Mizaky Mafy Ny Vokatry Ny Ady Ny Ankizy Syriana

Nandritra ny 10 taona, tombanana ho 10 tapitrisa eo ireo ankizy namoy ny ainy vokatry ny ady, araka ny tatitra avy amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Zon'ny Ankizy “Children's Rights Portal”. Mamatreka ho sokajy manokana tahaka ny ankizy lasibatra tahaka ny anasokajiany ny olo-tsotra lasibatra, miaramila, mpitsoa-ponenana, kamboty, maratra na sembana, zaza nogadraina na nohararaotina (fanararaotana ara-nofo na asa an-terivozina mihitsy) ireo ankizy lasibatry ny ady ity habaka ity. Na dia eo aza ny zava-misy fa iantohana sy arovan'ny Fanambaran'i Vienna sy Fandaharan'asa (VDPA), sy ny Fifaneken'ny Firenena Mikambana Momba ny Zon'ny Ankizy, izay nosoniavina tamin'ny 20 Novambra 1989 ny zon'ny ankizy, dia mbola mijaly hatrany ireo ankizy manerantany.

Fifaneken'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona, andalana faha-19: Tokony “handray ireo fepetra araka ny lalàna, ara-panjakana, ara-tsosialy sy ara-panabeazana araka ny tokony izy ny firenena mpikambana rehetra mba hiarovana ny ankizy amin'ireo karazana herisetra ara-batana na ara-tsaina”

Adino ireo lasibatra

Anjely kely milevina ao anaty fasana ao Syria. Sary: @NMSyria tao amin'ny Twitter.

Nanomboka tamin'ny volana Martsa 2011, raha nipoaka ny revolisiona Syriana manohitra ny fitondran'i Bashar Al Assad, anisan'ireo voalohany lasibatry ny herisetra, fampijaliana, sy ny famonoana ny ankizy ao Syria. Araka ny tatitra avy amin'ny HRW tamin'ny volana Jiona 2011: “Mbola tsy nahita Zava-mahatsiravina tahaka izao Izahay”:

Nanomboka tao Daraa ny fihetsiketsehana voalohany ho setrin'ny fitànana sy ny fampijaliana ireo ankizy 15 voampanga ho nandoko teny filamatra graffiti miantso ny fanonganana ny governemanta. Nanomboka teo, imbetsaka nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana marobe milamina ny mpitandro ny filaminana. Olona 418 tao amin'ny governoràn'i Darra fotsiny farafahakeliny no matin'ireo mpitandro ny filaminana, ary olona maherin'ny 887 kosa manerana an'i Syria, araka ny filazan'ireo mpikatroka ao an-toerana izay manana ny lisitr'ireo olona namoy ny ainy. Sarotra ny manamarina ny tarehimarika tena izy.

Nanomboka tamin'izany, tombanana ho 4.355 ireo ankizy Syriana namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) araka ny tatitra vao haingana navoakan'ny Angon'ny Revolisiona Syriana. Fanampin'izany, an-jatony mahery ireo naratra, notànana ary tsy navela hahita ny fianakaviany, na tsy nahazo fitsaboana sy fanampiana maha-olona. Mpanara-maso ny Zon'Olombelona, ohatra, nizara porofo, izay mampiseho fa nampiasain'ireo tafika an-habakabaky ny fitondrana tamin'ireo ankizy namoy ny ainy ny baomba miparitaka am-pitontonana.

Anjely… ireo anjerly nandao antsika … novidian'ny Syriana lafo ny vokatry ny ady tsy misy fotony…Sary: NINO Fezza cinereporter tao amin'ny Facebook

Tamin'ny 18 Janoary, Tale Rejionalin'ny UNICEF ao Afovoany Atsinanana sy Avaratry Afrika, Maria Calivis nanambara hoe:

“Andiana tatitra tao Syria tamin'ity herinandro ity nanipika ny mangidy indrindra nozakain'ireo ankizy nandritra ny ady ela maharomotra ao amin'ny firenena.

Nandritra izany, tsy raharahiana ireo ankizy Syriana lasibatra nandritra ny ady naharitra 22 volana. Tsy mitsaha-mitombo isan'andro ny isan'ireo ankizy mamoy ny ainy; ary tsy manan-tsafidy ireo mpikatroka Syriana fa dia mamoaka hatrany ireo vaovao ratsy ao amin'ny media sosialy.

