate‘ fa:

Nanome vaovao tsara betsabetsaka ho an'ny firenena [ny filoha] Mahmood Ahmadinejad tamin'ity herinandro mialoha ny fetin'ny Fajr [manamarika ny tsingerintaona fandresen'ny Revolisiona Islamika]: “Nandefa gidro tany an'habakabaka isika ary niezaka ny nanao fandidiana fanatsarana endrika tany ambony tany, avy eo dia namerina azy salama tsara teo an-trotroan'ny Mpitondra Faratampony.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny