GlobalVoices anaty

Fahalotoan'ny Rivotra Isanandro Ao Teheran Atao An-tsary.

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

한국어 · 삽화로 그려진 테헤란의 치명적인 대기오염
Français · La pollution de Téhéran en images
Español · La letal contaminación atmosférica de Teherán en imágenes
عربي · تلوث الهواء المميت بطهران بالصور
বাংলা · তেহরানের মারাত্নক বায়ু দূষণের সচিত্র বিবরণ
Swahili · Uchafuzi wa Hewa wa Kutisha Jijini Tehran Waanikwa
русский · Смертельное загрязнение воздуха в Тегеране
Nederlands · Dodelijke luchtvervuiling in Teheran in beeld
繁體中文 · 伊朗:呈現空氣污染問題
简体中文 · 伊朗:呈现空气污染问题
فارسی · آلودگی مرگبار هوای تهران به روایت تصویر
Italiano · Iran: inquinamento atmosferico letale a Tehran
македонски · Илустрирано смртоносно загадување во Техеран
Svenska · Tehrans dödliga luftföroreningar i bild
polski · Śmiertelnie niebezpieczne zanieczyszczenie powietrza w Teheranie zilustrowane
English · Tehran's Deadly Air Pollution Illustrated

Ho an'ireo Iraniana an-tapitrisa, fahavalom-bahoaka voalohany nandritra ny taona maro ny fahalotoan'ny rivotra iainana. Tsy vaovao mahagaga intsony rehefa manakatona andrim-panjakana sasantsasany ny governemanta  noho ny fahalotoan'ny rivotra.

Tany ampiandohan'ity volana ity,  nanambàra ny Minisitry ny Fahasalamana fa olona maherin'ny 4.400 tamin'ny taona lasa no namoy ny ainy noho ny fahalotoan'ny rivotra tao Teheran, renivohitr'i Irana.

Teheran Be Vovoka

Misy sariitatra marobe nozarain'ireo Iraniana mpisera ety anaty aterineto mikasika ny fahalotoan'i Teheran. Nanao sariitatra iray i Omid tao amin'ny Iroon.com hanehoana an'i Teheran be vovoka.

Omid, Iroon.com

Tsy nanadino ny politika i Mana Neyastani tany anatin'ny sariitatra nataony momba ny loto : “Dadabe” miteny hoe “Maraina indray ny andro, ary dia tokony hifoha aho… izao vaovao ratsy rehetra izao…famonoana ho faty, fonja…” Mifoka rivotra tsara i “Dadabe” mba hanombohany ny androny ary dia tafatorombina teo anilan'ny gazety iray nisy lohateny vaventy hoe : “Loto mahafaty amin'ny rivotr'i Teheran”.

Mana Neyestani, Mardomak.

Tanàna Maizina

Ity ny lahatsary iray maneho Teheran iray maizina amin'ny mitatao vovonana tamin'ny fotoana nidinan'ny fiaramanidina iray ho ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Mehrabad.

Tsy Misy Oksizena

Zeyton, Iraniana bilaogera, miteny [fa] fa :

Mahazatra antsika ny miteny hoe tsy misy ifohana rivotra eto amin'ity firenena ity. Amin'ny fitenenana an'io dia ny famoretana ara-politika sy sosialy ataon'ny fitondràna no tondrointsika. Fa ankehitriny dia ara-bakiteny mihitsy ny tsy fisian'ny oksizena hofohana. Fitondràna iray izay tsy afaka akory hanome oksizena ho an'ny olom-pireneny nefa milaza fa hametraka ny fomba fitantanany amin'izao tontolo izao.

Tsy tokony ho adinointsika fa vahoaka any aminà tanàna maro any Iran no nanjary niharan'ny fahalotoan-drivotra ihany koa, tahaka ny any Ahwaz [fa], tanàna any atsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny