Arabia Saodita: 36 Andro Tany Am-ponja Noho ny Mari-Pamantaran'ny Zon'olombelona

Nahatonga ny maro hampiasa fomba vaovao hanehoana ny tsy fankasitrahana ny famoretana mahery vaika ireo fihetsiketsehana ao Arabia Saodita. Ohatra iray efa notaterinay ny fitokonam-bahoaka tsy hihinan-kanina. Taminà andianà sioka, mpisera Twitter Saodiana Mohammad al-Olayan nizara ny tantarany manokana tamin'ny fanoratana mari-pamantaran'ny  zon'olombelona hoe “Tsy manaiky fanagadrana tsy amin'ny antony” teo amin'ny fiarany.

@2wordsprisoner: في يوم الأحد 16-12-2012 القي القبض علي من قبل شرطة الطوارئ اثناء عودتي من العمل بسبب وجود عبارة لا للاعتقالات التعسفية
@2wordsprisoner: مكتوبة على زجاج سيارتي الخلفي, ثم تم تسليمي الى شرطة المنار بعد تصوير السيارة,ثم بدأ التحقيق معي احد العسكر والضابط المناوب وقد انكرت انني
@2wordsprisoner: من قام بكتابة العبارة وقلت انني وجدتها مكتوبه فجر يوم السبت اثناء خروجي للعمل ولم اتمكن من إزالتها لإنها كتبت بإستخدام بخاخ بوية صعب
@2wordsprisoner: الإزالة,وقد بصمت على هذه الاقوال, ثم طلبت من الضابط ان يسمح لي بالخروج حتى لو خروج بكفالة لأنني لم ارتكب جرم او مخالفة فرفض ذلك وقال
@2wordsprisoner:انني موقوف لديهم للتحقيق,ثم طلب مني خفير التوقيف أن اسلم جوالي ومفاتيحي لكي ادخل التوقيف,ثم اقتادني الى التوقيف الجماعي فرفضت الدخول بحجة
@2wordsprisoner:ان المكان مزدحم جدا جدا ولامكان لي والوضع الإنساني سيئ للغاية, فقال العسكري: اقول ادخل بلا وضع انساني بلا خرابيط, فرفضت ثم اقتادني إلى
@2wordsprisoner:زنزانة انفرادي متسخة ومليئة بالحشرات بسبب وجود حمام بداخلها به تسريبات وأوساخ أجلكم الله فرفضت الدخول, ثم اقتادني إلى الممر وقال إنه
@2wordsprisoner: لم يتبقى مكان غير الممر لكي تنام فيه,فقلت ان حال الممر افضل من حال التوقيف والزنزانه, وبالفعل جعلني أنام في الممر بعد أن وضع القيد بقدمي
@2wordsprisoner:وربط القيد بباب حديدي, ونمت وقدمي مقيدة بالباب حتى الفجر, ثم تم ادخالي للتوقيف الجماعي بعد الفجر, وفي الصباح استدعيت للذهاب الى هيئة

Tamin'ny Alahady 16 Desambra, nosamborin'ny mpitandro ny filaminana aho teo am-podiana avy niasa noho ny soratra hoe “Tsy manaiky Fanagadrana tsy amin'ny antony” teo amin'ny fitaratra aorian'ny fiarako. Nentina tao amin'ny [tobin] ‘ny polisy ao al-Manar aho rehefa avy nalaina sary ny fiarako. Nanomboka nanadihady ahy ilay polisy iray ary nilaza taminy aho fa tsy tompon'andraikitra. Nilaza tamin'izy ireo aho fa vao maraimbe no nahitako ilay soratra raha iny handeha hiasa iny aho ary tsy afaka nanaisotra ilay soratra satria tsy mety fafana ilay ranomainty. Nosoratako tamin'ny taratasy izany fanambarako izany ary niangavy ilay polisy aho mba hamotsotra ahy na dia mbola mila vavolombelona aza izany satria tsy nanao heloka aho ary tsy nanitsakitsaka lalàna, saingy nandà izy ary nilaza tamiko fa mbola tazonina atao fanadihadiana aho. Avy eo niteny tamiko ilay polisy mba hametraka ny findaiko sy ny lakile ary nentiny taminà efitrano kely hipoka olona tsy misy fanajana ny maha-olona aho. Nilaza tamiko ilay polisy mba [tsy hiresaka intsony momba ny maha-olona ary nasainy niditra tao amin'ilay efitrano kely aho,] saingy nolaviko izany. Avy eo, nentiny tany aminà efitrano kely mitokana aho, kanefa mitokana be ilay efitra no sady feno vovoka ka mbola nandà tsy hiditra ao ihany aho, avy eo nentiny teny amin'ny lalantsara aho ary nilaza izy fa tsy misy toerana malalaka intsony, niteny taminy aho fa ity lalantsara ity no toerana tsara, ka nofatorany tamin'ny varavarana vy aho ka nentiny tao amin'ilay efitrano kely hipoka olona tamin'ny vao maraimbe […]

Nanohy nitantara momba ny fanadihadiana vaovao natao azy i al-Olayan ka nanontaniana izy tamin'izany raha niatrika fotoa-pitsarana ireo olona roa mpiara-mamorona ny ACPRA (Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo politika sy sivily  (manana Fitantarana manokana momba izany izahay!) Nandre momba ny fisamborana azy ny ACPRA ary nitady mpisolovava an-tsitrapo mba hiaro azy.
Nalefa teny amin'ny fitsarana ihany i al-Olayan ary mbola nanohy nandà ny tsy maha-tompon'andraikitra azy. Namoaka didy famotsorana azy ny mpitsara taorian'ny 36 andro, saingy tsy maintsy miatrika izay ho fanadihadiana fanampiny izy raha sendra misy ny fampiantsoana azy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.