Ity andiana fihetseham-po avy amin'ireo mpiserasera Syriana tao amin'ny Twitter:

15 Jan 2013: @rallaf: Ankizy 21 farafahakeliny sy olon-dehibe 130 no novonoin'ny fitondran'i Assad tao #Syria omaly, tifitra an-habakabaka eny amin'ny trano sy mpivaro-mofo ny ankamaroany.

13 Jan 2013: @RevolutionSyria: Famonoana olom-pirenena tsy manam-piarovana maherin'ny 52.000, ka anisan'izany ny ankizy 4.000, izay tsy ady an-trano fa heloka bevava goavana indrindra atao amin'ny olombelona. #Syria

12 Des 2012: @RanaKabbani54 Ankizy 27 + renim-pianakaviana 13 no novonoina ho faty tamin'ny vono moka nataon'i #Assad androany, 120 hatramin'izao no namoy ny ainy tahaka ny fanomezana Krismasy ho an'ny vahoakantsika. #Syria #AssadCrimes

12 Des 2012: @farGar: TSY tafiditra ny androany, ankizy Syriana maherin'ny 103 no namoy ny ainy nanomboka tamin'ny sasak'alin'ny noely #Childvictims

Am-polony ireo ankizy novonoina tao Syria

Tamin'ny 25 Mey 2011, rehefa avy notànana iray volana, nandre vaovao mampihoro-koditra momba ny fampijaliana sy famonoana an'i Hamza Ali AlKhateeb, tovolahy Syriana 13 taona izay voalaza fa namoy ny ainy nandritra ny fitànana azy nataon'ny governemanta Syriana tao Darra izao tontolo izao.

Nahitana ratra maro samihafa, anisan'izany ny taolana tapaka, diam-bala, vatana may, ary taovam -pananahana notapahana ny nofo mangatsiakany

Herintaona taorian'ny tantara martioran'i Hamza, nitranga indray ny vono olona tao Al-Houla. Tamin'ny 25 Mey 2012, niampanga ireo tafika mahatoky an'i Bashar al-Assad ny mpikatroka noho ny famonoany Syriana 108, ka lehilahy ny 25 tamin'izany, vehivavy 34 ary ankizy 49 latsaky ny 10 taona (avy amin'ny mpanara-mason'ny Firenena Mikambana) tao an-tanànan'i Al-Houla ao Homs. Ity lahatsary manaraka ity [TAndremo: mampihoro-koditra ny sary, sarin'ankizy namoy ny ainy] ahitana ny tohin'ny vono olona izay mampiseho ny nofo mangatsiakan'ireo ankizy, sy singam-batan'olona mihoso-drà

Mizaka mafy ny vokatry ny ady eo amin'ny lehibe ny ankizy Syriana. Sahiran-tsaina ireo ankizy Syriana mpitsoa-ponenena, satria tsy noeritreretiny mihitsy ny hiaina izao toe-javatra izao. Fikambanana Syriana mpiaro ny zon'olombelona nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny tamin'ny 28 Desambra 2012:

Ankizy Syriana teo amin'ny 4.000 teo no namoy ny ainy hatramin'izao nandritra ny gidragidran'i Assad ao Syria, am-polo an'arivony kosa ireo lasa kilemaina sy noratraina, niharan'ny ratram-po aman-tsiana ary nihorohoro avokoa ny rehetra… Fanontanina ho an'ny mpitondra manerantany: Ankizy vonoina ho faty firy no hiseho vao hametraka ny ‘faritra mena'? manoloana ny vono olona ataon'ny fitondrana izay mahita ireo ankizy ho kinendry ara-dalàna.

Maro ireo fisantaran'andraikitra azo atao hanampiana ny ankizy ao Syria. Ohatra, afaka manolotra fanomezana ny olona mba Hamonjena ireo Ankizy ka hividianana akanjo mafana, kiraro, ary bodofotsy ho azy ireo. Efa azo atao ny manolotra fanampiana manokana ho an'ny ankizy amin'izao ririnina izao.

Antenaina fa afaka manova zavatra isika hoy i Leila tao amin'ny Twitter:

@leila_na: Manantena fa rehefa hanokatra ny solosainako aho dia tsy hahita sarin'ireo ankizy mahafatifaty voavono intsony. #ThisIsSyria

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.