Febroary, 2013

Tantara tamin'ny Febroary, 2013

Afomanga Nahavoa Tsy Ampy Taona sy ny Etikan'ny Media ao Bolivia

  27 Febroary 2013

Nahafaty olona, rehefa nahavoa sy namono zazalahy 14 taona ny afomanga nalefa nandritra ny lalao football [es] iray tao Bolivia. Mba hitantarana ny voina dia nampiasa ny pejy facebook-n'ilay zazalahy ny mpitati-baovao, ka niteraka ny adihevitra hoe mifanaraka amin'ny etika, na hoe ara-dalàna ve ny mampiasa sarin'olona mbola tsy ampy taona avy...

Resadresaka Miaraka Amin'ny Ben'ny Tanàna Ao An-tanàna kely Kristianina ao Syria

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady Amin'ny ezaka ataonay amin'ny fanasongadinana ny tantaran'ny olom-pirenena, ity ambany ity ny resadresaka teo amin'i Syria Deeply sy Abu Skandar, bén'ny...

Mikasa Mbola Hanohy Fe-potoam-piasana Fanindroany (Sa Fanintelony?) Ny Filohan'i Bolivia

  26 Febroary 2013

Nanambara ny antokon'ny fitondrana MAS fa mikasa hofidiana fanindroany amin'ny fifaninana fifidianana filoha-pirenena hoavy atao amin'ny volana Desambra 2014 ny filoha Evo Morales. Manana tombontsoa noho ny fanohanana lehibe ao Bolivia, indrindra avy amin'ireo vahoaka teratany sy tambanivohitra i Morales, mpamboly coca teo aloha izay nanjary lehiben'ny sendikalista an'ny ankavia. Saingy niteraka adihevitra...

Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”

  26 Febroary 2013

Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."

Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

  25 Febroary 2013

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) ny fikambanana ara-panjakana ao Eoropa, Amerika Latina sy ao Etazonia izy hatramin'ny tapaky ny...

Zambia: Sinoa Manampahaizana Hanaramaso Ny Aterineto Hoe?

GV Mpisolovava  25 Febroary 2013

Voalaza fa nanakaràma Sinoa manampahaizana ny governemanta Zambiana mba hametraka fitaovana fanarahamaso miafina ny aterineto ao amin'ny firenena. Efa nitsidika ireo orinasa ny iraka avy amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena sy ireo manampahaizana manokana amin'ny teknolojia hitsidika ny toeram-piasàny sy handalina ny fotodrafitrasa ampiasain'ny tambajotran-dry zareo, mba hahafahan'ireo manampahefanaa mijery izay toerana ao anatin'ilay tambajotra hametrahana ny fanapaingorana , na ny 'varavarana miafina' hitsikilovany. Na ny manampahefana Zambiana, na ny Shinoa dia samy tsy nisy nety naneho hevitra mikasika ny fiarahan'izay ireo miasa

Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

  25 Febroary 2013

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.

Nivadika Nanoratra Bilaogy Ireo Mpanao Gazety Iharan'ny Teritery Ao Gambia

  25 Febroary 2013

Nanangana sy nanoratra bilaogy  ireo mpanao gazety sasany ao Gambia mba hitati-baovao noho ny fifandrafiana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, izay voaloton'ireo lalàna sy fitsipi-pipehezana mahery vaika saiky mampihitsoka ny fampahalam-baovao mahazatra. Nitsikera hatrany ny filohan'i Gambia Yahya Jammeh ireo vondro-piarovana noho izy tompon-dakan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Araka ny tatitra avy amin'ny “Reporters...

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.

Arabia Saodita: Mpikatroka Miampanga Ilay Mpitsara Amin'ny Ady Tombotsoa

Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany...