- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina

Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Tao amin'ny Twitter, Ibrahim Elgarhi nandefa sioka ho an'ny filohan'ny Ejipsiana Mohammed Morsi [ar]:

عاجل وانساني: فيه عشرات الاسر المحاصرة في سيناء في وادي فيران بعد ما عزلتهم السيول ومحتاجين اغاثة.. ملحوظة: سيناء دي تبع مصر يا ريس

@Ibrahim_Elgarhi [1]: Vonjimaika sy ny vonjy voina: Am-polony maro ireo fianakaviana tratran'ny fahirano ao Sinai, ao amin'ny lohasaha Firan, tra-boina izy ireo noho ny tondra-drano ary mila fanampiana haingana dia haingana. Azafady, fantaro Andriamatoa Filoha fa tafiditra ao anatin'i Ejipta ny faritra Sinai

Manoloana ny fahanginan'ny fanampiana avy amin'ny manampahefana, nanangona fanohanana i Alyaa Gad ho hetsika avy amin'ireo mpiserasera:

ال١٤٠٠ أسرة المحاصرين بالسيول في سيناء نساعدهم ازاي؟ (انسوا الحكومة- مافيش حكومة)، احنا – احنا نقدر نعمل ايه؟

@AlyaaGad [2]: Ahoana ny fomba hanampiantsika ireo fianakaviana 1.400 tratran'ny tondra-drano ao Sinai? (Adinoy ny governemanta amin'izany satria tsy misy governemanta). Inona no ataontsika?

Ary omaly, bilaogera Wael Abbas nisioka hoe:

1400 اسرة معزولة في جنوب سيناء وادي فاران بسبب السيول بدون اكل او كهرباء ولا يوجد اعلام او سياسين او احد يتحدث عنهم – الناس بعتولي استغاثة !

@waelabbas [3]: Fianakaviana 1.400 no tra-boina ao Atsimon'i Sinai ao amin'ny lohasaha Firan noho ny tondra-drano. Tsy misy ny sakafo sy ny herinaratra ary tsy misy media na mpanao politika na olona miresaka momba izany. Nandefa SOS taty amiko izy ireo.