Jamaika: Ho Avy Ny Tafiotran-Trosa?

Somary nanindrona ihany ny tontolon'ny bilaogy Jamaikana, hatramin'ny namoahan'ny Chicago Tribune lahatsoratra iray tamin'ny 08 Janoary 2013 izay mampitaha ny toe-bolan'i Jamaika sy Gresy, firenena izay heverin'ny sasany fa ny marefo indrindra ara-toe-karena eto amin'izao tontolo izao.

Mibilaogy ao amin'ny Active Voice, Annie Paul dia nanamarika fa ” misintona ny saina ny Tribune handinika ny momba an'i Jamaika fa ho tahaka izay zava-mitranga tany Gresy no hiseho any atsy ho atsy”, amin'ny fanambaràna faran'izay haingana fa ity fanjakana nosy ity dia ” ao anaty olana ara-bola ratsy kokoa noho ny an'i Gresy” sady ” tratran'ny vela-pandriky ny trosa”. Ny vahaolana atolotra azy ? “Ny fanavaozana, sy fanavotana miaraka amin'ny fanamaivanana ny trosa”.  Naneho hevitra i Paul hoe:

Io filazana mazava ny zava-misy mafy any Jamaika io no nanozongozona io firenena io izay tsy mankasitraka mihitsy ny fiteny mivantambantana ny mponina ao aminy. Amin'ny maha-tany fambolena akora hanaovana siramamy (fary) azy fahiny dia mitobaka ny vokatra, ary fahazarana ny fanaronana ny marina amin'ny siramamy.

Avy eo dia notanisainy ireo ” resaka mahatezitra” manodidina io resaka io, tamin'ny famerenana namoaka ny fanehoankevitra iray avy amin'ny namany ao amin'ny Facebook :

Ok – manana olana lehibe sy saropady eo amin'ny trosa i Jamaika. Ary io mihitsy no fanamby amin'izao androntsika izao, hovahan'ny andian-taranaka misy antsika ary izaho mino tena amin'ny foko manontolo fa vitantsika izany- nahoana isika no nianatra raha tsy hikaroka vahaolana ? raha tsy vitantsika io dia ny zanatsika izany no hamaha io olana io, ary raha toa ka tsy vitany dia izay sitrapony.  Afaka hahita ve aho olona 20 tsotra sy vonona aho izay tsy taitran'ny fitiavam-bola be sy ny fiadanany manokana, izay tsy voatariky ny lanonana mandrakariva any amin'ny maiden cay sy mamo isaky ny Zoma alina – izay tsy tia tena ka mihevitra fa ambony noho ireo mpiray tanindrazana aminy, izay manam-paharetana sy kinga, izay vonona hanao sorona ho an'ny fahatsaran'izay ho avy manaraka eo, mendrika hosoratana amin'ny efitrano natokana ho azy ireo sy ny asany ny anarany, ary hitondra amim-pireharehana ny anaran'izy ireo ny ankizin'ny ho avy mamirapiratr'i Jamaika ? Mety hahita ireo olona 20 ireo ve aho izay mahafantatra fa tsy hisy fihatsaran-javatra eto raha tsy ohatra hoe hitako ireo olona 20 ireo ? Ary ireo olona 20 ireo ve  afaka manoratra ho ahy amin'ity lohahevitra ity – Fikomiana ! ?

Nisy valin-kafatra samy hafa ho an'ilay lahatsoratra tao amin'ny Twitter. Tsy niezaka ny nanafina ny eson-teniny i ‏Samir King :

@persian__king: #ChicagoTribune- #Jamaika no #Gresin'ny Ilabolan-tany Andrefana. Tokony hirehareha ny Praiminisitra

Marlene Malahoo dia nihevitra fa filazana ny zava-misy ny lahatsoratra navoakan'ny Tribune :

@oohalam: Tena ilaintsika ve ny #Chicagotribune hilaza amintsika ny lesona ratsin'ny fitantanana tsy tompon'andraikitr'i #Jamaika sy ny vela-pandriky ny trosa ?

The Caribbean News Network  dia nitatitra tamim-pahatsorana ny fihetsiky ny mpanao politika :

@caribbeannewsuk: #JAMAIKA: Nivondrona ny antoko politika roa mba hitsikera ny lahatsoratra navoakan'ny Chicago Tribune nanoritra fa ratsy lavitra noho ny toekaren'i Gresy ny an'i Jamaika.

Nanoratra tamin'ny bilaogin'ny Kaongresin'ny Amerika Avaratra ho an'i Amerika Latina i Kevin Edmonds, nanolo-kevitra fa tamin'ny taon-dasa dia niaraka nanao izay tsy haharendrika ny faritra – ary nanontany tena ny amin'izay ho entin'ny taona 2013 eo amin'ny lafiny ara-toe-karena :

Ny zava-misy ratsy be amin'ny fitsitsiana dia nampidina be ny fandrosoana ara-tsosialin'ny faritra amin'ny fiahiana ara-pahasalamana sy fampianarana – ary izahay dia vavolombelon'ny fitomboan'ny tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny heloka bevava. Ny ankamaroan'ireo fandaniana amin'ny asa tahaka izany ankehitriny dia trosa avokoa ary araka izany dia tsy haharitra akory.

Notanisainy ho toy ny ohatra iray i Jamaika :

Tonga manamarika ny hasarotan'ny fiaraha-miasa amin'ny FMI i Jamaika. Hatramin'ny faran'ny taona 1970 dia niraikitra tamin'ny karipetra mihodin'ny trosa i Jamaika, mihodina haingana, miditra amin'ny findramam-bola mitohy tsy mitsahatra, ary mamerina izany miaraka amin'ny zanabola be dia be nefa tsy mbola nandray tombony. Tany Jamaika foana ny FMI tao anatin'ny 35 taona, efa im-betsaka ny firenena no nampidina ny sandam-bolany, nanao fanalalaham-bidy, nampidina ny hetra ho an'ireo orinasa, namorona orinasa afaka haba, nampihena ny fandaniana ara-tsosialy, ary nivarotra orinasam-panjakana. Vokatr'izany rehetra izany dia niakatra ny trosa, vitsy ny tolotra ara-tsosialy, kely na tsy misy mihitsy ny fisondrotan'ny harin-karena, ary ny firodanan'ny toekarena mitodika amin'ny famokarana tao Jamaika.

Izao no nosoratany ho valin'ilay lahatsoratra tao amin'ny Chicago Tribune :

Eo andalam-pandraisana fanapahan-kevitra na hifampiraharaha amin'izay fomba vaovao hfamerenam-bola i Jamaika na tsia. Raha tokony hanafatra mpanolotsaina avy any Washington ho any Kingston mba hanolo-kevitra momba izay tokony hamahana ny olana, dia tsy maintsy hitodika mianatsimo any Buenos Aires hitady hevitra amin'izay fomba hiatrehana izao hahavon'ny trosa tsy hay zakaina ity angamba ny governemantan'ny PNP.

Tsy vita ao anatin'ny fotoana fohy anefa izany zavatra izany, fa tena ilàna fanavaozana demaokratika matotra any amin'io faritra io.

Nilaza zavatra hafa manetsiketsika ny faritra ilay lahatsoratra – ny heloka bevava sy ny vokany eo amin'ny fivelarana amin'ny maha-olona, ny fahampiana ara-tsakafo, fanalalahana ny varotra, ny faharavana tsikelikelin'ireo lamin'asa fototra ara-tsosialy, toekarena mifototra amin'ny zavamahadomelina. Mbola notohizan'i Edmonds :

Ny lalanjotra nizoran'ny faritra dia nitondra tamin'ny fahatapahan'ny toe-karena anatiny sy any amin'ny faritra. Tsy asa mora io tolo-kevitra io, fa mila ny fiarahana miezaka. Izay tokony hataon'ny mpitarika any Karaiba dia ny manangana andian-drafitra maromaro mba ho enti-miady amin'ireo olana faran'izay lehibe atrehan'ny faritra.

Raha toa ka tsy tafavoaka izany, dia nanome tsirim-panantenana kely i Annie Paul :

Ny tanora no hitady làlana mba hanakatonana ny ferin'ny trosantsika. Raha toa ka misy toa an'i Samuel Morgan [namany amin'ny Facebook] eny amin'ny manodidina eny dia misy ny fanantenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.