- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toro-lalana Amin'ny Fananganana Pejy Facebook Misy Fiantraikany

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

Nalefa voalohany tao amin'ny habaka rahavavy Rising Voices [1] ity lahatsoratra ity.

Tsy asa mora ho an'ny fikambanana madinika sy ireo mpikatroka ny miara-mametraka paikady amin'ny pejy Facebook, ary mety hampisavoritaka ny fiseraserana ao anatin'ny pejy fanomezana endriky (configuration) ny Facebook. Navoaka voalohany tamin'ny teny Arabo, vao avy namoaka dikany amin'ny teny anglisy ao amin'ny boky kely toro-lalana Mamorona Pejy Facebook misy fiantraikany [2] ihany koa ny  Social Media Exchange [3] (SMEX). Namboraka ny fomba fampiasana pejy Facebook ho an'ireo mpikatroka, miompana amin'ny fitantanana ara-teknika sy ny fandrindrana izy ity.

Natokana amin'ny fisoloam-bava sy ny fikatrohana teo amin'ny fiarahamonina Arabo ny boky kely tany am-boalohany, ary ahitana ohatra marobe avy amin'ny tontolo Arabo – saingy efa sahaza ho an'ny rehetra ny fampiasana izany ankehitriny.

[4]

SMEX, toro-lalana amin'ny teny  anglisy momba ny Facebook

Natao ho an'ny olona manana fahaizana antonony momba ny aterineto ny boky kely… ka tsy mila hoe mpanao piraty ianao vao afa-mampiasa azy.

Miainga amin'ireo toro-lalana mazava momba ny fandrafeta-pejy, mitari-dalana ny mpamorona pejy ny boky kely ny amin'izay bokotra tokony tsindriana na manazava ny dikan'ireo karazana safidy fanomezan'endrika isan-karazany. Aorian'ny fanazavana mangarahara momba ny fanokafana  “pejy” mifampitaha amin'ny fanokafana “vondrona,” ny famokarana votoaty, ary ny famoahana dia mitohy miresaka momba ny fitantanana ara-teknika ahitana fanontaniana stratejika ny boky kely: hanaovana fanentanana ve ny pejy, sa hanangonana fanomezana, sa hanabeazana ireo mpanohana,  sa hanatsarana ny fifandraisana anatiny?

Miresaka ireto lohahevitra ireto ihany koa ny Manangana Pejy Facebook:

- Ahoana no hampiroboroboana sy hitantanana ny pejy
– Fanavaozana hatrany ny pejy sy fandaminana fotoana hamoahana votoaty
– Ahoana no fomba hifampifandraisana tsara amin'ireo media sosialy hafa
– Fiarovana

Ilaina izy ity tsy ho amin'ny fandrafetana ny pejy ihany, fa ho an'ny fikambanana efa mananany azy ihany koa : mandrava tsara ny “insight” (antontan'isa) ao amin'ny Facebook ireo sy ny fomba hampiasana azy ho amin'ny tombotsoanao.

Ity no fanavaozana farany indrindra natonta ahitana ireo fanovana vao haingana hita amin'ny Facebook. Azonao trohina ao amin'ny habaka SMEX ny dika teny anglisy [2], tahaka izany ihany koa ny lahatsoratra niaviany tamin'ny teny Arabo [5].

Ary azonao jerena matetika ihany koa ny pejy Facebook SMEX [6] ijerenao ny fanaovan-dry zareo azy.