03 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 03 Febroary 2013

“Helo ho an'ny pelaka” i Tajikistan

  03 Febroary 2013

Lohahevitra fady ny resaka pelaka ao Tajikistan. Na dia efa ho dimy amby folo taona aza izao no tsy mahavoasazy intsony ny fiarahan’ny mitovy fananahana ao amin’ity firenena, dia mbola vitsy ireo mahazaka ny fisian'izy ireo ao amin’ny fiaraha-monina mitandro ny fomban-drazana. Ankoatra ny fihetsika fankahalana pelaka, lasa lasibatry ny...

Mila Sitraka Amin'i Merkel i Morsi Kanefa Mbola Ao Anaty Korontana i Ejipta

Nalaza ny sary “photoshop”n'ny filoha Ejipsiana Mohammed Morsi nanoroka ny lehiben'ny mpitondra fanjakana (chancelier) alemana Angela Merkel, ka niteraka fanebahana teo amin'ireo mpiserasera, izay nitsikera an'i Morsi ho nandany andro nankany ivelany amin'ny fotoana anjakan'ny korontana ao amin'ny firenena. Tsy nandray ilay sary ho tena izy ny Ejipsiana tamin'ny aterineto,...

Koety: Mitokona Tsy Misakafo Ilay Mafàna Fo Tsy Manana Zom-Pirenena.

Nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tao am-ponja ilay mpikatroka mafàna fo tsy manana zom-pirenena Abdulhakim AlFahdi, ny 16 Janoary teo, rehefa nandray ny saziny roa taona an-tranomaizina. Nampangain'ny fitsarana fa namely mpitandro filaminana iray tamin'ny hetsi-panoherana natao tamin'ny volana Marsa teo ity mafàna fo ity. Nolazain'ilay mpikatroka mafàna fo fa noforonina mba hiampangàna azy ity fanenjehana ity noho ny hafanam-pony ara-politika amin'ny fangatahana ny zon'ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena any Koety