Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?

Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Ny famerenan'ny Fitsarana Tampony nandinika manontolo ny dingam-pitsarana mikasika ny raharahany dia nampiseho fisalasalàna sahaza momba ny fandraisany anjara tamin'ny heloka niampangàna azy sy nanaporofoana fa tafalatsaka teo anelanelan'ny raharaha iray i Florence, izay etsy andaniny, ny departemantan'ny polisy nila nàka ny fon'ny olona, ireo filoha roa teo aloha sy ny tombontsoany mifanohitra: Calderon (Meksika) sy Sarkozi (Frantsa), ary ny vahoaka mikatsaka ny rariny.

Tamin'ny taona lasa ny mpanoratra avy ao amin'ny blog de La_Morsa [es] dia namoaka hoe :

Parte de la dificultad empieza con el montaje que hiciese García Luna, el Secretario de Seguridad Pública del actual gobierno federal, que armó una especie de operativo en donde la banda de secuestradores era sorprendida en una casa de seguridad, logrando rescatar a todas las víctimas sanas y salvas. El asunto es que había periodistas y cámaras presentes y todo fue una farsa. Ya los habían agarrado y no se les ocurrió mejor idea que montar toda esta escenografía para demostrar a los medios la eficiencia de la policía.

Florence Cassez. Sary nozaraina betsaka tamin'ireo sehatra firesahana tany anaty Aterineto.

Ny ampahany amin'ny saritaka dia niainga avy amin'ny fisamborana namboamboarin'i Garcia Luna, sekreteram-panjakana ankehitriny misahana ny Fandriampahalemana, izay nampisehoany karazana hetsika iray misy andianà mpaka an-keriny tratry ny tsy nampoizina tao anaty trano tsara ambina ary ireo nalaina an-keriny avotra soa aman-tsara. Ny zava-nisy dia nisy mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana ary dia hay moa ka namboamboarina daholo ny zavatra rehetra. Olona efa voasambotra ry zareo ary dia hevitra nitsiry tao amin'izy ireo ny hamorona karazan-tseho hanaporofoana ny fahaiza-manaon'ny polisy eo imason'ny media.

Mizarazara be ny fomba fijery eny anivon'ireo mpisera anaty aterineto, miainga avy amin'ireo izay tezitra tamin'ny famotsorana an'ilay vehivavy frantsay ka miampanga ny manampahefana ho mametraka ny zon'ilay voampanga ho eo ambonin'ny zon'ireo nalaina an-keriny; tonga any amin'ireo izay manohana ny fanapahan-kevitra noho ny tsy fetezan'ny dingana natao ka nitarika tany amin'ny fisalasalàna momba ny maha-meloka an'i Florence Cassez. Ilay raharaha, ambonin'ny zavatra rehetra, dia nampiseho tamin'izao tontolo izao ny maha-marefo ny rafi-pitsarana Meksikana ary ny fillalaovana ny media izay efa hatrizay no feno zava-maha-be resaka.

Ireo izay mankasitraka ilay famotsorana, ankoatra ireo lahatsoratra maro, dia mitanisa ny famoahana natan'ny gazetiboky Proceso tamin'ny 13 Martsa, 2012 izay amintinan-dry zareo antony 25 anafahana an'i Florence Cassez [es]. Ireto ny sasany amin'izy ireny :

Porque la escenificación de su arresto, ordenada por Genaro García Luna, violó la presunción de inocencia. Se le convirtió así en presunta culpable.

Porque en la primera declaración de las víctimas Christian Ramírez y Cristina Ríos Valladares no reconocieron a Florence Cassez físicamente ni su voz. Cristina Ríos agregó que los oficiales de la AFI [Agencia Federal de Investigación] le informaron que Florence Cassez había participado en el secuestro.

Porque se obtuvo la primera declaración de Florence Cassez sin que ella hubiera podido comunicarse con algún funcionario consular de su país violando así la Convención de Viena.

Satria ilay sarintsarim-pisamborana, nampanaovin'i Genaro Garcia Luna, nanitsakitsaka ny tsy fanameohana olona tsy mbola nandalo fitsarana. Dia nivadika ho nahiahiana ho meloka izy.

Satria tao anatin'ilay fanambaràna voalohany nataon'ireo nalaina an-keriny, tsy afaka nanamarina tamin'ny alalan'ny fampifanatrehana azy tamin'i Florence Cassez i Christian Ramirez sy Cristina Rios Vallladares, eny fa na ny feony aza. Nampian'i Cristina Rios fa nampahafantatra azy ny manamboninahitra avy amin'ny AFI [Masoivoho Federaly Misahana Fanadihadiana] fa hoe nandray anjara tamin'ny fakàna azy an-keriny i Florence Cassez.

Satria ny fanambaràna voalohany nataon'i Florence Cassez dia noraisina talohan'ny nahafahany nifandray tamin'ny manampahefana avy amin'ny masoivohon'ny fireneny, araka izany dia nanitsakitsaka ny Fifanarahan'i Vienne.

Nampamera-panontaniana ny maro mpampiasa aterineto ny fanavahana manokana natao an'i Cassez miohatra amin'ireo tranga hafa mampiahiahy ihany koa. Tahaka ny an'ilay fikambanana Iluminemos México [es] (Areheto i Meksika) (@iluminemos) [es]:

@iluminemos: Los actualmente presos en las cárceles mexicanas tuvieron debidos procesos? O se le dio trato preferencial a #Cassez?

@iluminemos: Nahazo fitsarana sahaza azy ve ireo any am-ponja Meksikana amin'izao fotoana? Sa nomena fikarakarana miangatra i  #Cassez ?

Epigmenio Ibarra (@epigmenioibarra) [es], mpanao gazety sady mpamokatra fandaharana, dia nanolo-kevitra ny hamerenana mandinika hoe an'iza ny heloka :

@epigmenioibarra: Si #Cassez es liberada entonces el productor de montajes televisivos Genaro Garcia Luna debe ir a la carcel. No creen?

@epigmenioibarra: Raha nafahana i #Cassez, dia tokony handeha hiditra any am-ponja i Genaro Garcia Luna, ilay mpikarakara seho amboamboarina ho an'ny fahitalavitra, sa ahoana hoy ianareo?

Etsy ankilany, ilay Meksikana mikatroka mafàna fo, Claudia (@ClauVillegasm) nilaza hoe :

@ClauVillegasm: En este país los perros matan,mutilan y violan y los secuestradores quedan libres. Y los liberan xq no respetaron sus derechos #casocassez

@ClauVillegasm: Ato amin'ity firenena ity, mamono ny alika, mandrotika sy manolana ary avela halalaka ny mpaka an-keriny. Ary dia afahana ry zareo satria tsy najaina ny zony. #casocassez [raharaha Cassez]

Mandritra izay, nanontany i Rodimiro Trollotzin (@Dios_Tollotzin) [es] mpampiasa Twitter hoe :

@Dios_Tollotzin: ¿si un mexican@ secuestra y mutila en Francia, lo dejarian libre por solo irregularidades en su proceso? #CasoCassez#cassez

@Dios_Tollotzin: Raha Meksikana iray (lahy na vavy) no maka an-keriny sy mandrotika any Frantsa, ho afahana ve izy satria fotsiny hoe nisy tsy nety ny fandehan'ny fitsaran-dry zareo? #CasoCassez #cassez

I Fernanda Familiar (@qtf) [es], mpanao gazety, dia niresaka mikasika ny fomba fijerin'ireo niharam-boina ilay fanapahan-kevitra:

@qtf: Liberar a #Cassez… Nadie habla de las víctimas, del trauma, de la huella que dejo en sus vidas, !Eso es criminal! Igual que ella.

@qtf: Nafahan-dry zareo i #Cassez… tsy misy olona miresaka momba ireo niharam-boina mihitsy, ny rarin-tsainy, ny holatra navelany mandrapahafatin-dry zareo. Heloka bevava izao! Tahaka azy.

Monica Garza (@monicagarzag) [es], tahaka ireo maro mpampiasa ny Twitter, dia tezitra koa:

@monicagarzag: A mi,imaginar a la secuestradora Florence Cassez comodamente sentada en un avión volando hacia Francia, me llena de indignación y vergüenza.

@monicagarzag: Ho ahy, mameno hatezerana sy henatra ahy ny fikàna sary an-tsaina an'ilay mpaka an-keriny Florence Cassez mipetraka mahazo aina tsara ao anaty fiaramanidina iray misdina ho any Frantsa

Ireo hafa, toa ilay mpanoratra an-gazety Julio Hernandez L. (@julioastillero) [es] dia niresaka momba ny fomba nanovàn'ny rafi-pitsarana ny toetsainy (toetsain'ilay rafitra) tamin'ny fotoana nandraisan'ny filoha vaovao ny toerany.

@julioastillero: En un país bananero, en semanas la Corte cambia diametralmente su postura en un caso (Cassez) conforme cambian gobernantes

@julioastillero: Anatinà repoblika iraya-tanin'akondro, herinandro iray monja no ilain'ny Fitsaràna hanovàny amin'ny fomba henjana ny toerana misy azy manoloana ny raharaha iray (Cassez) satria miova ny mpifehy.

Ary sasany sahy maminavina ny mety ho fifanarahana nisy teo amin'ny governemanta vaovaon'i Frantsa sy Meksika, toa an'i Diego Ayala (@elcincocuatro) [es]:

@elcincocuatro: #Cassez a todas luces era culpable, sale porque le montaron un show y porque EPN quiere quedar bien con Francia, vive le France

@elcincocuatro: Mivandravandra be ny maha-meloka an'i #Cassez, nafahana izy satria namboamboatra tantara tsangana ry zalahy ary satria ny EPN maniry ny ho tsara endrika manoloana an'i Frantsa, ho ela velona lafrantsa e

Namintina i Alberto Velarde (@alberto_velarde) manampahaizana manokana momba ny fifandraisana hoe:

@alberto_velarde: #OpinoEnLaJornada La resolución de la #SCJN no va sobre si #Cassez es culpable o no; va sobre la inmundicia de proceso que hizo la autoridad

@alberto_velarde: #OpinoEnLaJornada (Fanehoam-pijery ao amin'ny La Jornada) Ny fanapahana avy amin'ny  #SCJN (Fitsarana Ambony) dia tsy mikasika ny maha-meloka na tsia an'i #Cassez ; mikasika ny dingana maloto nataon'ny manampahefana io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.