- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpampianatra Oniversite Miantso Ny Hamaranana ny Politikan'ny Zaza Tokana Ao Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Tsy azo hozongozonina ny politikan'ny zaza tokana [1] ao Shina, hoy ny nambaran'ny tompon'andraikitra faratampon'ny fandrindram-pianakaviana iray tamin'ny 14 Janoary 2013. Hoy [2] ny Minisitry Ny Mponina Nasionaly sy ny Vaomieran'ny Fandrindram-Pianakaviana Wang Xia:

The policy should be a long-term one, and its primary goal is to maintain a low birth rate and be gradually perfected.

Tokony hanana tanjona lavitr'ezaka ny politika iray, ary ny tanjona voalohany dia ny hitazonana ny hakelezan'ny taham-piterahana sy ny fanatsarana izany.

Nanomboka [3] vao haingana tao ny adi-hevitra raha tonga ny fotoana hialana amin'ity politika ity, izay narehitry ny fahaleovan'ny olona ny ambaratongan-drafitra amin'ny fanerena hanaovana fanalan-jaza. Tamin'ny Jolay 2012 no niantsoan'ny mpampianatra oniversite ny hanaovana ny politikan'ny zaza roa; tamin'ny Nov 2012, mpahay toe-karena mihoatra ny 30 no nandrisika [4] ny hamaranana ny politikan'ny zaza roa. Niteraka adi-hevitra mafana hafa ao amin'ny media sosialy Shinoa ny fanambarana fitsipahana ny siosion-dresaka [5] fa hajanona ny politikan'ny zaza tokana. Ao amin'ny Sina Weibo aza dia io no lasa lohahevitra mafana laharana voalohany [6] tamin'ny 16 sy 17 janoary.

A screenshot of a report about single children as "little emperors" in China (from youku) [7]

pikan-tsarin'ny fitaterana ny zazatokana ho  “amperora kely” ao Shina (avy amin'ny youku)

Ao amin'ny fitsapa-kevitra nataon'ny Weibo aza dia mihoatra ny 12.000 ny mpisera ny aterineto no mitazona fa izao no fotoana hanesorana ny politikan'ny zaza tokana raha 5000 ihany no mbola manohana ilay politika.

Mandresy lahatra moa ny mpanohana fa efa be mponina i Shina, ka raha tsy misy ilay politika dia ho maro loatra ny olona. Ny lehiben'ny Fanoratana ao amin'ny Global Times Hu Xijin [8] [Hz] no nandray ny fitarihana izany:

支持坚持计划生育大格局,同时支持部分、逐渐放开一些具体政策。中国的高生育率得以控制住,这是了不起的社会成 就。我不希望后代们生活在20亿人口甚至30亿人口的中国…我周围的很多双独已经开始生2个孩子了, 祝贺他们。但这不意味计划生育的终结。

Manohana ny politikan'ny zaza tokana aho; fa manohana ihany koa ny famahana tsikelikely ny politika sasany any amin'ny faritra sasany. Zavabita goavana ao Shina ny fifehezana ny taha-piterahana avo. Tsy tiako ny hahita ny taranaka ahitana mponina roa na telo miliara ao amin'ny firenena iray. Efa avela hanan-janaka roa ny mpivady roa samy zaza tokana ao amin'ny fianakaviana; miarahaba azy ireny aho. Fa tsy midika ho fampitsaharana ny politikan'ny zaza tokana izany.

Saingy tahaka ny tsy mahita ny olana ara-mponina ankehitriny ateraky ny politikan'ny zaza tokana ireo mpanohana. Maro ny mpampianatra onivrsite sy mpanay toe-karena no mandresy lahatra fa niteraka andian'olana lavitr'ezaka ny politikan'ny zaza tokana, ao anatin'izany ny fahanteran'ny mponina sy ny tsy fitovitovian'isan'ny lahy sy ny vavy. Nilaza ihany koa ry zareo fa tsy hanan-janaka maro ny Shinoa na tsy hisy aza ilay politika.

Niantso ny hanitsiana haingana ilay politika ny mpiara-manorina ny Ctrip Liang Jianzhang [9][zh]:

僵化的生育政策导致倒金字塔的人口结构,为中国经济发展埋下了巨大的隐患,引发各种社会问题,改革刻不容缓!

Nitarika “fivadihan'ny piramida”-n'ny rafitry ny mponina miaraka amin'ny loza tsy nirìna mety hitranga eo amin'ny fampandrosoana ara-toe-karena sy eo amin'ny olana ara-tsosialy isan-karazany io politika henjana io. Tsy azo ahemotra ny fanitsiana politika!

Liang also Nanoratra [10] [zh] fanehoan-kevitra ao amin'ny teny Shinoan'ny Wall Street Journal manazava ny tsy tokony hanerena intsony ny fitazonana ny taham-piterahana ambany ihany koa i Liang.

Manampy fanazavana ny Profesora Wu Bihu [11] avy ao amin'ny Oniversiten'i Beijing:

因为计生委有行政编制、准生寻租、超生罚款等利益链,国家不应被计生委绑架。强制人流谋杀生命、独生子女社会问题、性比例失衡、老龄化、城市化育子成本蹿升出生率下降等,都已预示计划生育政策可以洗洗睡了。

Maro ny tombontsoa ao amin'ny Vaomieran'ny mponina sy ny Fandrindram-Pianakaviana tafiditra, satria asan'olona maro no tafiditra sy ny onitra volabe aloa amin'ny zaza faharoa. Saingy tsy tokony alain'ny Vaomieran'ny Mponina sy ny Fandrindra-pianakaviana. Ny fanerena hanala zaza, ny olana ara-tsosialy avy amin'ny zaza tokana, ny tsy firindran'ny isan'ny lahy sy ny vavy, ny fahanteran'ny mponina haingana, ny fihenan'ny fiterahana noho ny halafon'ny fitaizana zaza, efa fanondroana avokoa ireo rehetra ireo fa efa afa-matory ny politikan'ny zaza tokana.

Yuan Li [12][zh], lehiben'ny fanoratana ao amin'ny Wall Street Journal China namoaka antontan'isa ho fanohanana ny fanambaran'i Wut:

计生委成立于1981年,有50万全职雇员和600万兼职员工,每年征收的罚款达数百万美元

Naorina tamin'ny 1981 ny Vaomieran'ny Mponina sy ny Fandrindra-Pianakaviana. Misy atsasa-tapitrisa miasa feno sy mpiasa 6 tapitrisa miasa tapak'andro [ao] amin'izao fotoana izao. Mandray onitra mahatratra an-tapitrisany dolara isan-taona ry zareo.

Nanome akony ny mpahay toe-karena Mao Yushi [13][zh] :

其实,取消计划生育全国几十万的计生干部都要失业。这是生死存亡之战。

Ny marina, misy mpiasa ambony an'arivony very asa raha vao foanana ilay politika. Adin'ny fiainana sy ny fahafatesana izany.

Manadihady ao amin'ny bilaoginy ny mpikaroka ara-piaraha-monina Yi Fuxian [14][zh]:

现在很多人认为城市化可以保证中国经济继续高速增长。本文从人口结构分析,中国不可能重现日、台、韩当年那种经济奇迹。中国现在经济放缓并非偶然。城市化也是生育率跳跃性下降的过程,中国需要果断停止计划生育。

Maro ny olona no mieritreritra fa afa-miantoka ny fitohizan'ny fitomboan-karenan'i Shina ny fanitarana ny tanàn-dehibe. Avy amin'ny zoron'ny firafitry ny mponina, tsy ho vitan'i Shina ny hanao fahagagana ara-toe-karena tahaka izay niainan'i Japan, Taiwan ary Korea. Tsy kisedrasendra ny fitsontsoriky ny toe-karenan'i Shina. Mampihena ny fiterahana ihany koa ny fanitarana ny tanàn-dehibe. Mila mampitsahatra ny politikan'ny zaza tokana avy hatrany i Shina.