- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Ginea-Bisao, Paortiogaly, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Lasa aiza i Milocas Pereira? [1] fanontaniana manako manerana ny tontolon'ny bilaogy nandritra ny roa herinandro, nefa ny valiny toa milona be vao nivoaka. Enim-bolana lasa izay, nipongatra teo amin'ny tambajotra sosilay ny hetsika manapotsitra ny fitondram-panjakana Gineana mba hanao fanadihadiana mikasika ny fanjavonan'ilay mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola, izay nonina tao hatramin'ny 2004. Efa nahangona mpikambana 5,775 isa sahady ny vondrona “SOS, STOP! – Queremos a Jornalista Milocas de volta [2]” (Ilainay Miverina ny Mpanao Gazety  Milocas) eo amin'ny Facebook [pt].

Nanao fanangonan-tsonia [3] ihany koa vao haingana i [4] Celina Spencer, Filohan'ny Fikambanan'ny Fiarahamonin'ireo  Mpifindra Monina avy any Ginea Bisao ao Etazonia, natolotra ny Kaomisiona  Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona, mba hiezaka sy hanampy amin'ny fitadiavana ny toerana misy ilay mpanao gazety.

Nanolotra tafatafa mivantana izy, nandalina ny tranga sasany tamin'ny krizy izay mitranga any Ginea Bisao amin'izao fotoana izao ihany koa. Indrindra fa ny andraikitry ny governemanta Gineana sy ny fisian'ny miaramila Angole “Missang” izay nampisaina ho an'i Ginea Bisao ho amin'ny fanovàna ny rafitra miaramila [izay notaterin’ [5] ny Global Voices mikasika ny fanonganam-panjakana tamin'ny Aprily 2012]. Tsy fantatra mihitsy na hoe misy ifandraisany amin'ilay dinidinika mivantana izao fanjavonany izao na tsia. Ny azo inoana aloha na izany aza dia hoe notafihan'ny vahiny izy. Taorian'izay, rehefa nahatsapa ho voarahona lava tany Luanda, dia nibitsika sy nanakim-po tamin'ny namany izy nilazany hoe te hiverina any amin'ny tanindrazany izy.

Tao amina tafatafa mivantana niarahana tamin'ny fahitalavitra Angole, tamin'ny voalohandohan'ny volana Janoary, dia niresadresaka mikasika ny trangan-javatra miseho any Ginea Bisao ilay profesora, taorian'ny fahafatesan'ny Filoha Malam Bacai Sanhá [6]. Taorian'izay, nilaza i Milocas Pereira fa nanomboka nahazo tsindry hazo lena mavesatra izy [7] [pt].

Tamin'ny 3 Novambra farany teo, nilaza ny Sindicato dos Jornalistas Angolanos [7] (Fikambanan'ny Mpanao gazety Angole) [pt] fa “norahonana” tany Luanda ilay mpanao gazety Gineana:

Milocas Pereira foi agredida no início do mês de Maio por desconhecidos antes de ter comunicado a algumas pessoas com quem falou a sua intenção de deixar Angola, na sequência desta agressão, que foi apontada pela própria como sendo a causa mais próxima da sua decisão.

Notafihan'olon-tsy fantatra i Milocas Pereira tamin'ny voalohandohan'ny volana May, talohan'ny nitenenany ny tiany atao hoe hiala any Angola tamin'ny olona sasany izay niresahany. Nolazainy fa ireto fanafihana azy ireto no antony nahatonga azy handray fanapahan-keevitra.

Raha ny hevitri'i “Sol Mansi” Radio [8] [pt], dia tsy manana ahiahy mihitsy ilay mpanao gazety hoe  nisy fototra ara-politika goavana ilay fanafihana:

Ela estava a correr risco de vida, pelo que a única solução que tinha era abandonar imediatamente Angola, para regressar ao seu país. Aconselhada pela sua amiga a denunciar publicamente a agressão, MP disse que preferia não o fazer. Aconselhada ainda a ir para Portugal, MP disse que não confiava nos portugueses e que se sentia melhor na Guiné-Bissau com os responsáveis de transição.

