Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh

Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo ho meloka ao amin'ny fireneny ny fironany ara-pananahana. Ankoatra ny tsy famelana azy ireo hizaka ny zony, miatrika fanavakavahana, ompa, herisetra ara-batana sy fihantsiana ara-tsosialy ny Olona LGBT ao Bangladesh. Tsy mankatò ny fanambadiana, fisoratana na mpisakaiza eo amin'ireo olon-dehibe mitovy taovam-pananahana ny firenena

Tanvir Alam nanoratra hoe:

Misy ny lalàn'ny fanjanahan-tany Britanika, fehezan-dalàna famaizana 377, izay mandràra ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana, ary milaza fa “manohitra ny fitsipiky ny natiora” izy ireo. Nofoanana tao Royaume-Uni izany lalàna izany. Na dia mbola tsy mihatra aza izany, dia mbola velona ao Bangladesh, noho izany sarotra ny hiresaka momba ny zon'olombelona mikasika izany. [..]

Misy ny kolontsaim-pandàvana iombonan'ny besinimaro amin'ny fisian'ny fiarahamonina pelaka ao Bangladesh – tranga vokatry ny fiarahamonina mpandala ny nentin-drazana. Ny fanilikilihana sy ny fady no tena nahatonga ny fiarahamonina pelaka, manokana, ho fiaraha-monina marefo indrindra. Tsy afa-mifanaraka amin'ny fanaom-piarahamonina izy ireo ka miezaka mamaritra indray ny fomba ifandrindrana.

Miresaka amin'ny anaran'ny LGBT ao Bangladesh izay saiky tsy mba hita maso eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonina midadasika kokoa ity lahatsary notontosain'i Tanvir Alim sy  Arifur Rahman ity. Mitantara ireo manjò, ny fihetsehampo, ny fitokisana ary ny fahanginana tsy satrin'ireo pelaka ity resadresaka ity.

Raha tazana faramparany tao anatin'ireo andian-dahatsary i Shawn Ahmed, bilaogera Kanadiana Bangladesy, dia nahazo fanakianana avy amin'ny fianakaviana araka ny voarakitra ato. Nolazain'i Tonmoy Hasan ny fatahorany amin'ny maha-pelaka azy eo anivon'ny fiarahamonina anjakan'ny fandalàna ny nentin-drazana:

বাংলাদেশের বয়স্ক সমকামীদের জীবন দেখে আমার করুণা হয়। তারা বিয়ে করেছে, তাদের বাচ্চাকাচ্চাও আছে। তারা তাদের অফিসের কিংবা বাসার অবসরটুকু কাজে লাগায় পার্টনার হান্টে। কেউ যদি ইন্টারেস্টেড হয় তাহলে তারা কোন হোটেলে এক ঘণ্টার জন্য রুম ভাড়া করে, সেক্স করে, তারপর যে যার পথে চলে যায়। তাদের অসহায়ত্ব দেখে আমি সিদ্ধান্ত নিয়েছি যদি আমার পুরো জীবনও একা থাকতে হয় তবে তাই সই। কিন্তু এভাবে প্রহসনের মাধ্যমে আমি কিছু মানুষের জীবন ধ্বংস করবো না।

Mampalahelo ahy ny fiarahamonina pelaka ao Bangladesh. Ny sasany manambady, ary manan-janaka. Mandany ny fotoam-pialam-boliny amin'ny fitadiavana sakaiza ara-pananahana ry zareo. Raha misy olona liana sy manaiky azy ireo, dia manofa trano mandritra ny adiny iray izy ireo mba hanao firasaina ara-nofo ary avy eo misaraka samy manohy ny fiainany avy. Mahita izany rehetra izany aho dia nanapa-kevitra ny hiaina samirery mandritra ny androm-piainako (tsy mila manambady) ka aleo ho amin'izay. Tsy te-hanimba ny fiainan'olona sasany aho.

