Yemen: Nitsidika An'i Sanaa Ireo Solontenan'ny Filakevim-piarovan'ny Firenena Mikambana

Nitsidika an'i Yemen ireo delegasionin'ny Filakevim-piarovan'ny Firenena Mikambana (UNSC) tamin'ny Asabotsy 27 Janoary 2013, mba handondona ny filoha Abdrabuh Mansur Hadi sy hanampy amin'ny fampandrosoana ny fifampiresahana momba ny fihavanam-pirenena taorian'ny fikarakarana izany tamin'ny volana lasa teo tamin'ny Fihaonambem-pirenena – izay mitondra mankany amin'ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fifidianana amin'ny Febroary 2014- manoloana ireo fanamby marobe.

Natao ho zava-dehibe sy natrehin'ireo media ny fihaonambe, saingy miahiahy ireo mpiserasera Yemenita sy ny mponina mikasika ny fitohanan'ny fiara mety aterak'ity fihaonambe ity.

Mpanao gazety Adam Baron nisioka hoe:

@adammbaron
Hihaona ao Sanaa ny Filakevim-piarovan'ny Firenena Mikambana rahampitso. Mitaraina sahady mikasika ny fitohanana mety aterak'izany ireo namako yemenita. #yemen

@adammbaron
Efa niteraka olana lehibe sahady ny fisafoana vaovao momba ny fitsidihan'ny Firenena Mikambana ao sanaa. #yemen

Ny andron'ny fivoriana, nampihitsoka ny renivohitra Sanaa sy nanorisory ireo mponina ny fanamafisana ny fepetram-piarovana, ny fisafoana, ny làlana tapaka sy ny angidimby mijanona eo am-panidinana .

Baraa Shaban nitaraina tamin'ny sioka hoe:

@BaraaShiban
Nanjary 40 minitra no nanaovako ny diako raha 10 minitra no fanaovako izany isan'andro, #UNSC mitsidika an'i #Sanaa #Yemen

@BaraaShiban: #Toera-pisavana, #Toera-pisavana, #Toera-pisavana, hadalàna tanteraka, tsy afaka mihetsika araka  ny filaza isika … #Yemen

Osamah AlFakih nisioka hoe:

@osamahfakih: Mahare feon'angindimby foana tsy araka ny mahazatra noho ny fivorian'ny #UNSC ao #Sanaa #Yemen

@osamahfakih
Irìko raha mba ny fiarovana ny olom-pirenena aloha no handraisana izao fepetram-piarovana izao  isan'andro fa tsy ho an'ny fivorian'ny #UNSC ao #Sanaa #Yemen #UN ihany

Matthew Russell Lee nanontany hoe:

@innercitypress
Hametraka daroka “drone” eo akaikin'ny Sanaa angaha i Etazonia? http://www.innercitypress.com/sc4yatrips012413.html … MT “@yemen_updates #UNSC hihaona amin'ny Alatsinainy ao #Yemen”

Nisioka ihany koa i Will Picard:

@YemenPeaceNews
Tena matotra, inona no antony hanakatonana tanàna misy mponina 2 tapitrisa nefa fihaonana tsy misy ilàna azy izay azo atao any New York izany? #Yemen #UNSC

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notontosain'ny Delegasion'ny Filankevim-piarovan'ny Firenena Mikambana taorian'ny fihaonana tamin'ny filoha Hadi

Nanatontosa fivoriana manokana ny delegasion'ny UNSC, niaraka tamin'ny governemantan'ny fampihavanam-pirenena, ny Komity Teknikan'ny Fihaonambem-pirenena, ny Komity miaramila, ireo lehiben'ny Kongresim-bahoaka tamin'ny fitondran'ny Filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, ireo mpitarika vondron'Antoko, ary ireo masoivoho avy amin'ny firenena 10 izay mpanohana ny asan'ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasan'ny firenena ao amin'ny Helodrano.

Nifanojo tamin'izany, nanao diabe tao an-drenivohitra Sanaa ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony mba hitaky ny hitondrana ny filoha voahongana Saleh eo anatrehan'ny fitsarana sy ny fanagiazana ny fananany, nisy fihetsiketsehana goavana ihany koa tao amin'ny faritra atsimon'i Yemen ho fitakiana ny fisintahana.

Baraa Shaiban nisioka hoe:

@BaraaShiban:
Mikarakara diabe ny tanoran'ny revolisiona amin'zao fotoana izao, mifanojo amin'ny fitsidihan'ireo mpikambana ao amin'ny #UNSC

Hussain Yafai ihany koa nisioka hoe

@crazyyafai:
Hirahira ao amin'ny kianjan'i Aden amin'izao fotoana izao:”izahay no mpanapa-kevitra”, ho fanoharana ny manjo an'i #SouthYemen.