Tena nisy risika ny hamoizany ny ainy mihitsy, ary ny vahaolana tokana hitany dia ny miala haingana tao Angola, ary miverina any amin'ny tany niaviny. Notoroin'ny namany hevitra izy ny hilaza ilay fanafihana am-pahibemaso, ary nilaza i MP fa aleony tsy manao izany. Taty aoriana izy notoroina hevitra ny handeha ho any Portiogaly,   nilaza i MP fa tsy azony antoka ny Portioge ary tiany kokoa ny handeha ho any Ginea Bisao miaraka amin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny tetezamita.

Tamin'ny faran'ny Oktobra, tamina fanambarana tao amin'io trano fampielezam-peo io ihany, dia izay vao nanamafy voalohany ny vaovao [9] [pt] ny Sekreteram-panjakana misahana ny Serasera any Ginea Bisao, Idelfrides Gomes Fernandes, fa mety tsy hita marina ilay mpanao gazety. Efa-bolana taty aoriana ny fanjavonany tsy hay hoe ahoana vao nampandre ny manam-pahefana ny fianakaviana, nefa ny mba hany valinteny azon'izy ireo dia ny fahanginana [3].

In its November 2nd edition, the Novo Jornal (New Newspaper) (Angola) dedicated an entire page to the disappearance of the journalist.

Tamin'ny andiany faha-2 tamin'ny 2 Novambra, nanokanan'ny Novo Jornal (Gazety Vaovao) (Angola) pejy iray manontolo ny fanjavoanan'ilay mpanao gazety.

Roa volana lasa izay, nanoratra i Bartolomeu Capita avy amin'ny National Movement of Cabinda teo amin'ny tranonkalan’ ny fikambanan'ny Tambajotran'ny fandriampahalemana sy ny Fampiroboroboana ifanomezan-tànana [10] fa mety nisy naniraka hamono an’ i Milocas Pereira tany Angola:

Tsy nisy nahita an'i Rtoa Pereira na koa mba naheno vaovao mikasika azy efa ho iray volana izao. Nefa izy nampianatra tao amina anjerimanontolo tsy miankina any Angola. Nipongatra ny ahiahy izay tokony hatrehana. Mihamaro ny namana manam-pahaizana no milaza an-kiafina fa mety nisy namono izy, noho izy nitady ny hanadihady mikasika zavatra mifandray amin'ny rohy tsy mazava eo amin'ny fitondrana mpamono olona any Angola sy Ginea Bisao.

Nampahafantarina ny vahoaka ny Vaovao mikasika ny fanjavonan'ilay [11][pt] mpanao gazety 58 taona tamin'ny fotoana nanombohan'ny fianakaviana – izay niezaka ny tsy nanasarotra ny fikarohan'ny polisy – very fanantenana hoe mbola velona i Milocas. Nanambara toy izao i Carlos Pereira, anadahin'ilay profesora,  izay mipetraka any Lisbon, tamin'ny Voice of America [12] [pt]:

O que nos chega [de Luanda] é isso, está desaparecida desde finais de Julho. Suspeitamos de muita coisa. Que ela tivesse dado com muita coisa e tivesse necessidade de fugir, de esconder ou que tenha havido alguma retaliação.

Toy izao ny zavatra mahazo anay [avy any Luanda], efa tsy hita izy nanomboka ny faran'ny volana Jolay. Maro ny zavatra nahiahianay. Mety maro ny zavatra nodiaviny ka tena nilainy ny nitsoaka, niafina ary mety niharanà valifaty izy.

Eo amin'ny bilaogy Rispito [13] [pt], amaivanin'ilay Gineana Samba Bari hoe mety ho fanamby iray hafa hoan'ny mpitondra tetezamita fotsiny ilay fanjavonana sady mety hanitatra ny fivakisana eo amin'ny governemanta Gineana izay tsy eken'i Luanda sy ny governemanta Angole ity tranga ity.