- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Kiobà, Fifidianana, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity]

Nankinin’ [1]ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco  [2](@rblancopoet [3]), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no poeta Latina, mpiteny espaniola ary “gay” (pelaka) voalohany nahazo izany voninahitra izany. Araka ny filazan'ny lahatsoratra [1]tao amin'ny New York Times, mahatsiaro « fifandraisana ara-panahy » amin'ny filoha voafidy i Richard Blanco.

Tao amin'ny bilaoginy, Adventures in urban life, [4] Achy Obejas nanoratra hoe [5]:

Raha nahare ny vaovao aho androany, fa ity pelaka Kiobàna, malefaka, tsara fanahy sy mana-talenta ary mora fò ity no nofinidin'i Barack Obama hanoratra ny tononkalo tamin'ny lanonana fianianany faharoa, tsy maintsy naka rivotra kely aho ary manamboatra ny foko.

Hoy i Achy Obejas nanohy :

Miditra Facebook ianao ary mahita fa ny filohan'i Etazonia, lehilahy manana ny fahefana ambony indrindra eto an-tany, dia nisafidy lehilahy efa fantatrao, pelaka, kiobàna tia mivazivazy milaza fa vita avy any Etazonia avy amin'ny faritra Kiobàna izy, izay ahitanao momba an'i Miami sy lechón ary ny renibentsika – mba hanokana ity fotoana manan-tantara ity amin'ny – voambolany antsika

Oah !

Tsy mantsy namorona tononkalo amin'ny fianianan'ny filoha tamin'ny 21 janoary tao amin'ny kianjan'i Capitole i Richard Blanco.

Taorian'ireo hafatra fiarahabana marobe voarainy, toy izao no nambarany [6] tao amin'ny pejy [7] Facebook-ny

Richard Blanco. Foto tomada del perfil público de Blanco en Twitter. [3]

Richard Blanco. Sary tao amin'ny Twitter-ny.

Ho an'ireo rehetra nanome firariantsoa ahy: tena mamaly haingana amim-pivatravatràna aho, isaky ny andalana, ary tiako ny hamaly ny rehetra ao anatin'ny fotoana fohy. Fa androany aloha, azafady, ampio aho hitahy ity tononkalo ity. Misaotra.

Na dia izany aza, ny fifandraisana manokana no fanirian'ity mpanoratra ity, araka ny nolazainy [2] tao amin'ny pejy fandraisana:

Amin'izao andro fibosehan'ny fifanakalozan-kevitra ato amin'ny tambajotra sosialy izao, ny faniriako dia ny hitafa manokana fa tsy amin'ny alalan'ny sioka na hafatra amin'ny Facebook

Araka ny voalazan'i Addie Whisenant, solontenan'ny komity mpikarakara ny lanonana fianianana, nisafidy an'i Richard Blanco i Barack Obama satria « avy amin'ny hevitra milaza ny dikan'ny Amerikana no niavian'ny tononkalony miavaka.”

Namoaka [8] sombiny tamin'ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe América ny habaka Penúltimos días