Tafiditra Ao Amin'ireo Anjerimanontolo Rosiana Ankehitriny Ve Ny Hetsika Tamin'ny 1968?

Ny volana lasa teo, ny 18 Desambra, nanomboka nanao fitokonana sy nanakana ny fidirana amin'ny varavaramben'ny Anjerimanontolo ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana Rosiana momba ny varotra sy toekarena [ru] (RSUTE) . Ny fifandroritan-kevitra dia mikasika an'i Sergei Baburin, rektoran'ny Oniversite, izay nesorina tamin'ny asany vao tsy ela akory ary nifangaroan'ny asa naha tompon'andraikitra azy tao amin'ny akademia tamin'ireo tantaran'ny  lavabe naha mpanao politika azy. Ny Desambra 2011, lasa mpitarika ny fiombonana politika vaovao izy: Sendikà Nasionaly Rosiana, fikambanana Nasionalista iray mikendry ny hifaninana amin'ny “Antokon'ny Fitondrana,” Rosia Miray. Ny 4 Novambra 2012, nandray anjara tamin'ny filaharana lehibe nataon'ireo Nasionalista i Baburin sy ireo mpiara-dia aminy tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Firaisankina tao Maosko, ary nomen'ireo mpikarakara voninahitra manokana izy tamin'izany.

Fa ho an'ireo mpianatra kosa anefa, any an-kafa mihitsy no mipetraka ny tena olana. Taorian'ny fialan'i Baburin, dia nilaza ny fahefana mahefa fa latsaka ambany mihoatra amin'ny antonony ny zava-bitan'ny RSUTE ka nanambara ny hanakambanana azy amina ivom-pampianarana kelikely kokoa, ny Anjerimanontolom-panjakana momba ny toekarena Plekhanov (izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Pleshka na Plekahnovka), izay misy mpianatra eo amin'ny 17 000 fotsiny nefa ny RSUTE dia nisy mpianatra hatramin'ny 75 000 (izay miparitaka manerana ireo Campus maro)

Sakana no nataon'ireo mpianatra nandritra ilay korontana farany teo tao amin'ny Oniversite. Sary azo ny 6 Janoary 2013, datin'ny Tweet: 26 Desambra 2012.

Tamin'ny fanehoana ny heviny tety anaty tambajotra sosialy, mpianatra maro no nanao fanoharana ilay fanakambanana tamin'ny fananiham-bohitr'orinasa, maneho ny endriky ny tontolon'ny toe-karenan'i Rosia taorian'ny Kominisma tamin'ny fotoan'androny.`

Ny 21 Desambra, ny mpandridra ny Vondron'ny RSUTE ao amin'ny Facebook dia nanoratra [ru] hoe:

Нет окупации и рейдерскому захвату РГТЭУ!

Tsy ekena ny fibodoana sy fisandohana ny RSUTE!

Namintina ny vokatry ny fitokonana, Volodar Kogonitzky niantso ho amin'ny fivoriana tao amin'ny Facebook [ru]:

Охрану полностью заменили (новым ЧОП), забостовка свёрнута, многих студентов запугали отчислениями, нескольких преподователей уволилил своими распоряжением и.о Шкляев А. […] Бубурин С.Н. находится в больнице, на него обещали завести уголовное дело, под любым предлогом, если будет продолжать упираться. (Граждане хватит пресмыкаться, боритесь за свои права, вставайте!!!)

Nosoloina (ho mpiambina vaovao avy amin'ny orinasa tsy miankina) avokoa ireo mpiambina [ny anjerimanontolo], rava ny fitokonana, mpianatra maro no natahotra ho voaroaka, maro koa ireo mpampianatra no voaroaka, baiko avy amin'i rektora Shklyayev mpisolo toerana vonjy maika izany. […] Any amin'ny hopitaly i Baburin amin'izao fotoana izao, ary dia ho enjehina araka ny lalàna izy raha mbola miziriziry amin'ny heviny. (Ry olom-pirenena, fafao ny ranomaso, ary arovy ny zonao! Mitsangàna!!!)

