Google Mamoaka Ny Sarintanin'i Korea Avaratra Hifandrimbonana

Afaka mitsangatsangana manerana ny tany ianao amin'ny alalan'ny klikin'ny totozy ao amin'ny Google Maps; mijery ny amparakatsakatsaka eto an-tany, eny fa na dia ny manavatsava an'i Antartika miaraka amin'ny andian-tsary afa-mihodidina aza. Saingy misy toerana iray tsy ahatafidirana matetika, na dia amin'ny alalan'ny Google Maps aza, dia ilay fanjakana mitoka-monina: Korea Avaratra. Miova izany ankehitriny.

Tamin'ny 29 Jan 2013 no namoahan'i Google ny sarintanin'i Korea Avaratra nifandrimbonana, telo herinandro monja nitsidihan'ny tale jeneralin'ny Google, Eric Schmidt, tao amin'ny firenena. Na dia efa nisy aza taloha ny sarintanin'i Korea Avaratra ao amin'ny Google, dia tsy misy na inona na inona. Saingy efa nisy fiovana goavana ny sarintany ankehitriny (sarin'ny taloha sy ny taoriana ato).

North Korea in Google Map

Sarintanin'ny Google ahitana ny renivohitra Koreana Tavaratra voahitsy. Pikantsary.

Nanoratra ny fisantarana andraikitra tao amin'ny bilaogy ofisialin'ny Google Maps i Jayanth Mysore, mpitarika ny tetikasa Taon-tsarintany Google. (Raha hijery ny dika Koreana, tsindrio eto)

Tsy mitsahatra ny miasa manampy antsipirihany kokoa momba ny sarintany amin'ny faritra banga filazalazana izahay. Nandritra ny fotoana maharitra i Korea Avaratra no iray amin'ny toerana lehibe voafetra dia voafetra ny fahalalana momba azy[…] Ho fananganana ity sarintany ity, dia niaraka nankao amin'ny Taon-tsarintanin'i Google [Google Map Maker] hitondra ny anjara birikiny tahaka ny fanomezana ny anaran-dalana sy ireo toerana mahaliana ny vondron'olona mpankafy manao izany.

Nanaraka avy hatrany ny fihetseham-po amin'ny aterineto. @romanticity anisan'ny nanoratra [ko]:

북한 구글지도 예전에는 퀄리티가 별로였는데 이젠 상세한 지도까지 서비스되네요 실향민이나 탈북자들 좋으실듯.

Nanmpalahelo tokoa taloha ny kalitaon'ny sarintany Google manondro an'i Korea Avaratra, saingy efa nanome antsipirihan'ny sarintany ry zareo ankehitriny. Mety ilain'ny mpandositra sy ny mpialokaloka.

@9it nanampy [ko]:

북한 상세 지도 찾아볼 생각은 한번도 안해봤는데, 지금 뒤적거리다보니 뭔가 신기하네요.

Tsy nieritreritra ny hitety ny sarintany misy antsipirihany an'i Korea Avaratra aho hatramin'izay, saingy manao izany aho amin'izao fotoana izao ary hitako ho tena mahavalalanina sy hafahafa.

@leejik manontany tena [ko] manontany ny dikan'izany fiovana izany:

구글지도에 북한 지도가 이제 제대로 뜨기 시작했네요. 이제 개방을 하는건가?

Hitako mihatsara ny sarintanin'i Korea Avaratra ao amin'ny Google Maps. Midika ho fisokafan'ity firenena ity ve izany?

North Korea in Google Map

pikantsarin'ny renivohitra Koreana Tavaratra ao amin'ny Google Map Satellite view.

Nasongadin’ i @premist [ko] ny fahasamihafan'ny kalitaon'ny sarintanin'ny Korea roa tonta

한국에서는 법 때문에(혹은 구글이 귀찮아서) 안 되는 Google 벡터 지도가 북한 평양에서는 되네요

Tsy misy tsilo ny sarintanin'i Korea atsimo noho ny lalàna mivoaka (na angamba kamo loatra ny Google hanangana iray?). Nefa dia hita izany ankehitriny ao Pyongyang ao Korea Avaratra.

Misy fameran-dalàna tokoa ao Korea Atsimo amin'ny fanomezana sarintany vita tsara dia tsara [high-resolution] . @leftliber moa lasa be ahiahy tafahoatra [ko] momba ilay lalàna hafa, ilay Lalànan'ny Fiarovam-Pirenena izay manivana izay rehetra misy ifandraisany amin'i Korea Avaratra ka nampigadra ilay Twittere Koreana Tatsimo noho izy nampita sioka koreana tavaratra:

오, 구글 지도에 드디어 북한이. 근데 혹 이거 들여다보다가 국가보안법 걸리는 건 아닌가. (이런 걱정을 해야 하다니…)

Oay, hitao ao amin'ny Google Maps i Korea Avaratra izao. Mety ho voampanga ho manitsakitsaka ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ve aho noho ny fijereko io sarintany io fotsiny? (Marina ve fa miaina ao anatin'ny toe-draharaha izay tokony hanahy momba izany ve aho?)

Misy ny mpiserasera sasany, tahaka an'i @kyeolgun, izay manana fijery matroka sy mitondra petra-tranga mampatahotra nefa mety ho efa tanteraka [ko]:

북한이 구글에 지도데이터를 주기로 했다는 건 기존 군사시설을 대부분 지하화했다는 얘긴가… 무섭군.

Mampiseho ango-kevitra an-tsarintany ao amin'ny Google i Korea Avaratra — midika ve izany fa efa voaafina ambanin'ny tany avokoa ny zava-mifandraika amin'ny ara-tafika rehetra? (Raha izany no marina dia) hampatahotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.