04 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 04 Febroary 2013

Tafiditra Ao Amin'ireo Anjerimanontolo Rosiana Ankehitriny Ve Ny Hetsika Tamin'ny 1968?

Akon  04 Febroary 2013

Ny volana lasa teo, ny 18 Desambra, nanomboka nanao fitokonana sy nanakana ny fidirana amin'ny vavravara-ben'ny Anjerimanontolo ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana momba ny varotra sy ny toekarena (RSUTE). Ny fifandroritan-kevitra dia mikasika an'i Sergei Baburin, rektoran'ny Oniversite, izay nesorina tamin'ny asany vao tsy ela akory ary nifangaroan'ny asa naha tompon'andraikitra azy tao amin'ny akademia tamin'ireo tantaran'ny lavabe naha mpanao politika azy.

Famoronana Rakibolana Miteny Ho An'ireo Fiteny Indizena

Rising Voices  04 Febroary 2013

Ny 7-11 Janoary 2013, mafana fo roa amby folo mpiaro ny Fiteny Indizena avy ao Amerika Latina no nivondrona tao amin'ny trano famakiam-bokin'i Santiago any Shily hizaha ny fomba hahafahan'ireo teknolojia dizitaly mitana anjara toerana goavana eo amin'ny fandraketana sy famelomana ny tenin-drazany, anatin'ny atrikasan'ny "Enduring Voices (Teny Mitoetra)". Ny hetsika voalohany indrindra notanterahina nandritra io atrikasa io dia ny famoronana Rakibolana Miteny, ho fomba izay hampiroboroboana ny tenin'izy ireo.

Espaina: Misampotina Mankany Aminy ny Ataon'ny Governemanta

  04 Febroary 2013

Sempotry ny « onja » maro loko ny governemanta espaniola : ny “onja maitso” an'ireo mpampianatra, mpianatra sy ray aman-dreny tsy manaiky ny fampihenana ny teti-bola sy ny fanitsiana amin’ny fampianarana, ny « onja mainty” an’ireo mpitsara, mpampanoa lalàna ary mpisolovava izay mandà ny fanovana ny rafi-pitsarana sy ny fandidiana hametrahana fandoavan-tsara amin'ny fampiasana ny lalàna,...