Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Ny Fandresen'ny Tsimatimanota Manoloana Ny Fanjakana Tan-dalàna Ao Ginea

Ginea no firenena zanatany frantsay voalohany teo amin'i Afrika mainty nahazo ny fahaleovan-tenany tamin'ny taona 1958. Ny volana Septambra 1958 ka hatramin'ny volana Aprily 1984, nisy fitondrana iray nanora-tena ho mpitondra fanavaozana namadika ny firenena ho toy ny fonja iray midadasika, nisambotra, nampijaly, nampiditra am-ponja sy namono ireo vahoaka maro tsy manan-tsiny. Tamin'ny taona 2010, niakatra teo amin'ny fitondrana i M. Alpha Condé, mpampianatra lalàna taorian'ny fifidianana nanjakan'ny herisetran'ireo mpitandro ny filaminana sy ny fifandonan'ny foko.

Tantara iray efa nanjakan'ny tsimatimanota

Ilay gineana mpahay tantara, Tierno Siradiou Bah, Tale mpanatanteraka ao amin'ny Mémorial virtuel Camp Boiro, dia  nanoratra  tao amin'ny bilaogy iray (anglisy) :

Arbitrary arrests, detention, torture, fake trials, and executions became a routine. Military barracks turned into detention centers and killing grounds. Thousands of political prisoners disappeared there. The country itself became a global prison. Everyone was a potential target of the ‘revolutionary’ secret police, including children and the elderly. The terror peaked in 1976. Then, in a series of provocative and self-destructive speeches, Sekou Touré incited to ethnic warfare and genocide against the main ethnic group: the Fulɓe.
Located in the center of Conakry, the Camp Boiro National Guard Barracks was the epicenter of the Guinean Gulag. It is estimated that more than 50,000 political prisoners disappeared there. The purges targeted the country's brightest minds but also the entrepreneurs, the unions leaders, women…

Lasa fahita mahazatra ny fisamborana sy fitazomana tsy ara-dalàna, fampijaliana, fitsarana tsy mandeha amin'ny fahamarinana ary ny fanamelohana ho faty. Lasa toerana fitazonana sy famonoana olona ho faty ireo toby miaramila. Olona voafonja politika an'arivony maro no nanjavona tany. Ny firenena mihitsy no toa lasa fonja faobe. Lasibatry ny mpitandro miafina «revolisionera» ny olon-drehetra, eny fa na ny ankizy sy ireo beantitra aza. Tonga tamin'ny fara-tampony ny horooro tamin'ny taona 1976. Avy eo, tao anatinà andian-dahateny maro mandrangitra sy manimba tena dia niantsy ady ara-poko sy fandripahana ireo foko antsoina hoe:  Fulɓe 
i  Sekou Touré. Ao afovoan'i Conakry, ny Toby Boiro, toby fonenan'ireo tafi-pirenena dia ivon'ny Goulag guineana(Goulag = toerana fanaovana asa an-terivozona). Araka ny tombatombana dia mihoatra ny 50.000 ireo gadra politika no nanjavona tao. Ny tena nokinendry tamin'izany dia ny fanahin'ireo nanam-pahaizana namirapiratra teo amin'ny firenena, ao koa ireo mpandraharaha, ireo mpitarika ny sendika ary ireo vehivavy …

armée en Guinée

Ny miaramilan'i Guinée nindramina tamin'i Abdoulaye Bah tao anatin'ny lahatsoratra nivoaka ny 2 oktobra 2011

Ary taorian'i Sékou Touré?

Taorian'ny nahafatesany, mpanao didy jadona maro hafa no nitondra ny firenena, izay nampihatra herisetra tsy ara-dalàna tamin'ny olon-tsotra nohon'ny antony maro samihafa ihany koa : hetsiky ny sendikaly na an'ny mpianatra, ny fitroaran'ny vehivavy manohitra ireo fepetra maro tsy mahafa-po sy ny halafon'ny vidim-piainana, sns.

Tamin'ny taona  2011, nanao fanadihadiana manerana ny firenena ny ACAT-France niaraka tamin'ny fikambanana gineana maro izay miady ho an'ny zon'ny mahaolona (Human Rights Watch) ka namoaka karoka iray izy ireo momba ny fampijaliana tao Guinée, ” Fampijaliana : izay manan-kery ihany no manao ny lalàna.” Taorian'io fanadihadiana io, dia nanao fanangonan-tsonia tety anaty aterineto ny ACAT-France, atao hoe  “GUINÉE. Atsaharo ny fampijaliana” izay natolotra ho an'ny filoham-pirenena Alpha Condé ary nifarana ny 31 desambra izany. Izao no vakin'izany:

Mijanona ho zava-panao andavanandro eto amin'ny firenena ny fampijaliana, na teo izany ho an'ireo voatàna noho ny ady madio (fitsarana eto no resaka), na tamin'ny famoretana an'ireohetsi-panoherana, na hanafaizana ireo miaramila voahendrikendrika ho mpamadika ny fitondrana. Eo anaty sehatra politika izay mbola mijanona ho henjana, hisafidy ny hampanjaka ny lalàna ve ny manam-pahefana sa hampanjaka ny tsimatimanota ?

Ny ohatra tena mampahonena amin'ireo herisetra ireo izay nahasarika ny sain'ny fianaakaviambe iraisam-pirenena dia ny vono olona tamin'ny 28 septambra 2009 sy ny andro taorian'izay. Mampahatsiahy izany ao amin'ny tranonkalany ny Fikambanana Amnesty International :

Tamin'ny 28 septambra 2009, namono mpandray anjara nitondra tanam-polo, mihoatra ny 150, tamin'ny famoriam-bahoaka nokarakarain'ny mpanohitra ny mpitandro ny filaminana gineana, izay teo amin'io kianja io ihany. Vehivavy mihoatra ny 40 no naolana teo imasom-bahoaka, olona miisa 1.500 farafahakeliny no naratra ary maro hafa no nanjavona.

