Manatevina Ny Laharan'ny Mpitantana Ny Global Voices i Sue Gardner Avy Amin'ny Wikimedia

Faly dia faly ny Global Voices manambara fa niditra ho mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Sue Gardner, Tale mpanatanteraky ny Fikambanana Wikimedia .

Sue Gardner, Tale mpanatanteraky ny Wikimedia. Sary an'i Lane Hartwell, nozaraina teo ambany Fahazoan-dàlana GNU Free Documentation.

Manome fangarom-pahalalana sy traikefa tsy misy toa azy ho an'ny Global Voices i Sue, izay tena tombontsoa manokana ho an'ny fikambanana. Mpanao gazety teo aloha, izay manana traikefa mihoatra ny am-polo taona eo amin'ny fitaterana sy famokarana haino aman-jery, efa nampiodina sehatra fampahalalam-baovao maro i Sue , ary ankehitriny dia miasa hanohana ny fianakaviamben'ny mpirotsaka an-sitrapo midadasika indrindra ao anaty aterineto.

Ato amin'ny Global Voices isika dia miasa ao anatin'ny fihaon-dàlan'ny fianakaviamben'ny mediam-bahoaka, ny famokaram-baovao, ary ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Singa iray goavana tokoa ny fahaizan'i Sue sy ny traikefany eo amin'ny fitomboantsika sy ny fahamatorantsika amin'ny maha-fianakaviambe antsika ary amin'ny maha-fikambanana antsika. Hanampy antsika izy hitety ireo fanontaniana tahaka ny fitomboan'ireo vondrom-piarahamanonina misy an'ireo mpikambana ao amin'ny GV eran-tany, ny fomba tokony hivoarantsika ara-drafitra, ny fandaminana ao anaty aterineto, ny fizarana ireo ezaka fanangonana fanampiana ara-bola.

“Asa goavana no ataon'ny Global Voices, ary tena tsy andriko ny hizara traikefa sy fahaizana amin'ny vahoaka mifandray ao.” hoy i Sue. “Betsaka ny soatavina iraisana tazonin'ny Fikambanana Wikimedia sy ny Global Voices, ary ho ahy dia ny filatsahana ifampizaràntsika ho amin'ny fahalalahana miteny no zavatra manan-danja indrindra. Mila feo mahery izao tontolo izao hisolo vava ny zon'ireo mpampiasa aterineto haneho ny heviny sy hanana fahafahana hahazo fampahalalana lavitry ny olana manakatsakana .”

Mihaona in'efatra isan-taona ireo filankevitra sivy ao amin'ny Global Voices, ary singa iray mavitrika, milofo sy manana ny toerany tokoa eo amin'ny fianakaviamben'ny GV hatramin'ny fiantombohany. Ireo mpikambana ao amin'ny filankevitsika dia ahitàna ireo mpanangana roa, ireo mpisolotena ny vondrom-piarahamonina telo, ary mpikambana efatra avy any ivelany.

Tonga Soa, Sue!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.