Niteraka Hatezerana Ny Daroka Vehivavy Nataon'Ireo Polisy Bahrainita

Nihevitra  i Bahrain fa mandry fahalemana ihany mba hahafahany manatontosa hetsika ara-panatanjahatena rezionaly, kanefa notafiihan'ireo lehilahy mpiambina ny vehiivavy iray mpanao fihetsiketsehana tao Manama, afovoan'ny renivohitra. Tamin'ny volana Jolay farany teo, navotsotra tany am-ponja i Zahra Al-Shaikh rehefa notànana sy nampijaliana. Nilaza izy, taminà resadresaka niarahana taminà mpanao gazety Bahrainita mialokaloka any Lamees Dhaif fa teren'ny polisy hiara-hiasa amin'izy ireo izy. Tamin'izany fotoana izany, nosamborina tao anatin'ny fihetsiketsehana nandritra ny kilalao fifaninana baolina kitra ho an'ny firenena Golfe i  Zahra, ny ekipa Emirà Arabo Mitambatra no nibata ny fandresena tamin'izany. Niely tamin'ny aterineto nandritra ny andron'ny lalao famaranana tamin'ny 18 Janoary ny vaovao, sary sy ny lahatsary momba ny fisamborana azy.

Mohammed, mpisera Twitter Bahrainita, nisioka izay natrehiny maso

@ba7rainiDXB: Vehivavy iray novelezin'ireo mpikarama an'adin'ny governemanta #Bahrain  tao afovoan'ny renivohitra #Manama. Tanora sy lehilahy no mifanandrina amin'izy ireo.

Tamin'ny aterineto, maro ireo nanasokajy ny mpitandro ny filaminana ao Bahrain ho mpikarama an'ady – ho fanoharana ireo mpitandro ny filaminana vahiny sy polisy misahana ny rotaka avy amin'ny firenena hafa mitondra korontana ao amin'ny firenena.

Taty aoriana, naely ny lahatsary misy ny fisamborana ilay vehivavy izay mampiseho ireo polisy lehilahy misahana ny rotaka mihodidina azy sy mitaritarika azy satria mikikiaka sy mitomany izy no sady mandeha rà ny vavany (lahatsary nalefan'i Duraz14):

Lahatsary hafa avy aminà vehivavy samihafa niezaka nampiseho ny fomba nanesoran'ireo polisy ny sarondohany (hijab). Niezaka nanakana ireo polisy misahana ny rotaka ireo lehilahy manodidina. Tamin'ny fiafaran'ny lahatsary, lehilahy iray nifamaly taminà polisy noho ilay sarondoha ary nilaza ilay polisy fa hadisoany [ilay vehivavy] no antony (nalefan'i Mr14change)

Marobe ireo sarin'i Zahra nalefa tao amin'ny Twitter saingy tao anatin'ny fotoana fohy, nofafan'ireo mpiserasera ny sariny – izay mampiseho azy tsy misy sarondoha, ho fanajana. Ho solon'izany, ireo sariny misy ny volony mainty no navoaka:

“@SafaMohammed: ilay vehivavy nosamborina tao #Manama #bahrain, noesorina ny sarondohany ary mandeha rà ny vavany!!”

Tao amin'ny Twitter, nisioka vaovao momba an'i Zahra ny rahavaviny:

تم توقيف #زهرة_الشيخ وستعرض غدا على النيابة بعد إتهامها باﻹعتداء على رجال أمن وقذف رموزهم والخروج في مسيرة غير مرخصة

@ZAlshaikh_BH: Nosamborina i Zahra AlShaikh ary hiatrika ny mpampanoa lalàna rahampitso manoloana ireo fiampangana azy ho nanafika ireo polisy sy nanevateva ny asany ary nanao hetsika tsy ara-dalàna.

Tsy i AlShaikh ihany no vehivavy voasambotra. Nalefa tao amin'ny aterineto avy eo ny anaran'ireo vehivavy hafa  voasambotra [ar]:

النساء المعتقلات: #حليمة_الصباغ #زهرة_الشيخ، #حرائر_السيتي: زينب دهيم. خديجة عبد الناصر. فاطمة الجشي.عقيلة المقابي. فاطمة عبدالجليل

@iProtestor: Ireo vehivavy voasambotra: Halima AlSabagh, Zahra AlShaikh, Zainab Dhaim, Khadija Abdulnasser, Fatma Aljishi, Aqila AlMiqabi, sy i Fatma Abduljalil.

Poeta Aayat Alqormozi, izay efa voasambotra koa taloha noho ny famoronany tononkalo manohitra ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana, nisioka hoe:

اعتقال #زهرة_الشيخ بتلك الوحشية أوجع قلوبنا .. مؤلم أن تكون في بلد يتبجح بحقوق المرأة وفي الوقت ذاته يطأ كرامتها برجله #Bahrain

@AayatAlqormozi: Mahavaky  fo tokoa ny fisamborana an'i Zahra Al Shaikh amin'ny fomba feno herisetra tahaka izao. Mafy amintsika ny monina aminà firenena izay mampidera ny zon'ny vehivavy kanefa sady manitsakitsaka ny fahamendrehan'ny vehivavy

Noho ny fihetseham-po, nitoraka coktail molotov sy nanakana làlana tsy handehanan'ireo polisy misahana ny rotaka ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny tanàna kely ao Nuwaidrat, mba hahafahana manao hetsi-panoherana manoloana ny fisamborana sy herisetra natao an'i AlShaikh (lahatsary nalefan'i Nuwaidrat Feb):

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.