GlobalVoices anaty

#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto

GV Mpisolovava Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava , miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Català · #DeleteControl: Campanya digital contra la repressió
Français · #DELETECONTROL/ : Une campagne contre la répression numérique
Español · #DELETECONTROL/: Campaña contra la represión digital
Deutsch · #DELETECONTROL/: Kampagne gegen digitale Unterdrückung
English · #DELETECONTROL/: Campaign Against Digital Repression

Efa ela no lasa ny vanim-potoana nanomboka nahafantaran'ireo governemanta ny herin'ny Aterineto. Hitan'ireo fitondrana mpamoritra ny herin'ny Aterineto eo amin'ny fitondrana fanovàna ka miezaka ny hifehy izany izy ireo amin'ny alalan'ny fampivoarana fanivanana raitra sy paikady fanaraha-maso, matetika iarahan'izy ireo miasa amin'ireo orinasa tsy miankina.

Soa ihany, misy ireo fomba fisorohana ny famoretana sy ny fanaraha-maso ao anaty aterineto.

Ny Sekoly Ambony Misahana Ny Fifandraharahana ao Pays-Bas, Hivos, izay miara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, ny Witness, ny Mideast Youth ary ny Tactical Technology Collective, dia mikarakara hetsika fanentanana antsoina hoe #DELETECONTROL/.

Mikatsaka ny hanandratra ireo fitaovana enti-manohitra ny fanivanana, ny fanaraha-maso ao anaty aterineto ary ny famoretana mba “hanampiana ireo mpitoraka bilaogy [...] tsy ho hitan'ny mpanara-maso sy ho lavitry ny loza ao anaty aterineto.” Mikendry ny hamorona tontolo mpanohana an'ireo mpampiasa aterineto tandindonin-doza ihany koa izany amin'ny alalan'ireo fanampiana ara-bola, fikarakarana fanofanana, famoronana sehatra fiadian-kevitra malalaka ao anaty aterineto ary fampivoarana ireo vahaolana vaovao manohitra ny famoretana ao anaty aterineto.

Iray amin'ireo fitaovana goavana mivoy io hetsika fanentanana io ny horonantsary  novokarin'ny Godmother Films, antsoina hoe “#DELETECONTROL/ Ho sahy hampiakatra ny marina va ianao?”. Mampandeha antsika mankany amin'ireo rahona fahita mianjady amin'ireo mafana fo dizitaly anatinà tontolo mpamoritra ary manome vahaolana tsotra mba hisorohana ny fisamborana.

Miangavy anao hanohana io hetsika fanentanana io amin'ny alalan'ny fizarana ilay horonantsary sy fanapariahana ny teny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny