- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: Ny Zavatra Andrandraina Amin'ny Fahatongavan'ny Dakar Ao Santiago

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Però, Shily, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Androany, Sabotsy 19 Janoary 2013 no fiafaran'ilay “hazakazaka faran'izay mampidi-doza indrindra eto ambonin'ny tany”: ny Dakar, ao Santiago. Tamin'ity andiany ity, namakivaky an'i Però, Arzantina ary Shily ireo mpandray anjara nandritra ireo dingana samihafa tamin'ny fifaninanana. Ity no taona fahaefatra nikarakarana Dakar nandalo tany Amerika Atsimo.

[1]

Shiliana mihoby ireo mpiray tanindrazana aminy tamin'ny dingana farany nandritra ny Dakar. Sary nozaraina tao amin'nypejy Facebook ofisialin'ny Dakar [1].

Mientanentana momba ny tsipika famaranana ireo Shiliana mpisera anaty aterineto. Indrindra indrindra fa andrandrain-dry zareo ny hahita ilay mpiray tanindrazana aminy, Francisco “Chaleco” Lopez [2] [es], mpitaingina moto, mety hanatsara ny toerana fahatelo azony tamin'ny andiany 2009 amin'ity andiany iray hifarana ao an-tanindrazany ity. Sady koa, ao anatin'ny fifaninanana “quads”, misy Amerikàna Latina roa manana fahafahana hiakatra lampihazo, ilay Shiliana Ignacio Casale sy ilay Arzantina Marcos Patronelli (@mpatronelli).

Eto, nanangona fanehoankevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter izahay – marobe amin'ireny no avy amin'ireo mpifaninana ihany – izay nahatonga ny Dakar sy ny #Dakar2013 [3] ho lohahevi-pirenena noresahana be tao Shily sy Però :

Fransisco Lopez C, mpampiasa Twitter Chaleco Lopez [4] [es], talohan'ny nanombohan'ilay dingana farany dia nibitsika hoe:

@ChalecoDakar [5]: Me queda 1 día, estoy 3° porq tuve que cambiar motor. Ha sido un gran Dakar, he ganado 4 etapas y me la jugaré por llegar a la meta mañana!

@ChalecoDakar:  1 sisa tavela, toerana faha-3 aho satria tsy maintsy nanolo maotera. Goavana iny Dakar iray iny, nandresy taminà dingana 4 aho ary hanao izay fara-heriko ho tonga hatramin'ny farany rahampitso!

Francisco Aure [6] [es], mpanao gazety ara-panatanjahanena, dia nitondra fanamarihana tamin-karavoana hoe:

@FranciscoAure [7]: #Dakar2013 [8] MOTOS: Se termina el rally, ‘Chaleco’ López le descontó uno de los ocho minutos a Despres en el WP1. El chileno va por el milagro

@FranciscoAure: #Dakar2013 MOTOS: Mifarana ny hazakazaka ary nahenan'i “Chaleco” Lopez ny tombon-dàlana valo minitra nananan'i Despres tamin'ny WP1. Andalam-panaovana fahagagàna ilay Shiliana izao.

Ny mpamilin'ny fahitalavitra Arzantina UTV , Sebastian Scholz [9] [es], dia nisaotra ireo mpisera anaty aterineto izay nifandray tsy tapaka taminy mba hanatanja-tsaina azy :

@PITUSCHOLZ [10]: Gracias a todos los q escriben x privado, a los q twittean, los que comentan. PROMETO regalos y responderles a c/u cuando vuelva #Dakar2013 [8]

@PITUSCHOLZ: Misaotra anareo rehetra izay nanoratra manokana, ho an'ireo nandefa bitsika, ho an'ireo naneho hevitra. MANOME TOKY aho hitondra fanomezana sy striny ho an'ny tsirairay avy aminareo rehefa tonga #Dakar2013

Nanoratra ilay Arzantina Javier Pizzolito [11] [es] hoe :

@JavierPizzolito [12]: Última etapa de este Dakar!! Los espera 121 km de enlace más 346 km de especial hasta la meta Santiago de… http://fb.me/25QO5WOwm [13]

@JavierPizzolito: Dingana farany amin'ity Dakar ity!! 121 kms aminà fifandraisana maherin'ny 346 kms ahitàna ampahan-dàlana manokana mandra-pahatonga amin'ny tsipika farany ao  Santiago http://fb.me/25QO5WOwm [13]

Amin'ny lafiny iray, naneho hevitra i BanderaCuadros [14] [es] mikasika ny mety handresen'i  “Chaleco” :

@BaCuadros [15]: Chaleco Lopez le descuenta casi 2 minutos a Despres. Si el chileno quiere ganar, depende errores o problemas para Cyril. #Dakar2013 [8]

@BaCuadros: Nahazo 2 minitra nanakaiky an'i Despres i Chaleco Lopez. Raha te-handresy ilay Shiliana, dia miankina amin'ny hadisoana na olana mahazo an'i Cyril. # Dakar2013

Guillermo Orrego [16] [es], tamim-pihanihaniana, dia nanosoka hevitra iray hiantohana ny handresen'i  Chaleco:

@Guille_Iqq [17]: quien se anima a tirarle una vaca a DESPRES #dakar2013 [18] xD

@Guille_Iqq: Iza no hanolo-tena hanipy omby vavy any amin'i DESPRES #dakar2013? xD

Ny tsaran'ny andro atao an-tsary. Sary nozaraina tao amin'ny Pejy Fecebook ofisialin'ny Dakar [19]

Ary farany, Waldo Muñoz [20] [es] manely ny fanantenana ho an'ireo Shiliana :

@ranks12 [21]: Vamos @ChalecoDakar [4] al Podio en este #dakar2013 [18] vamos Chile !

@ranks12: Alefa @ChalecoDakar miakàra eny amin'ny lampihazo amin'ity #dakar2013 ity. Alefa Shily!