Ny Taokanton'ny Fanoherana Ao Shina, Mihoatra Lavitra An'i Ai Weiwei

Na eo aza ny tsindry mafy avy any ambony, lasa malaza ao Shina ny fanaovana fanoherana amin'ny endrika taokanto. Raha i Ai Weiwei no Shinoa mafàna fo amin'ny resaka taokantom-panoherana, misy betsaka kosa ireo tsy dia fantatry ny tany Tandrefana loatra manao hetsika mitovy amin'izany.

Ry Li Ning (李凝) ilay tarika antsoina hoe Body Art Guerrilla Group, mpanao taokanto mirafitra eny amin'ny vatana, Made-in-J Town (凌雲焰肢體游擊隊), dia isan'ireo tarika tena mahaliana indrindra. Vao haingana ry zareo no namoaka seho an-tsehatra miisa telo nalaina avy amin'ny Youtube 2008. Nisedra famoretana henjana ny Taonan'ny Lalao Olaimpika Beijing – 2008 – feo manohitra avy ao anatin'ny firenena. Ny famonjàna 11 taona an'i Liu Xiaobo, ilay nahazo ny Loka Nobel, noho ny hetsika Charter 08 nataony, no ohatra tena fantatry ny maro tsara. Ireo lahatsary avy amin'ny taona 2008 ireo no manome topimaso kely amin'ny kolontsain'ny fanoherana eny anivon'ny tanora ao Shina.

Ny iray voalohany, Shandong: Olaimpika + Fandravàna(山東:奧運+拆遷), dia manakiana ny Olaimpika 2008 amin'ny lafiny fomba fijery ny maha-olona:

Manana fanazavàna fohifohy  ny Acopy.net momba ilay lahatsary :

2008 no taonan'ny Olaimpika tao Beijing. Mba hahafahana maneho ny herin'ny firenena, dia nisy ny fandravana natao tany amin'ireo tanàn-dehibe rehetra. Na dia tsy isan'ny tanàna nampiantrano aza i Jinan, dia goavana be ny haben'ny fandravàna sy ny fanavaozana indray. Li Ning sy ny Body Art Guerrilla Group, Made-in-J Town, dia namokatra lahatsary fohy iray hanehoany ny fampitàna ny Afo Olaimpika tao Jinan sy ny fandravàna. Ao anatin'ilay lahatsary dia i Li Ning no maneho ny nofo sy rà eo amin'ny toeran'ny fandravàna, izay mifangarika be amin'ny fampielezan-kevitra entin'ny fampitàna ilay Afo.

Ny iray faharoa, Fee for selecting school (擇校費), nanao hetsika fanoherana amin'ny fampiasana ny vatany :

Ity ambany ity ny famaritan'ny acopy.net :

Miasa loha ry Li Ning sy Body Art Guerrilla Group, Made-in-J Town, amin'ny tatao teren'ireo sekoly ambaratonga fototra haloan'ny ray aman-dreny amin'ny fisafidianana ireo sekoly. Mino ry zareo fa endrika iray amin'ny kolikoly io ary maniry ny hanao hetsi-panoherana handàvana azy io amin'ny alàlan'ny hetsika taokanto. Tamin'ny 2008, nofonosin'i Li Ning taminà ‘ruban’ mena ny tenany ary nametahany fanamafisam-peo teo amin'ny vatany, nandefasana teny faneva teo anoloanà sekoly iray. Nipoitra avy any ireo manam-pahefan'ny polisy niampanga azy ho mandoto toe-tsaina / maoraly…

Ny fahatelo, Currency at the intersection leading to the underworld (冥幣路口),na ny Vola eo an-tsampànana midina mankany amin'ny fiainan-tsy hita, dia hetsika taokanto iray izay mampiseho ny tanjaka ratsin'ny vola:

Fanazavàna ilay lahatsary avy amin'ny acopy.net:

Nanomana hetsika taokanto iray tao amin'ny lalambe migodanan'i Jinan ry Li Ning sy Body Art Guerrilla Group, Made-in-J Town tamin'ny 2008. Te-hamorona tantara ry zareo tamin'ny alàlan'ny fanapariahana vola taratasy teny amin'ilay lalambe migodana. Nahavita nandositra ireo polisy sy nandrakitra ny seho nataony ry zareo.

(Ny hajiantsary dia nalaina avy amin'ilay lahatsry: Shandong: Olaimpika + Fandravàna)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.