Rainer Ebert namoaka tranga nohadihadiana vitsivitsy ka nanoratra momba ny mpanao gazety tanora iray:

Ireo lehilahy no tena manintona ara-pîtiavana an'i Shakhawat araka ny nahatsiarovany saina. Monina lavitry ny fianakaviany hatramin'izy mbola kely, nahazo fanohanana avy amin'ny sehatry ny pelaka tao Dhaka izy. Nanjary mpikambana teo amin'ny Tovolan'i Bangladeshi izy [Boys of Bangladesh (BoB)], sehatra ho an'ny lehilahy mifankatia amin'ny lehilahy (pelaka), ary nianatra zavatra betsaka momba ny toe-tsaina (psykôlôjia) sy ny politikan'ny fironana ara-pananahana. Nisakaiza taminà lehilahy tao anatin'ny fiarahana matotra nandritra ny efa-taona i Shakhawat. Te-hijanona ao Bangladesh hanao fanairana amin'ny firesahana momba ny LGBT.

 

Fitiavana izao. Sary avy amin'ny MOKOtheCRazy. CC BY-NC-ND

Ny aterineto no tena loharanom-panohanana sy sosokevitra sarobidy, ary mitàna andraikitra lehibe mikasika ny fahapelahana “homosexualité” ao Bangladesh. Tatitra vao haingana [bn] no manazava ny ataon'ny lehilahy sy vehivavy mitovy fananahana aminy mifandray ao amin'ny vondro-piarahamonina an-tserasera isan-karazany hifanaovana fotoana sy hitadiavan-tsipa. Boys Of Bangladesh, iray amin'ireo fiarahamonina pelaka mpitari-dalana ao amin'ny aterineto ao Bangladesh no mamariparitra ny fomba fivoaran'ireo fiarahamonina antserasera amin'ny alalan'ny sehatry ny karajia [IRC chatrooms], vondrona mailaka, forum ka mankany amin'ny pejy facebook. Misy ihany koa ny bilaogy amin'ny teny Anglisy sy Bengali mampiroborobo ny vaovao sy ny fomba fijery ny zon'ireo LGBT.

Bilaogera Avijit Roy namoaka boky amin'ny teny Bengali mitondra ny lohateny hoe “Homosexuality, A Scientific and Socio-psychological Investigation” [Fahapelahana, Fanadihadiana ara-tsiantifika sy ara-piarahamonina ary ara-tsoetsaina] fa maro tamin'ireo toko ao amin'ny boky no efa nivoaka tamin'ny aterineto tamin'ny alalan'ireo bilaogy isan-karazany. Ity no boky voalohany tamin'ny teny Bengali mba hijerena manokana ireo LGBT sy ny zo maha olombelona azy ireo. Mikendry ny hamafa ny fitsarana an-tendrony sy ny fanilikilihana ny fiarahamonina LGBT ao Bangladesh ny boky amin'ny fanazavana momba ny atao hoe fahapelahana ary ny hiresahana momba ity lohahevitra ity avy amin'ny fomba fijiery ara-pandalàna ny zonolombelona.

Maniry kosa ny hanekena ny pelaka eo anatrehan'ny lalàna sy ny fiaraha-monina i Sabuzpatra. Mihevitra ity bilaogera ity fa hanampy amin'ny fampihenana ny fitomboan'ny mponina efa be loatra ao Bangladesh izany. Nahazo vahana haingana ny hetsika momba ny zon'ny LGBT ary nihamafy hatrany ny feo hanesorana azy tsy ho heloka.

Na dia izany aza, misy ny bilaogera tahaka an'i Darashiko [bn] manohitra ny “homosexualité” ary mihevitra izy fa tokony hovelomina hatrany ny lafy ratsiny sy izay mahatonga azy ity ho fankahala.

Bilaogera Opobak nanontany tena hoe [bn]:

সমকামী মানুষকে যদি আইনী অধিকার প্রদান করা হয় বাংলাদেশে তবে বাংলাদেশের সমাজে কতজন স্বাধীন ভাবে ঘোষণা করবে তারা সমকামী এবং এমন একজন কি পাওয়া যাবে যে এই অধিকার অক্ষুন্ন রাখবার জন্য আদালতে উপস্থিত হবে?

Na misy aza ny fankatoavan'ny lalàna ny “homosexualite” dia manontany tena aho hoe ho firy ny isan'ireo ao Bangladesh sahy hanambara malalaka ny fironan'izy ireo ary hisy olona sahy hiady ho amin'ny zon'izy ireo ve eo anivon'ny fitsarana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.