Shily: Ny Zavatra Andrandraina Amin'ny Fahatongavan'ny Dakar Ao Santiago

Androany, Sabotsy 19 Janoary 2013 no fiafaran'ilay “hazakazaka faran'izay mampidi-doza indrindra eto ambonin'ny tany”: ny Dakar, ao Santiago. Tamin'ity andiany ity, namakivaky an'i Però, Arzantina ary Shily ireo mpandray anjara nandritra ireo dingana samihafa tamin'ny fifaninanana. Ity no taona fahaefatra nikarakarana Dakar nandalo tany Amerika Atsimo.

Shiliana mihoby ireo mpiray tanindrazana aminy tamin'ny dingana farany nandritra ny Dakar. Sary nozaraina tao amin'nypejy Facebook ofisialin'ny Dakar.

Mientanentana momba ny tsipika famaranana ireo Shiliana mpisera anaty aterineto. Indrindra indrindra fa andrandrain-dry zareo ny hahita ilay mpiray tanindrazana aminy, Francisco “Chaleco” Lopez [es], mpitaingina moto, mety hanatsara ny toerana fahatelo azony tamin'ny andiany 2009 amin'ity andiany iray hifarana ao an-tanindrazany ity. Sady koa, ao anatin'ny fifaninanana “quads”, misy Amerikàna Latina roa manana fahafahana hiakatra lampihazo, ilay Shiliana Ignacio Casale sy ilay Arzantina Marcos Patronelli (@mpatronelli).

Eto, nanangona fanehoankevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter izahay – marobe amin'ireny no avy amin'ireo mpifaninana ihany – izay nahatonga ny Dakar sy ny #Dakar2013 ho lohahevi-pirenena noresahana be tao Shily sy Però :

Fransisco Lopez C, mpampiasa Twitter Chaleco Lopez [es], talohan'ny nanombohan'ilay dingana farany dia nibitsika hoe:

@ChalecoDakar: Me queda 1 día, estoy 3° porq tuve que cambiar motor. Ha sido un gran Dakar, he ganado 4 etapas y me la jugaré por llegar a la meta mañana!

@ChalecoDakar:  1 sisa tavela, toerana faha-3 aho satria tsy maintsy nanolo maotera. Goavana iny Dakar iray iny, nandresy taminà dingana 4 aho ary hanao izay fara-heriko ho tonga hatramin'ny farany rahampitso!

Francisco Aure [es], mpanao gazety ara-panatanjahanena, dia nitondra fanamarihana tamin-karavoana hoe:

@FranciscoAure: #Dakar2013 MOTOS: Se termina el rally, ‘Chaleco’ López le descontó uno de los ocho minutos a Despres en el WP1. El chileno va por el milagro

@FranciscoAure: #Dakar2013 MOTOS: Mifarana ny hazakazaka ary nahenan'i “Chaleco” Lopez ny tombon-dàlana valo minitra nananan'i Despres tamin'ny WP1. Andalam-panaovana fahagagàna ilay Shiliana izao.

Ny mpamilin'ny fahitalavitra Arzantina UTV , Sebastian Scholz [es], dia nisaotra ireo mpisera anaty aterineto izay nifandray tsy tapaka taminy mba hanatanja-tsaina azy :

@PITUSCHOLZ: Gracias a todos los q escriben x privado, a los q twittean, los que comentan. PROMETO regalos y responderles a c/u cuando vuelva #Dakar2013

@PITUSCHOLZ: Misaotra anareo rehetra izay nanoratra manokana, ho an'ireo nandefa bitsika, ho an'ireo naneho hevitra. MANOME TOKY aho hitondra fanomezana sy striny ho an'ny tsirairay avy aminareo rehefa tonga #Dakar2013

Nanoratra ilay Arzantina Javier Pizzolito [es] hoe :

@JavierPizzolito: Última etapa de este Dakar!! Los espera 121 km de enlace más 346 km de especial hasta la meta Santiago de… http://fb.me/25QO5WOwm

@JavierPizzolito: Dingana farany amin'ity Dakar ity!! 121 kms aminà fifandraisana maherin'ny 346 kms ahitàna ampahan-dàlana manokana mandra-pahatonga amin'ny tsipika farany ao  Santiago http://fb.me/25QO5WOwm

Amin'ny lafiny iray, naneho hevitra i BanderaCuadros [es] mikasika ny mety handresen'i  “Chaleco” :

@BaCuadros: Chaleco Lopez le descuenta casi 2 minutos a Despres. Si el chileno quiere ganar, depende errores o problemas para Cyril. #Dakar2013

@BaCuadros: Nahazo 2 minitra nanakaiky an'i Despres i Chaleco Lopez. Raha te-handresy ilay Shiliana, dia miankina amin'ny hadisoana na olana mahazo an'i Cyril. # Dakar2013

Guillermo Orrego [es], tamim-pihanihaniana, dia nanosoka hevitra iray hiantohana ny handresen'i  Chaleco:

@Guille_Iqq: quien se anima a tirarle una vaca a DESPRES #dakar2013 xD

@Guille_Iqq: Iza no hanolo-tena hanipy omby vavy any amin'i DESPRES #dakar2013? xD

Ny tsaran'ny andro atao an-tsary. Sary nozaraina tao amin'ny Pejy Fecebook ofisialin'ny Dakar

Ary farany, Waldo Muñoz [es] manely ny fanantenana ho an'ireo Shiliana :

@ranks12: Vamos @ChalecoDakar al Podio en este #dakar2013 vamos Chile !

@ranks12: Alefa @ChalecoDakar miakàra eny amin'ny lampihazo amin'ity #dakar2013 ity. Alefa Shily!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.