Mihoatra noho ny toeram-pianarana ny RSUTE ho an'ireo mpianatra ao aminy—Lasa toy ny ampaham-piainan'izy ireo izany ary dia manamarika ny ho aviny ihany koa. Mpikambana iray hafa, Elmira Dzhantemirova, no nanome vatana ireny fanantenana ireny tamin'ny fandraisana anjara tao amin'ny Facebook [ru]:

РГТЭУ – для меня и многих кто учился там, стал по сути семейным ВУЗом.
Конечно, там были и свои проблемы, а также и свои успехи. Но, то что происходит сейчас, похоже на рейдерский захват, нарушаются права и законы, куда же смотрят Президент и Премьер министр?

Этот университет выпустил многих специалистов, достигших не малых высот в различных сферах. А также выпускал специалистов, простых тружеников, дипломы которых имели не последнее значение! А что теперь???
Кто дал право этим чиновничкам распоряжаться судьбами людей!!!! Это что, за “властители судеб???”

Ho ahy sy ireo hafa maro be izay nandranto fianarana tao, RSUTE raha ny marina dia lasa toy ny sekolim-pianakaviana.

Ekena fa, manana ny lafy mahatsara sy maharatsy azy izy, kanefa raha ny zava-miseho dia toy ny fananiham-bohitr'orinasa no hita ao, tahaka ny tsy ara-dalàna, ary mba te-hahafantatra aho [amin'ny fomba ahoana] ny Filoham-pirenena [Putin] sy ny Praiministra [Medvedev] no [tsy] mahita izao.

Betsaka ny manampahaizana no nahazo maripahaizana avy amin'ity Anjerimanontolo ity, tafakatra amin'ny toerana avo aminà sehatra maro samihafa. [Ny Anjerimanontolo] dia nanòfana ihany koa [karazany hafa] manam-pahaizana, [hatramin'ny] mpiasa tsotra, izay nanana maripahaizana tsy mena-mitaha amin'ny hafa! Ary ankehihitriny inona??? Iza no nanome alàlana ireo mpiasa birao ireo hitantana ny fiainan'ny hafa!!! Izy ireo angaha no “manampahaizana mpandahatra ny ho avy”???

Niezaka nanao hetsika ho fanohanana an'i Baburin tao amin'ny Twitter ny mpianatra maromaro, nanaparitaka ny tenifototra #BaburinMyRector (#БабуринМойРектор). Nandritra ny fitorevahana nandritra ny alina, nihirahira ihany koa ny mpandray anjara sasantsasany, toy izao ny fitantaran’i Dmitriyev Artem azy tao amin'ny Twitter:

@Alla_Mit@verbizkaja ))))))))) энергеты подпевали песню о реорганизации))) ночь#РГТЭУ

@Alla_Mit @verbizkaja ))))))))) Ireo mpianatra tanatin'ny fahavitrihany dia nihira ny fiverenan-kira iray mikasika ny fanavaozana indray ny rafitra))) alina#RSUTE

Tanatin'ny indray alina, lasa mari-pamantarana malaza ho an'ny vakom-pampianarana ny RSUTE.

Ny 27 Desambra, nitsahatra ny fitokonana. Nampanantenaina ny mpianatra fa rafi-pampianarana toy izay nisy teo aloha no homena azy ireo, ary nomena antoka ihany koa ireo mpampianatra fa hahazo fikarakarana araka ny tokony ho izy. Ny vokatra fototra avy amin'ny hetsi-panoherana 1968 dia ny fahalinana vaovao amin'ny fiarovana ny zo maha olom-pirenena amin'ny fomba mahery. Nanova fisainana maro iny fotoana manan-tantara iny. Efa eo amoron-tevan'ny fiovàny ara-kolotsaina ve i Rosia?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.