Nathalie Zajde, mpampianatra mpampanao kaonferansa, any amin'ny Anjerimanontolon'i Paris VIII, tompon'andraikitra ny sampana mandalina ny psikolojia sosialy ao amin'ny Ivontoeran'ny Reny sy Zaza ao Conakry, dia nanoratra tao amin'ny vohikalan'ny gazety frantsay mpiseho isanandro lemonde.fr tamin'ny fahatsiarovana ny tsingerintaona faharoa nisian'ny vono olona tamin'ny 28 septambra 2009 :

Tsy fantatro na isan'ireo voaolana na tsia tao amin'ny hotely Sofitel de New York tamin'ny volana mey i Ramatoa Nafissatou Diallo. Nefa kosa, fantatro, ary maro isika no manana porofo, fa tamin'ny 28 septambra 2009 sy ny taorian'io dia mihoatra ny 100 ireo vehivavy teratany gineana, ary ny ankamaroany amin'izy ireo dia avy amin'ny foko Peules, voaolana tamin'ny fomba nahatsiravina no sady nampijalian'ireo miaramila, zandary sy tomonandraikitra politika gineana izay fantatra nazava tsara ny sasany tamin'ireo mpampijaly ireo, nefa hatramin'izao, roa taona aty aoriana taorian'ireo trangan-javatra nahatsiravina ireo, tsy nisy na ny iray aza tamin'izy ireo no voasambotra, na nampanantsoin'ny mpitsara.

Miseho ankehitriny ny tsy matimanota

Samy nandefa iraka hanadihady any Guinée mikasika ny halehiben'ny herisetra sy hanangana ny  lisitra ahitana ny anaran'ireo nahavanon-doza ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanana mpanaramaso ny zon'olombelona Human Rights Watch.

Na teo aza izany dia nanoratra i HRW tamin'ny taona 2011,:

Roa taona aty aoriana izao, tsy mbola nisy mihitsy olona nanao tatitra taorian'ny namonoan'ny mpitandro filaminana gineana ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika tsy mitàna fitaovam-piadiana nandritry ny famoriam-bahoaka nataon'ireo mpanohitra ny fitondrana tao Conakry, renivohitra, izay ampatsiahivin'ny Fikambanana mpanaramaso ny zon'olombelona (Human Rights Watch) …., tokony mbola handray andraikitra bebe kokoa ny fanjakana gineana mba hampanjakana ny fahamarinana ho an'ireo niharam-boina tamin'ny 28 septambra 2009.

Kanefa, araky ny fomba fijerin'ny Federasiona iraisam-pirenena miaro ny zon'olombelona (FIDH) sy ny Fikambanana gineana miaro ny zon'olombelona (OGDH) dia nametraka  ny tatitra nataony tany amin'ny Filan-kevi-Pilaminana ny Kaomisiona mpanadihady avy amin'ny ONU tamin'ny volana jolay 2012 izay manambara fa tena heloka bevava natao tamin'ny Zanak'olombelona tokoa no nisy ary mangataka ny hirotsahan'ny Fitsarana Heloka bevava iraisam-pirenena (CPI).

Nefa, tsy nisy tamin'ireo olona teo toeran'ny mpanome baiko ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fanatanterahana io herisetra io no voantso ho hadihadiana, ny mifanohitra tamin'izany aza no nitranga, manamarika ny Fikambanana gineana miaro ny zon'ny mahaolona (OGDH),

Manatri-maso nefa tsy afa-manoatra izahay mahita ireo noeritreretina ho tompon'antoka tamin'ny fanatanterahana io vono olona io nomena toerana ambony teo amin'ny asam-panjakana sy ny raharaha miaramila.

Anisan'ireo miaramila nitàna toerana mpanome baiko ary nasondrotry ny filoha Alpha Condé voninahitra ny “lieutenant-colonel” Tiégboro Camara, nomelohin'ny fitsarana gineana tamin'ny volana febroary lasa teo ary nitombo fahefana ka lasa sekretera jeneraly miandraikitra ireo Sampana manokana, ny Ady amin'ny fandraisana Zava-mahadomelina sy ny famonoana olona efa tsara homana, ary mitovy laharana amin'ny minisitra izy.


Ny tranganà herisetra farany dia tamin'ny 9 novambra 2012 raha nanao fanadihadiana mikasika kolikoly avo lenta iray i Ramatoa Aissatou Boiro. Nisy namono izy, raha iny izy nikasa ny hody any an-trano iny avy nirava niasa dia nisy lehilahy maromaro nitondra fitaovam-piadiana nibahana ny fiarany ary nitifitra azy na dia mbola nazava aza ny andro. Hoy ilay lahatsoratra iray teo amin'ny vohikalan'ny ONG Human Rights Watch mitantara:

 Nivoaka avy tao anaty fiara iray hafa ireo lehilahy ireo ka nijanona teo anoloan'ny fiaran'i Aissatou Boiro ary tonga dia nitifitra azy indroa. Notaterin'ireo namany sy ny fianakaviany fa naharay fandrahonana ho faty i Aissatou Boiro…..

Nilaza tamin'ny Fikambanana Human Rights Watch ny mpiara-miasa aminy fa nanao fanadihadiana mikasika ny fanodikodinam-bolam-panjakana izay noheverina ho tafakatra mihoatra ny 13 lavitrisa amin'ny vola gineana (1,8 tapitrisa dolara amerikana) izy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny