Nessa Geudes bilaogera Breziliana, Garota Coca-cola

[Amin'ny teny portiogey avokoa ny rohy rehetra ankoatra izay marihana manokana]

Miara-miasa mba hifampizara ny feon'ireo bilaogera efa an'arivony sy olo-pirenena tia mitati-baovao miaina eran'izao tontolo izao ny GVO (Global Voices Online). Indraindray anefa, misy mahaliana amin'ireo bilaogera ireo ka mitarika anay hitodika any.

Amin'ny tafatafa manaraka etoana, andeha ho fantarintsika bebe kokoa i Nessa Guedes, bilaogera 23 taona avy ao Brezila Atsimo ary nifindra tao São Paulo. Mpandala ny zom-behivavy, praogramera, ary vezetariana (tsy mihinana afa-tsy zavamaniry), tovovavin'ny Coca-Cola, ary ambonin'izany rehetra izany dia olona tsy mahazaka miondrika raha miatrika ny endrika tsy rariny eto amin'izao tontolo izao.

Global Voices: Iza i Nessa Guedes?

Nessa Guedes: Mpandamina laminasa [praogramera] ? Bilaogera? Mpiandraikitra tetikasa? Mpanandratra ny vehivavy? Tsy mihinana afa-tsy zavamaniry? Mpitaingina bisikileta? Mpankafy fiainana? mpikatroka an-tserasera? Mpitia rindrambaiko misokatra? Na amin'izao fotoana izao aza, tsy afaka milaza aho hoe iza aho, satria tsy fantatro loatra raha miresaka momba ny asako aho, na ny tolona na zavatra ataoko. Nandao an'ny Portio Alegre aho mba hifanerasera amin'ny olona vaovao, sy noho izaho hitako miaro foto-kevitra maro. Te hahafantatra kokoa aho amin'izay tokony atao handraisako anjara amin'ireny foto-kevitra ireny sy hiaina ny zavatra niainan'ny hafa.

Blogger and activist, Nessa Guedes

Bilaogera sy mpikatroka, Nessa Guedes

BlogBilaogyhttp://garotacocacola.com.br/
Twitter@nessoila
Facebook: Nessa Guedes
Favorite Link: ANDA (News Agency for Animal Rights)

GV: Nahoana no nanoratra bilaogy?

NG: Zavatra hafa mihitsy no nahatongavako tamin'ny bilaogy. 17 taona aho tamin'izay ary nanam-potoana malalaka – te haneho ny fihetsem-poko amin'ny teny sy hizara izany amin'izay liana. Nizotra tsimoramora teny, najanoko hatreo ny firesahako ireo fahatezerako manokana ka nanokatra lohahevitra tamin'ny sehatra ankapobeny kokoa ny bilaogy, niresaka momba ny fivezivezena, ny safidy, ny politika, ireo asa, ireo andraikitra nandalovana, ny fitondra-tena ary ny fifandraisana.

Izany rehetra izany no anisan'ny nampitombo nampivelatra ny fomba fijery sy ny fahitana iza tontolo izao. Azo lazaina ho fitaratra tsy misy fitaka ny fomba fisainan'ny adolatsento [somondrara] iray ho tonga vehivavy ilay bilaogy.

GV: Nahoana no hoe “Tovovavin'ny Coca-Cola”?

NG:  Ilay tovovavin'ny Coca-Cola dia avy amin'ny fahatsapana ho ao anatin'ny tontolo izay tsy hankasitrahako loatra, kanefa kosa tsy azoko tena ilaozana, izay indraindray mamono ahy. Mieritreritra matetika aho hoe ho lasa mpitokamonina, kanefa na misafidy hipetraka anaty lava-bato aza aho, mbola hanara-dia ahy ihany ny fananan'olona iray manokana, satria tsy misy tany ka tsy misy tompony eto an-tany. Noho izany na hividy lava-bato aho izany na hanafika izany, izay mety hahatonga ahy ho eo am-pelatanan'ny zavatra tsy voatery ho zakako loatra. Ny zavatra hafa tsy mamela ahy “handao” ho any amin'ny tontolo tiako, dia ny fahafantarako fa misy olona mila fanampiana any, indrindra noho izy tsy mahatsapa  fa miaina ao anatin'ny toe-javatra tsy rariny izay manery ireo tsy nomena tombontsoa manokana hionona amin'ny ara-tsakafo, fahasalamana, ary fahafahana misafidy ny ambany indrindra.

Ser uma “garota coca-cola” é estar eternamente presa a propriedade privada, à mídia, à legislação, sem poder escolher estar ou não dentro delas. É não beber coca-cola mas ainda ser alvo de um mundo viciado em refrigerante. Apesar de que eu bebo coca-cola às vezes.

Izany “tovovavin'ny coca-cola” izany dia manana fifandraisana mandrakizay amin'ny fananan'olona manokana, ny gazety sy haino aman-jery, ny lalàna, nefa tsy manan-tsafidy ny ho anatiny na ivelan'izy ireny. Tsy misotro coca-cola izany saingy mbola lasibatry ny tontolo miankina amin'ny sôdà. Voalaza izany, nefa tsy maintsy misotro coca-cola ihany aho tsindraindray.

GV: Inona no lahatsoratra tianao indrindra ao amin'ny bilaogy? Ary Nahoana?

NG: Mino aho fa ny lahatsoratra nanekeko fa mijery sary vetaveta [porno] aho – Mbola fady dia fady eto Brezila ny fitenenana fa manjifa io karazam-botoaty io ny vehivavy. Ankoatr'izay ny lahatsoratra iresahako ny fanjakan'ny mendrika sy ny zava-niainako mampihoron-koditra nahitako teo anatrehako lehilahy iray mijaly miala aina nefa tsy afaka manao  na inona na inona intsony aho. Ary ny tena mampalahelo indrindra dia ny fahazarana mahita ny fahafatesan'ny tsy mana-kialofana satria satria eny an-dalana no fiainany.  Toy ny tsy misy dikany ny fiainana raha tsy manana ny olona iray. Tsy misy sanda azo ametrahana ny aina. Tokony ho izao na izao ianao vao mahazo fiarovana, fanajana ary mamonjy : diso izany. Tena diso.

GV: Ary ahoana ny fihetsiky ny olona amin'ny lahatsoratrao?

NG: Ny namako no tena mpamaky voalohany ny bilaogiko. Manoratra mailaka amiko ny ankamaroan'ny olona raha tokony haneho hevitra ao amin'ny bilaogy: misy ny miarahaba ahy ary misy ny tsy mitovy hevitra amiko ihany koa. Hitako ho mahalalin-tsaina izany, noho izaho afaka mandresy lahatra amin'ny hevitro sy mamaky ny lahatsoratro amin'ny fomba fijery hafa. Misy fotoana matetika tonga ny adi-hevitra izay mihamafana ka mandeha amin'ny lohahevitra hafa tena ivelan'ny resahin'ny lahatsoratra niaviany mihitsy, tahaka ireo lisitra fifanakalozan-kevitra ao amin'ny mailaka sy famoahan-dahatsoratra indray avy amin'ny bolongana hafa.

Eu gosto dessa movimentação. Às vezes, inclusive, mudo de idéia sob certos aspectos – e acho isso extremamente importante para quem busca estar sempre à frente no entendimento das coisas que compreende como erradas no mundo.

Tiako izao fifanakalozana izao. Indraindray ary aho miova hevitra mikasika zavatra sasantsasany – ary hitako tena zava-dehibe izany ho an'izay te ho lohalaharana amin'ny fahatakarana zavatra eritreretiko ho diso eo amin'izao tontolo izao.

GV: Efa nampisy olana teo aminao ve ny maha-mpikatroka anao?

NG: Nanana olana aho tamin'ny 2011 noho ilay horonantsarin'ny Folha de Sao izay nitafatafan'izy ireo tamiko nandritra ny Diaben'ny Jilajila tao São Paulo [en], very ny sata maha-matihanina ahy noho ny fiantraikany. Saingy krizy azo notantanina ihany izany, fa niaraka tamin'ny antony hafa no nahavoaroaka ahy. Tsy nanenenako ny nikirizako tamin'ny hevitro, ary tsy mahamenatra ahy mihitsy ny nanehoako izany tao amin'ny toeram-piasako, tsy nisy heloka bevava nataoko hatramin'izay. Ny mpanao meloka no mety miafina amin'ny zavatra tsy rariny ary tsy manao na inona na inona hanatsarana azy, fa ny olona mihiaka kosa raha mahatsapa fa misy tsy mety ka tonga eo amin'ny fialana amin'ny seza ipetrahany ka manova mihitsy ny zava-misy dia tsy mpanao meloka velively. Nandray izany lesona izany teo amin'ny fiainako aho: tsy ho diso fanantenana amin'ny tenako eny fa na dia diso paika ka tsy nahazo asa aza noho ny fironan-kevitro sy ny hevitro na noho ny zavatra nataoko teo amin'ny fiainako. Isaorako ny lanitra tsy nampandany ny fotoanako tamin'ny asa misy ireo olona izay tsy manaja tahaka ny hanajako azy.

Nessa Guedes holds a Blogueiras Feministas (Feminist Bloggers) sign dring the SlutWalk in São Paulo

Nessa Guedes mitazona ny mariky ny Blogueiras Feministas (bilaogera mpandala ny maha-vehivavy) nandritra ny Diaven'ny Jilajila tao São Paulo

Oha-pitenenana tiana indrindra

“Meteza ho ilay fiovana tianao ho hita amin'izao tontolo izao.” Dalai Lama

Olona tena arahinao amin'ny Twitter:

Ao amin'ny @srtabia, satria tiako ny fomba fanakaikezany ireo fikambanana rehetra miditra an-tsehatra, sy ny fomba fanehoany hatrany ny heviny tsy misy marimaritra iraisana, na tsy misy famelezana olona. Malefaka hatrany sady marani-tsaina feno fanajana.

GV: Zava-dehibe tena ilaina ve ny bilaogy amin'ny fotoana anjakazakan'ny Facebook na tambajotra sosialy hafa?

NG: Eny indrindra, tena ilaina sy manan-danja lehibe tokoa ny bilaogy amin'ny vanim-potoanan'ny tambajotra sosialy: izy no antoky ny fizakantenantsika ara-politika ao amin'ny aterineto. Rehefa mampiasa tambajotra sosialy na bilaogy tsy mahaleo tena isika, dia tsy maintsy manaiky ny politikam-piserasera sy ny fampiasana manokana apetrak'izy ireo. Tena malalaka isika rehefa misera bilaogy mahaleo tena.

GV: Ary inona ny zavatra hafa ataon'i Nessa Guedes?

Nessa Guedes in her developer hat at the iMasters hackathon, Intercon 2012. São Paulo, Brazil.

Nessa Guedes in her developer hat at the iMasters hackathon, Intercon 2012. São Paulo, Brazil.

NG: Nessa dia miasa amina mpamokatra nomerika ho ana sampan-draharahan-dokam-barotra iray. Efa hatramin'izay aho no nankafy teknolojia ary matetika aho mahazo asa-na mpikirakira web. Zatra miasa an-tsitrapo amin'ny sehatry ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao aho, ary mandray anjara araka izay tratrako amin'ny hetsika mifandraika amin'izany. Anisan'ny ankafiziko ihany koa ny mampianatra, ary raha misy ny fotoana dia mampianatra ny taranjan'ny fikirakirana [web] ho an'ny olona ivelan'ny orinasa aho. Na dia tsy maimai-poana aza izany matetika dia ataoko ao anatin'ny fientanentanana hatrany. Mpikambana jedi ao amin'ny Garoa Hacker Club aho, ary mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny fikambanana mpanao asa-soa Mozilla. Mpikambana ao amin'ny Blogueiras Feministas (Bilaogera mpanandratra ny vehivavy) koa aho, ao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra sy vavahadin-tserasera ho an'ny vehivavy ao Brezila. Manoratra momba ny fikirakirana tranonkala ao amin'ny bilaogiko hafa ihany koa aho.

Ao anatin'ny tontolon'ny tambajotra sy ny solosaina aho, fa saingy ataoko kely avokoa ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainako, hatramin'ny fanaovana ho mpanolo-tena mpiresaka amin'ny finday tamina ONG (fikambanana tsy miankina) mpikarakara alika, ka hatramin'ny fianarana fizika dingana voalohany nandritra ny telo taona nahadiso fanantenana tao amin'ny UFRGS (Oniverite Federaly Rio Grande Do Sul). Very foana aho isak'izay anontaniana izay ataoko ankoatra ny asa sy ny bilaogy, betsaka loatra…

GV: Hamaranana azy, hevitra iray ao anatin'ny tweet iray enti-manova izao tontolo izao

NG: Aza ahemotra amin'ny manaraka izay zavatra azonao vitanao ao anatin'ny 5 minitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.