Nitifitra Ranon-tsakay Tamin'ireo Mpampianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Bangladesh Ny Polisy

Vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Bangladesh, no nampiasa tifitra ranon-tsakay ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpampianatra sy mpiasa an-jatony avy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatifitr'izany. Nanao fihetsiketsetahana izy ireo ary nitaky mba hahazo fanampiana Fandoavam-bola Isam-bolana (MPO) avy amin'ny governemanta ny sekolin'izy ireo. Nitatitra ilay bilaogera Amrito Shudha fa mpampianatra iray antsoina hoe Sekandar Ali, no namoy ny ainy noho ny tifitra ranon-tsakay.

Taty aoriana, nampiasaina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin'ny ankavia izay nanohitra ny fiakaran'ny vidin-tsolika ihany koa ny fitifirana ranon-tsakay.

Niteraka adihevitra mafana tao Bangladesh ny fampiasana tifitra ranon-tsakay. Nanakiana ny fanapahan-kevitry ny governemanta amin'ny fampiasana izany ireo mpanao politika, mpikirakira ny fampahalalam-baovao, fiarahamonim-pirenena, mpiserasera ary olo-tsotra.

Polisy mampiasa tifitra sakay hanakanana ny hetsika ataon'ny mpampianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina. Sary avy amin'i Rehman Asad. Copyright Demotrix. (8/1/2013)

Tao amin'ny bilaogin'i Sachalayatan blog [bn] Mehedi Hasan Khan nanazava ny fampiasana “tifitra rano-tsakay” any amin'ny firenen-kafa, ny voka-dratsin'izany sy ny tokony handraràna izany.

Bilaogera Dikdarshan nanoratra [bn] tao amin'ny somewhereinblog:

সকল রাজনৈতিক পক্ষকেই বুঝতে হবে, দমন-পীড়নের নামে দেশে কখনও এমন কোন ক্ষতিকারক কালচার তৈরী করা ঠিক হবে না, যা বুমেরাং হতে পারে।

Mila mahafantatra ireo antoko politika rehetra fa tokony hitandrina izy ireo mba tsy hamela ny kolontsaina sy fomba herisetra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana; raha tsy izany izy ireo ihany no ifoteran'izany any aoriana any.

Bilaogera Tawhid niantso ho amin'ny fandraràna izany tifitra ranon-tsakay izany [bn]:

সরকার কোন বিবেচনায় এটা আমদানি করেছে, তা বোধগম্য নয়। গণতান্ত্রিক আন্দোলন-সংগ্রাম দমনে এ ধরনের ক্ষতিকর তরল গ্যাসের ব্যবহার অবিলম্বে বন্ধ ও এটি নিষিদ্ধ করতে হবে।

Tsy azoko mihitsy hoe fa nahoana ny governemanta no mihevitra fa hevitra tsara ny manafatra tifitra sakay. Tokony raràna amin'ny fihetsiketsehana demokratika ny fampiasana ity rano mampidi-doza ity.

Alor sandhane naneho [bn] ny ahiahiny momba ny fandraràna ny tifitra ranon-tsakay:

আইনগতভাবে নিষিদ্ধ করবে কিভাবে? যাদের তা করার দায়িত্ব তারাই করছে এর অবাধ ব্যবহার।

Ahoana ny fomba handraràna izany araka ny lalàna? Satria ireo manampahefana tokony hampihatra ny fandraràna no tena mpampiasa izany indrindra matetika.

Bilaogera, mpikatroka Kallol Mustafa nanoratra [bn] tamin'ny Facebook:

জনগণের আন্দোলন সংগ্রাম দমনের কাজে এই স্প্রে ব্যাবহার করে সরকার জনগণের বিরুদ্ধে রীতিমত রাসায়নিক যুদ্ধ ঘোষণা করেছে। আর কতজন মরলে, কতজনের চোখ নষ্ট হলে এই যুদ্ধের অবসান হবে?

Toa tahaka ny manambana ady shimika amin'ny vahoaka ny governemanta amin'ny fampiasana ity ranon-tsakay ity amin'ny fihetsiketsehana demokratika. Firy ny olona tokony ho faty na ho jamba alohan'ny hiafaran'ity ady ity?

Shapnocharini nanamarika tamim-pivazivaziana [bn] momba izany tao amin'ny twitter:

@স্বপ্নচারী: মরিচের গুঁড়া স্বাস্থ্যের জন্য ক্ষতিকর, স্বরাষ্ট্রমন্ত্রীর জন্য হাতিয়ার।

@shapnocharini: Ratsy ho an'ny fahasalamana ny vovon-tsakay tafahoatra. Angamba noho izany indrindra no antony nampiasan'ny Minisitry ny Atitany izany ho fitaovam-piadiana.

Ali Asif Shawon [bn] nilaza mitovy izany ihany koa tao amin'ny Twitter:

@ওআরকেআসিফ: ভালোবাসার পিপার স্প্রে চারপাশে, বাঁচতে চাইলে মাস্ক লাগিয়ে চলাফেরায় উত্তম…!

@orkasif: Feno fitiavana sy tifitra sakay ny rivotra. Tsara ny manao sarontava (maska).

Aho nanasongadina [bn] zavatra tsara vitsivitsy momba ny fampiasana ny tifitra ranon-tsakay:

বেসরকারি নন-এমপিও ভূক্ত শিক্ষকদের বিরুদ্ধে পেপার স্প্রে ব্যবহার না করে যদি পুলিশ লাঠি চার্জ করত তাহলে শিক্ষকরা আহত হত, হাসপাতালে যেত এবং তাদের কেউ কেউ মারাও যেতে পারত। পেপার স্প্রে তাদের এই অবস্থা থেকে বাঁচিয়েছে। আর পুলিশ তথা সরকারও বিব্রতকর অবস্থায় পতিত হয় নাই। অতএব, এই বিষয়ে অহেতুক বিতর্ক করা অবাঞ্ছনীয়।

Raha nisafidy kobay fa tsy tifitra ranon-tsakay atoraka amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy, mety naratra mafy na maty mihitsy ny sasany tamin'ireo mpampianatra nanao fihetsiketsehana. Afaka manampy amin'ny fisorohana izany karazana loza izany ny fampiasana tifitra ranon-tsakay. Tsy te hanana olana vokatry ny fampiasana kobay ihany koa ny governemanta sy ny polisy . Koa tsy dia ilaina loatra ny adihevitra mikasika izany.

Nipetraka ny fanontaniana raha ankatòavin'ireo fifanarahana iraisam-pirenena ny fampiasana ranon-tsakay na tsia. Nanambara ny Minisitry ny Atitany Mohiuddin Khan Alamgir fa ankatòavin'ireo fifanarahana iraisam-pirenena rehetra ny tifitra ranon-tsakay ary fitaovana fampiasa hisorohana ny fikomiana manerana izao tontolo izao. Na dia izany aza, namoaka filazana momba ny lalàna ho an'ny governemanta ny mpisolovavan'ny Fitsarana Tampony izay nitaky fa tokony hitsahatra ao anatin'ny 24 ora ny fampiasana tifitra ranon-tsakay. Bilaogera Mehedi Hasan Khan nanoratra hoe [bn]:

সন্ধ্যার খবরে জানা গেল ২৪ ঘণ্টার মধ্যে পেপার স্প্রে বন্ধ করার জন্য স্বতঃপ্রণোদিত হয়ে সরকারের কাছে লিগ্যাল নোটিশ পাঠিয়েছেন সুপ্রিম কোর্টের এক আইনজীবী, কৃতজ্ঞতা থাকলো তার প্রতি। সেকেন্দার আলী আর ফিরবেন না, হতভাগা এই শিক্ষক মরে গিয়ে শেষ শিক্ষাটা দিয়ে গেছেন এই দেশের চোখ বুজে থাকা নীতিনির্ধারকদের। তারপরও কি আরো বেশি ক্ষতি হবার জন্য বসে থাকবেন তারা?

Re tamin'ny vaovao hariva fa nandefa filazana momba ny lalàna ho an'ny Governemanta ny mpisolovavan'ny Fitsarana Tampony izay mitaky ny fampitsaharana ny fampiasana ny tifitra ranon-tsakay ao anatin'ny 24 ora, ankasitrahako izy. Tsy hiverina intsony i Sekandar Ali. Nanome ny lesony farany tamin'ireo polisy ity mpampianatra ity tamin'ny famoizany ny ainy. Mbola hiandry loza maro hafa ve izy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.