“Atsaharo Ny Famotehana Ny Tantaran'i Hong Kong”

Tamin'ny fotoana nahalany sy nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny tanànan'i Hong Kong vaovao CY Leung, antontan-taratasy amina miliara noraketin'ny governemanta no nopotehina. Raha ny marina, raha alahatrao avokoa ireo raki-taratasy nopotehina ireo dia ho 40 avo heny noho ny haavon'ny fanorenana avo indrindra manerantany dia ny Burj Khalifa ao Dubai ( izay mirefy 829,8 metatra)

Raha vahavahana, araka ny tatitra nataon'ny gazety iray tao an-toerana [zh], manana haavo 9738,63 metatra raha alahatra avokoa ireo raki-taratasy nopotehina nanomboka marsa ka hatramin'ny jona 2012 – fotoana indrindra nahalany an'i CY Leung mialoha ny handraisany amin'ny fomba ofisialy ny fitantanana. Nolazain'io tatitra io ihany fa mety hanana haavo 23.189 metatra indray raha alahatra ireo raki-taratasy nopotehina hatramin'ny nametrahana azy teo amin'ny fitantanana – hatramin'ny voalohany Jolay 1 ka hatramin'ny faran'ny taona 2012.

Zendana tanteraka tamin'ny tarehimarika navoaka ny tale teo aloha misahana ny Raki-taratasin'ny governemanta Simon Chu satria tsy ho vita velively ny hamadibadika izany raki-taratasy izany ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy.

Nisy fotoana nanarahi-maso akaiky nandritra ny fotoana vitsivitsy ny kaody fahazoana vaovao sy ny rafi-pitantanana ny fandraketan'ny governemantan'i Hong Kong. Noho ny fitarainana maro voarain'ny Mediatora (mpanelanelana eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka) Alan Lai Nin aza dia nanao famotorana izy ary niantso ny hametrahana mason-tsivana [~lasitra] maoderina ho amin'ny fitantanana tsara tantana sy misokatra.

Afisim-panentanana ho fisokafan'ny governemanta avy amin'ny mpisera flickr : opensourceway. CC: SA.

Nanararaotra nanokatra fanentanana [zh], mitaky ny hametrahana lalàna ampiharina avy hatrany hiarovana ny arsivan'ny governemanta sy ahafahan'ny olo-tsotra maka fampafantarana [vaovao] ny ONG Hong Kong In-Media, mpampiroborobo ny fivelaran'ny median'olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny fandefasana sy fahazoam-baovao. Toy izao ny voalazan'ny taratasy fanentanana:

政府的透明度及公民獲取政府資訊的權利,早已成為國際社會落實民主參與、防止貪污、讓公民了解決策、保障公民權利、實踐新聞及資訊自由的重要手段。

Lasa mason-tsivana ekena ho amin'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena handrisihana ny olom-pirenena handray anjara, hiady amin'ny kolikoly, hananganana tontolom-pahalalahan'ny gazety sy ny fivezivezen'ny vaovao ny zom-bahoaka haka vaovao ao amin'ny governemanta. […]

香港至今仍沒有實行民主政制,公民沒有普選行政長官的權利,加上本身「畸型」的立法會分組點票機制,公眾難以向政府問責。政府內部決策文件及會議紀錄,是公眾監察官員的最後防線,也是政府政策取信於民的方法。

Tsy mbola manana rafitra politika demokratika i Hong Kong hatramin'izao. Tsy manan-jò hifidy ny Lehiben'ny Mpanatanteraka (Ben'ny Tanàna) ny olom-pirenena. Ankoatra izany, miteraka fahaverezan'ny trosan'andraikitry ny governemanta manoloana ny olony ny rafi-pifidianana manjavozavo mifototra amin'ny fampisarahana ny “solontenan'ireo mpandrafitra ny asa” sy ny “solontena voafidy mivantana”. Ny antonta-taratasy mandritra ny adi-hevitra politika sy ny tatitry ny fivoriana [PV] avy amin'ny manampahefana ihany no fototry ny fanaraha-mason'ny vahoaka ary eo ihany ny fomba tokana ahazoan'ny governemanta fitokisana. […]

由於目前的《公開資料守則》不具法律效力,政府部門經常以「沒有相關資料提供」回覆市民及記者的查詢 […] 更荒謬的是,一些官員更公然刪改會議紀錄,(如唐英年曾要求刪改維港巨星匯的會議記錄),公然掩埋真相。一次又一次的政府醜聞告訴我們,香港需要明確的法例,確保妥善保存檔案,保持官方機構的透明度,讓公眾與媒體監察政府運作,使官員能受公眾問責。

Rehefa tsy voatery ny fampiharana ny kaodim-panokafana ny vaovao, dia tia miala tsiny ho tsy manana ny antonta-kevitra ilaina hamaliana ny olom-pirenena sy ny mpanao gazetim-panadihadiana ireo sampan-draharaham-panjakana. […] Ny tena fahadalàna aza dia misy ireo manampahefana sasany no miezaka ny mamafa na manova ny tatitry ny fivorian'ny governemanta. Ohatra amin'izany ny Sekreteran'ny Tetibola teo aloha Henry Tang nangataka ny hamafana ny tatitra momba ny Fetiben-tseranana mba hanafenana ny marina. Ireny zavatra ataon'ny governemanta mahatafintohina rehetra ireny no manambara amintsika fa mila lalàna mifandraika amin'ny raki-tahiry sy ny fangaraharan'ny fitantanana i Hong Kong mba ahafahan'ny fampahalalam-baovao sy ny olona amin'ny ankapobeny manara-maso ny governemanta, entina iantohana fa manana adidy hitatitra amin'ny vahoaka ny manam-pahefana.

Nahazo akony betsaka tao amin'ny pejy fanangona-tsonia [zh] tao amin'ny change.org ny taratasy misokatra.

Diso fanantenana tamin'ny fanaovana ho ambany dia ambany vidy ny raki-tahirin'ny governemanta i Filan Chua:

Now 55 times on top of 3 times of iFC Tower2 has been destroyed without proper selection by archivist. No point having access if no records left. These belong to the people for history and good governance.

Ankehitriny in-55 avo heny amin'ny in-telo amin'ny haavon'i iFC Tower2 no efa potika tsy nisy fifantenana avy amin'ny arsivista. Tsy afa-miditra hahalala raha tsy misy intsony ny raki-tahiry. Fananam-bahoaka ho amin'ny tantara sy ny fahaiza-mitantana ireo.

Manana izany fahatsapana izany ihany koa i Stacy Belcher Gould, arsivista matihanina:

am a professional archivist with over 20 years of experience in the field of public history and archives. I care passionately about my profession – However, my real concern is as a Hong Kong resident soon to become a permanent resident. I love our city/state and I want the best for it as our community. I don't want to have a government that is not accountable and transparent for all citizens and residents of our beautiful city/state. I also grieve over our history, which we are losing every time the government destroys records without the review and authorization of professional archivists with statutory authority. In 50 or 100 years when historians, social and political scientists, public health scholars and scientists, geneaologists, and scholars of all sorts come to study Hong Kong in the early decades of the HKSAR, there will be huge gaps of knowledge because those records were either not created and saved, or they were destroyed through ignorance of their long term value. Once they are gone – we cannot get them back.

Arsivista matihanina zatra ny raharaha nihoatra ny 20 taona eo amin'ny sehatry ny tantaram-panjakana [-mbahoaka] sy ny arsiva aho. Mitandrina mafy amin'ny raharahako aho – saingy ny tena mampanahy ahy dia mitovy amin'ny an'ny mponin'ny Hong KOng ka haha-mponina maharitra ahy. Tiako ny tananantsika ary tiako hanana ny tsara indrindra ny fiaraha-monintsika. Tsy tiako ny hanana governemanta tsy tompon'andraikitra sy tsy mangarahara ho an'ny olom-pirenena sy ny mponin'ity firenena/tanànantsika ity. Mahahelo ny amin'ny tantarantsika koa aho, izay mihavery hatrany isaky ny mamotika ny raki-tahiry tsy misy topi-maso sy alalana avy amin'ny arsivista matihanina. Ao anatin'ny 50 na 100 taona rehefa hianatra momba an'i Hong Kong sy ny taompolo voalohan'ny HKSAR ny mpianatra tantara, fiaraha-monina sy politika, ny mpampianatra sy mpikaroka fahasalamam-bahoaka, mpijery tetiharana, na ny mpampianatra avy amin'ny taranja rehetra, dia hisy banga lehibe eo amin'ny fahalalàna satria na tsy nisy na tsy notehirizina ireo raki-tahiry ireo, na nopotehina noho ny tsy fahalalàna ny lanjan'ireny raki-tahiry ireny rahatrizay any aoriana any. Rehefa lasa ireny dia tsy afa-mamerina azy intsony isika.

 

Mino i Lorraine Lui fa afa-manadio ny governemanta ireo raki-tahiry ireo:

Sunlight is the best disinfectant. Let the sunlight in!

Ny hazavan'ny masoandro no mpamono bibikely mahomby indrindra. Avelao hiditra ny hazavan'ny masoandro!

Manampy i Hoi Lung Lau:

A place without history is always a colony

Mbola zanatany hatrany izany toerana tsy manana tantara izany

[Filazana: Oiwan Lam dia mpikambana ao amin'ny Hong Kong In-Media ary nanasonia ihany koa ilay taratasy misokatra.]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.