Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval,  taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

Sarintany Google azo kitihana momba ny ady ao Mali, avy amin'ny Jeune Afrique ]

François d’Alençon manoratra ao amin'ny Afrika: nahoana no tsy miteraka fanoherana ireo fitsabahan'ny frantsay ireo…

Hafahafa, hafahafa… Tsy manelingelina na iza na iza ny fitsabahan'ny frantsay ao Mali kanefa niteraka tafiotram-panoherana ny hetsika tahaka izany nataon'ny Amerikana… Tombony ny tsy maha-hery lehibe eran-tany azy.

Sady mitantara ampahan-dahatsoratra avy aminà gazety Tseky mpiseho isanandro Lidové noviny:

« Hatramin'ny taona 1960, in-50 nitsabaka tao Afrika ny frantsay. Niady tany Tchad ry zareo, ny ady tsy vaky tao Libia, niaro ny fitondràna tao Djibouti sy ny Repoblika Centrafricaine tamin'ireo mpihoko, nanakana ny fanonganam-panjakana tao Kaomoro, nirotsaka tany Côte d’Ivoire. Na izany ho fiarovana tombontsoa ara-toekarena, na ho fiarovana ny teratany frantsay, na ho fanaporofoana ny maha-hery matanjaka ny firenena, ireo mpanofatranon'i Élysée, na ankavia izany na ankavanana, dia mazàna no nampiseho hatrany ny fironany aminà hetsika tsy ifampieràna. … Na izany aza dia tsy misy mihitsy olona mitsipaka. … Raha Etazonia no nitsabaka tamim-pitratrevatrevàna tahaka izany, dia mety nisy hetsi-panoherana tsy hita fiafaràna tao Eoropa tao. Ary dia hahita ireo diplaomaty tsy faly hitandahatra ho ao aminy ny masoivoho Amerikana, ny frantsay no ho lohalaharana. »

Carte de la rébellion touareg au Azawad, au nord de Mali indiquant les attaques des rebelles au 5 avril 2012

Sarintany ahitàna ny fihokoana touareg ao Azawad, any avaratr'i Mali manondro ireo fanafihana nataon'ny mpihoko tamin'ny 5 Aprily 2012, avy amin'i Orionist tao amin'ny wikipédia (CC-BY-3.0)

Ity ambany ity ny fitantaràna manaraka ny datin'andro ireo fitsabahana frantsay ireo [marobe izy ireo nefa tsy araka ny voalazan'ilay gazety mpiseho isanandro, 50 latsaka no misy. ] mosintonina avy amin'ny fampiasàna ny fampahatsiahivana ireo firotsahana ara-tafiky ny frantsay tany Afrika nataon'i Nestor N’Gampoula sy ny an'i Jean-Patrick Grumberg ho an'ny Dreuz.info izay manipika fa ireny firotsahana ara-tafika ataon'i Frantsa ao Afrika ireny dia saika tany amin'ireo zanataniny fahiny avokoa :

Tamin'ny 1964, taorian'ny andrana fanonganam-panjakana hamelezana ny fitondràna tamin'izany fotoana, tonga tao Libreville tao Gabon ireo tafika notaterinà fiaramanidina.

Ny 1968 hatramin'ny 1972, nisy miaramila frantsay nandray anjara tamin'ny ady nifanaovana tamin'ireo mpihoko tany Tibesti faritra avaratr'i Tchad.

Ny 1978 tao Zaïre (Repoblika demokratikan'i Congo ankehitriny), lezionera frantsay 600 no nankany amin'ny tanànan'i Kolwezi, tany atsimo-atsinanana, mba hanavotra ireo Afrikàna sy Eoropeana an'arivony voarahon'ireo mpihoko “katange”. Io iraka io dia tohin'ny antso nalefan'ny filoha Mobutu Sese Seko ho fanampiana ny fireneny.  Namoizana ainà lezionera dimy io iraka io, saingy nahafahana namoaka Tandrefana 2.700.

Ny 1979 tao Centrafrique, frantsay mpilatsaka amin'ny elonaina avy amin'ny opération Barracuda no nametraka ny amperora Jean-Bedel Bokassa 1er.

Ny 1983-1984, tao Tchad, nanao ny Opération Manta i Frantsa, nahitàna vata-miaramila 3.000, mba hiatrika ny fanafihan'ireo mpanohitra nitam-piadiana notohanan'i Libia.

Roa taona taty aoriana, izany hoe ny 1986, nisy hetsika ara-tafika frantsay iray narafitra taorian'ny fanafihana ny fitondràna, hetsika nantsoina hoe « opération Épervier », izay an'habakabaka no tena betsaka.

Tamin'ny 1989 tao Kaomoro, taorian'ny namonoana ny filoha Ahmed Abdallah sy ny fakàna ny fifehezana ny firenena nataon'ilay mpikarama an'ady frantsay Bob Denard, miaramila teo amin'ny 200 teo no nitontona tao an-toerana, nanery ity farany handao ny firenena.

Tamin'ny 1990, nandefa andian-tafika  tany Gabon ho any Libreville sy Port-Gentil i Paris ho tohana ho an'ireo miaramila frantsay efa tany, taorian'ireo korontana goavana tany. Nahafahana nanavotra teratany vahiny 1.800 ilay hetsika.

Ny 1991, Zaïre (Repoblika Demaokratikan'i Congo ankehitriny), nahavita namoaka teratany vahiny ny andian-tafika frantsay sy belza taorian'ireo korontana sy fandrobàna nitranga tao amin'ny firenena.

Ny 1991, nanampy ny mpihoko afar ireo andian-tafika frantsay nitoby tao Djibouti ary nanàla ny fitaovam-piadiana teny an-tànan'ny tafika Etiopiana izay niampita ny sisintany taorian'ny fionganan'ny filoha etiopiana Mengistu Hailé Mariam.

Ny 1994, namoaka ireo Eoropeana tany Roandà ireo maramila frantsay sy belza, raha ireo Hutus kosa manao vonomoka Tutsi an'arivorivony. Fotoana ela, io taona io ihany, nanao ny « Opération Turquoise » ireo miaramila frantsay teo amin'ny 2.500 eo, notohanan'ireo andiany avy amin'ny firenena afrikana, nofaritana ho toy ny ezaka noho ny maha-olona, avy any Zaïre hatrany atsinanan'i Roandà.

Ny 1995, vatan-dehilahy an'arivony no nandray anjara tamin'ny opération Azalée, nampandamoaka ny fikasana vaovao hanongam-panjakana nomanin'i Denard ho an'ny filoha Saïd Mohamed Djohar tao Kaomoro.

Ny 1996 tany Centrafrique, izany ho taorian'ny fihokoan'ny tafika tamin'ny filoha voafidim-bahoaka Ange-Félix Patassé, ny opération Almandin no niantoka fandriana fahalemana ho an'ireo teratany vahiny sy ny famoahana ireo olona niisa 1.600.

Ny taona manaraka 1997, ny marina kokoa dia taorian'ny famonoana miaramila frantsay roa, nisy hetsika frantsay nomena alàlana hiadiana amin'ireo mpihoko tao Bangui (Centrafrique).

Ny taona 1997 ihany, miaramila frantsay teo amin'ny 1.200 teo no nanavotra ireo teratany frantsay sy afrikana nandritra ny ady nifanaovan'ny tafika Kongole sy ireo mpomba ny lehiben'ny tafika Kongole Denis Sassou Nguesso, filohan'ny Repoblikan'i Congo ankehitriny.

Ny 2002, nanangana ny opération Licorne ny tafika frantsay mba hanampiana ireo tandrefana lasa takalon'aina tamin'ny fihokoan'ny tafika, izay nahatonga ny fizaràn'i Côte-d’Ivoire ho roa.

Ny 2003, Zaïre (Repoblika Demaokratikan'i Congo ankehitriny), ny opération Artémis tany Ituri, avaratra atsinanana, no niantoka ny filaminan'ny faritra sy nampiato ny fifamonoana talohan'ny fiparitahan'ireo tafika misatroka manga niisa 2.000 izay frantsay ny 80%.

Ny 2004, nopotehan-dry zareo ny tafika an-habakabaka kelin'ny Ivoariana  tao Côte-d’Ivoire, taorian'ny daroka baomba nataon'ny tafi-panjakana nahazo ny toby frantsay.

2008 Firotsahana frantsay vaovao indray no nanamafy ny fitondràn'ny filoha tshadiana Idriss Deby sy namoaka ireo teratany vahiny nandritra ireo fanafihan'ny mpihoko izay niainga avy any Soudan teo akaiky eo.

2011 tao Libia ny fiaramanidina frantsay no voalohany indrindra nandaroka baomba ny tafik'i Mouammar Kadhafi tamin'ny martsa, taorian'ny fifidianana nataon'ny Firenena Mikambana nanome alàlana ny firotsahana tao Libia  ho fiarovana ny olon-tsotra lasa takalon'ain'ny fihokoana hanoherana an'i Kadhafi. Noraisin'ny OTAN ny fibaikoana ny iraka ankapobeny ny 31 Martsa, izay nahafahan'ireo libiana mpihoko nandresy ny tafi-panjakana sy naka ny fitondrana.

2011 – Côte-d’Ivoire – Natongilan'ny tafika fratsay ho any amin'ny tafiky ny ONU ny mizàna nandritra ny ady an-trano nipoaka taorian'ny nandàvan'i Laurent Gbagbo tsy hametra-pialàna sy hanaiky ny fandresen'i Alassane Ouattara tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Nanapa-kevitra ny hanapaka ny maha « zandarin'i Afrika » azy i Frantsa tamin'ny nadàvany tsy hirotsaka an-tsehatra indray tao Centrafrique, toerana izay iatrehan'i François Bozizé (filohan'ny tafika teo aloha ary tonga eo amin'ny fitondràna tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny nanesorany an'i Ange-Félix Patassé,  filoha voafidim-bahoaka ny15 martsa 2003) fihokoana. Raha tsy hilaza ihany koa zava-mitranga ao Mali :

2013 – Mali – Daroka baomba ataon'ny tafika frantsay an'ireo islamista mpihoko taorian'ny andrana hanitaran-dry zareo ny toby famaharany hikisaka mankany amin'ny renivohitra maliana, Bamako. Efa nampitandrina sahady i Frantsa fa loza mitatao ho an'ny fandriampahalemana ao Eoropa ny fifehezan'ny mpihoko ny ilany avaratr'i Mali.

Mandritra izany fotoana izany, niketrika ‘opératon commando’ i Frantsa mba hanandramana hanavotra ny frantsay takalonaina tazonin'ny mpikatroka avy amin'ny al Shabaab ao Somalie, izay mpiara-dia ihany koa amin'ny Al-Qaïda. Toa hoe maty novonoina ilay takalonaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny