@SyriaCampaigns nisioka hoe:
Eritrereto ity: Eo am-panaovana fanadinana ianao & mijery ora ka 15 minitra sisa. Tampoka teo nahare fipoahana ianao. Vita. #AleppoUniversity
Nitiranga izany tamin'ny 15 Janoary 2013. Andro voalohany tamin'ny fanadinana raha namely ny faritry ny anjerimanontolon'i Aleppo ny ady ao Syria, olona 80 mahery no namoy ny ainy ary 160 kosa ireo naratra tao amin'ny faritry ny sekoly nandritra ny fipoahana roa niseho. Ho setrin'izany loza mahatsiravina farany teo manoloana ny herisetra mitoetra ao Syria izany, bilaogera Nour al-Ali naneho tsara ny “Tsy fahavitany Misaona” amin'ny maha “Syriana tsy manampiaro” azy, hoy izy nanazava:
Tsy fantatro izay ho ambarako eto; mbola eo am-pieritreretana lohahevitra mifanaraka amin'ity lahatsoratra ity aho, kanefa tsy mahavita misaona araka ny tokony ho izy intsony aho. Eny, izany no tiako ambara. Tsy fantatro intsony ny fomba itelemana fisiana fahafatesana hatrany, na ara-panoharana, na ara-bakiteny, na ara-filôsôfia, na ara-… tsy hay intsony amin'izay eritreretinao. Tsy ekeko ny mitaza-potsiny izao tranga mampihivingivin-doha avy ato Syria izao miaraka amin'ny tanana mikombona sy ranomaso latsaka. Raha ny tena marina, tsy mahavita mitomany intsony aho. Tsy mba mampiseho fietanampò ho tomany aho, kanefa nataoko izany. Misy ny fotoana raha lasa lavitra ianao dia manomboka mavesatra aminao ny fahamaroany, ary tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny ataonao. Tsy mitompo teny fatratra aho hoe mahazatra ny olona izany, saingy ho ahy, amin'izao fotoana izao, maty in'arivo isan'andro aho rehefa mamaky vaovao fotsiny. Mieritreritra ny tenako aho, izay ataoko eto, sy ny antony tsy nahatany ahy. Avy eo tonga ny fahanginana mivalam-peo izay mankarenina ny sofiko. Tsy manan-kavaly aho.
Voatangoron'ny hafa-pisaonana sy fahatezerana ny tenifahatra #AlepoUniversity sy #AleppoUniMassacre. Hoy i @arwamenla nanamarika tao amin'nyTwitter milalao teny mitovy fanonona misy eo amin'ny “diplaoman'ny anjerimanontolo” sy ny “Fanaovana martiora” amin'ny teny Arabo :
Ao #Syria ihany no hahafahana mahazo ny شهادة rehefa manoratra ny… farany anao & tsy miteny ny شهادة ho diplaoman'ny oniversite aho. #AleppoUniMassacre
Avy amin'i @farah_sooriah:
Toa rahonan'ny mpianatra miatrika fanadinana farany i Bashar AlAssad, ka nanapoahany baomba izy ireo FreeSyria
#AleppoUniMassacre
Tarik Aldiery nisioka hoe:
Vonoina ny mpianatry ny anjerimanontolo satria manan-tsaina & afaka manampy amin'ny zavatra tsara ao amin'ny firenena izy ireo.
#AssadLogic#AleppoUniMassacre
Nora Basha @Nora0315 nanoratra hoe:
“Mazava be tokoa fa anisan'ny drafitra mahazatra hisian'ny fahavoazana betsaka araka izay tratra ny famonoana olona tao amin'ny anjerimanontolo .” #AleppoUniversity
Mouna Hashem @mannoush nilaza hoe:
Nanapoaka baomba tamin'ireo mpianatra ao amin'ny #AleppoUniversity i Assad tamin'ny andro voalohan'ny fanadinan'izy ireo, avy eo mihira & mivavaka ho azy ny mpitandro ny filaminana mbola velona! #HangASSad2013
Micheline Hazou (@mich1mich) nanamarika hoe:
Inona no fiteny hilazana ny zava-misy fa nanapoaka baomba tamin'ireo hoavin'ny firenena i #Assad ??? #AleppoUniversity #Syria #Assadcrimes
Angamba satria ireo mpianatra no hoavin'ny firenena ka toa mafy sy mankarary izao tontolo izao ny zava-nitranga. Nambaran'ireo Oniversite manerana an'i Etazonia sy Kanada tao amin'ny Facebook ny fiaretan-tory maika.
Toerana masina ny oniversite, toerana handratovantsika fianarana sy hahalasa antsika ho lehilahy sy vehivavy hitondra ny anjara birikintsika eo amin'ny fiarahamonina rahatrizay. Eo no hananganana ny hoavin'ny firenentsika. Noheverina ho karazana toerana azo antoka eto an-tany izy.
Tsy toy izany ny zava-misy ao Syria. Tamin'ny 15 Janoary, nanapoahan'ireo mpitandro ny filaminan'i Assad baomba tao amin'ny Oniversiten'i Aleppo raha teo am-panalana ny fanadinana andiany voalohany ireo mpianatra. Nisaina tao anatin'ny korontan-trano rava sy ny fahapotehana ny isan'ireo namoy ny ainy sy ny naratra.
Miray hina miaraka amin'ireo mpianatry ny Oniversiten'i Aleppo izahay ary manome voninahitra sy mahatsiaro azy ireo manerana an'i Etazonia.