26 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 26 Janoary 2013

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?

  26 Janoary 2013

Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra, izy rehetra ireny dia samy maneho ny naha-sarobahàna ilay raharaha.