Mpanao gazety tsy miankina Joe Shaffer, monina ao Yemen, nisioka ny zava-misy:

@JoeSheffer: ‏Mampiseho ny fahatongavan'ny UNSC fa tsy mandeha tsara araka ny tokony izy ny fihaonambem-pirenena. Tsy misy dikany izao karazana diplaomasia mivezivezy izao. #yemen

Hoy izy nanampy tao amin'ny bilaoginy:

Ary indrisy niteraka fanelingelenana ho an'ny mponina ao an-drenivohitra amin'ny ankapobeny sy ny hafa vitsivitsy ny totaliben'ny fandraisana anjaran'ny mpandehandeha amin'ny fahamahana politika. Ao anatin'izao hadalàna manodidina ny fitsidihana androany izao, nosakanan'ireo mpitandro ny filaminana tsy hitondra harona ny mponina tao amin'ny kianja Tahrir ao an-toerana [Analakely raha eto Madagasikara] ary nitombo be dia be ny toera-pisavana tao ao an-tanàna nandritra ny alina ka nahatonga ny fitohanana nanerana ny arabe. Azo antoka fa nanampy ny vahoaka Yemenita amin'ny fiheverany momba ny ivelan'ny fireneny izao.

Tsy misy isalasalana fa efa niasa mady ary mbola hanohy izany hatrany amin'ny alalan'ny fanaovana fihaonambem-pirenena ao Yemen i Jamal Benomar sy ireo delegasiona manokan'ny Firenena Mikambana; ary tsy tokony hanohintohina ny ezaka ataony ry zareo voatonona eo ambony. Mety ihany koa ny milaza fa toa tsotra sady mahitsy fo ny tsirairay tahaka an'i Benomar mba hampahomby ny fametrahana ny fandriampahalemana.

Hanamarika kosa ny sasany fa na dia tsy mandeha tsara araka ny tokony izy aza ny fihaonambe, ny tsy fahalatsahan'ny firenena tao anatin'ny ady an-trano toy ny tao Syria dia mampiseho fa toa nahomby ihany izany amin'ny lafiny sasany.

Will Picard nanampy hoe:

@YemenPeaceNews
Mba hanamarihana ny fitsidihan'ny UNSC tsy ilaina androany ao San'a, nandefa indray ny lahatsoratrako momba ny loza noho ny  “fisafoana ara-diplaomasia” eto #Yemen aho: http://bit.ly/11zQ5C3

Hoy izy nanoratra:

Tsy mahafantatra ny korontana misy ity fisafoana ara-diplaomasia ity, ary tsy mamokatra mihitsy. Raha ny zava-misy, afa-mameno ny mason-tsivana nalahatra etsy ambony ambany fitarihan'ireo “Namany” i  Yemen nefa tsy manova na dia singa iray eny an-tsehatra aza.

Tsy mason-tsivana na tondrozotra no ilain'i Yemen, fa ny fahavonan'ny iraisam-pirenena mirotsaka hamaha tokoa ny krizy maro manelohelo manohintohina ny filaminana sy ny fiainana milamina.

Mampihomehy moa fa ilay filakevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana nanohana ny tsy azo isamborana ilay filoha teo aloha sady iray amin'ny kandidà fifidianana filoham-pirenena tao Yemen Ali Abdullah Saleh no manamba ampahibemaso ny fanohanany ny Filoha Abdu Rabuh Mansour Hadi sy ny “Tetezamita milamina” ao Yemen . Kanefa  tsy tontosa na noresahina nandritra ny fitsidihan'izy ireo araka ny nantenain'ny filoha Hadi ny momba ny fanasaziana ny filoha teo aloha Saleh. Taorian'ireo fandrahonana maro avy amin'ny Firenena Mikambana handraisany fepetra ireo manakorontana ny fizotry ny famahana ny olana ara-politika, dia nilaza ny filohan'ny delegasiona nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny fivoriana, fa horesahina mandritra ny fivorian'ny UNSC manaraka any New York ny fomba hifampiraharahana amin'ireo olona manakatsakana ny fanapahan-kevitry ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasan'ny firenena ao amin'ny Helodrano (GCC). Tahaka ireny hoe mbola manana fotoana ivalamparana i Yemen ao anatin'izao korontana naharitra roa taona izay. Tsy lazaina intsony fa tsy tafiditra ifampiresahana anatin'ny fandaharam-potoana ireo “drone” Amerikana mamely an'i Yemen saiky isan'andro hatramin'ny fiandohan'ny taona teo.

@yemen_updates
Nandao an'i #Sanaa ny delegasionan'ny #UNSC taorian'ny fametrahana: 1- ezaka mivaingana ho an'ny fizotry ny tetezamita ao #Yemen & 2- fitohanan'ny fiara tao an-tanàna. #FF

‏@WomanfromYemen
Q: Miharihary fa mahazo ny fanohanan'ny iraisam-pirenena ny Filoha #Hadi , manao ahoana kosa ny fiarahamonina “ao an-toerana”? #Yemen

@ShathaAlHarazi SC & Zaiani sy izay nitsodrano ny tetezamita no tokony hanazava hoe nahoana isika mitolona hisian'ny fitsarana tsy mitongilana raha mahazo ny tsy azo isamborana sy hanamelohana azy tao anatin'ny fotoana fohy i Saleh #Yemen

@imothanaYemen: Andro manandanja ho an'i Yemen sy roa volana hosedraina lafy no hatrehina # Yémen CSNU

Ity ny Storify ahitana ireo fihetseham-po maro hafa tamin'ny fitsidihana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.