Andron'ny Fampihavanana Ao Atsimon'i Yemen

Vahoaka an'arivony avy amin'ny faritany enina ao atsimon'i Yemen no niara-nirohotra tao an-tanànan'i Aden nandritra ny andro vitsivitsy ho fandraisana anjara amin'ilay fetiben'ny “fampihavanana sy fifamelana”. Mankalaza ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao Atsimon'i Yemen taloha izay niseho tamin'ny tamin'ny taona 1986 ny fetibe. Ny ady an-trano dia nifanandrinan'ny mandatehezana roa ka ny andaniny notarihan'ny Filoha Ali Nasser Mohammed ary ny ankilany notarihan'ilay lehiben'ny Sosialista an-tsesintany sady filoha teo aloha antsoina hoe Abdulfatah Ismail. Raha jerena ny niavian'ireo mpitarika roa ireo, Abyan sy Shabwa nandeha niara-dia tamin'i Ali Nasser Mohammed  fa i Radfan sy Dhale kosa nanaraka an'i Abdulfatah Ismail. Avy eo no niaingan'ny gidragidra tamin'ny 13 Janoary 1986, izay nivadika ho adim-paritra sy naharitra amam-bolana, izay niafara tamin'ny fahafatesan'olom-pirenena sy miaramila an'arivony, ka anisan'izany i Abdulfatah Ismail.

Vahoaka marobe avy any atsimon'ny firenena mankalaza ny fitsingeranan'ny fampihavanana sy ny fifamelana ao Aden

Sarah Jamal nisioka hoe

@Sarah_Sanaa: Nandritra ny 3 andro no nanaovan'ireo Tatsimo ny làlana mankany Aden mba hankalaza ny Fampihavanana sy Fandeferana ho fahafatsiarovna ny 13 Janoary. #Yemenhttps://www.facebook.com/#!/photo.phpfbid=3657884704860&set=a.1099982238897.13486.1806908431&type=1&theater

Mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fetiben'ny fampihavanana tao Aden, milanja ny sainam-pirenena tao Atsimon'i Yemen taloha.

Nisioka zava-misy sasany izy:

@Sarah_Sanaa: Tamin'ity andro ity: 13 Jan1986, olona 10.000 no namoy ny ainy, 60.000 nifindra toerana & nitsoam-ponenana ary 3000 tsy hita popoka nandritra ady an-trano naharitra 1 volana fotsiny tao Aden.. #Yemen

Hoy izy nanampy ihany koa:

@Sarah_Sanaa: Fianakaviana roa izay samy mpifahavalo tamiin'ny taona 1986 no nivady nandritra ny hetsika fampihavanana & fandeferana #Yemen https://www.facebook.com/photo.php?fbid=413804755367005&set=a.342590145821800.80568.342578075823007&type=1&theater

Nalefa tao amin'ny Youtube ابو عبود (Abu Aboud) ny hira mifototra amin'ny lohahevitra fampihavanana sy fifamelàna: 

Hussein Yafei nisioka hoe:

@crazyyafai: 13 janoary no andron'ireo foko ao #Atsimon'iYemen, antoko politika & zanam-bondrona nanaovana fihavanana & fifamelàn'ny tsirairay tamin'ireo ady taloha & fahasamihafana

‏@crazyyafai: An-tapitrasany manerana ny #Atsimon'iYemen no tonga tao an-tanànan'i #Aden mba hanao fihetsiketsehana ny faha-7 taonan'ny fifamelàna & fihavanana eo amin'ireo Tatsimo rehetra.

@crazyyafai: Ity sary ahitana hetsika 3 tao #Atsimon'iYemen taminà kianja 3 samihafa, 2 tao hadrmout & 1 tao Aden. pic.twitter.com/7rhCG6PQ

Hetsika telo samihafa ho amin'ny fampihavanana ao Aden sy Hadhramaut.

Mampiseho ireo vahoaka marobe mahatalanjona mihirahira ny fampihavanana ny Tatsimo ny lahatsary nalefan'i Mueen Amin tao amin'ny Youtube

Efa-taona taorian'ny fampiraisana (fanakambanana) ny Repobllika Arabo Yemen sy ny Repoblika Entim-bahoaka Demokratikan'i Yemen tamin'ny 22 Mey 1990, dia vavolombelon'ny ady an-trano naharitra telo volana teo amin'ireo mpitandro ny filaminan'ny fanjakana tavaratra sy tatsimo i Yemen, izay natao hiaro ny firaisana tam-boalohany, saingy vao maika nanohintohina izany aza. Niafara tamin'ny faharesen'ny mpitandro ny filaminana tatsimo ny gidragidra ary nandositra ho an-tsesintany ireo lehiben'ny Antoko Sosialista Yemenita sy ireo mpisintaka tatsimo, izay nikasa hamarana ny firaisam-pirenena. Maro tamin'ireo tanin'ny tatsimo no norobain'ireo lohandohan'ny foko tavaratra ary voaraoka ireo manampahefana sy mpiasam-panjakana ary manamboninahitra an'arivony. Nandritra ny  fitondran'ny filoha Ali Abdullah Saleh, mpikatroka tatsimo an-jatony no namoy ny ainy, naratra na nampidirina am-ponja nandritra ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana. Na dia tamin'ny fitondran'ny filoha Abdu Rabbu Mansour Hadi koa aza, nisy ny fanenjehana ireo mpisintaka.

Taorian'ny revolisiona 2011 tao Yemen sy ny fanonganana ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, dia nosantarina vao haingana ny fampitonena ireo tatsimo. Nanome baiko ny hananganana ireo komity roa mba hamahana ny olan'ny tatsimo ny filoha Abdu Rabbu Mansour Hadi, izay mpiavy avy ao Abyan, faritany ao amin'ny faritra atsimon'i Yemen. Ny komity iray dia misahana ny fijerena ireo fitarainana momba ny tany voaroba taorian'ny ady an-trano tamin'ny 1994 raha toa kosa ka miandraikitra ireo trangam-pandroahana mpiasam-panjakana sy miaramila an'arivony taorian'ny ady noho ny safidin'izy ireo ny komity faharoa. Na dia nilaza aza ny fitondrana tetezamita fa hanome ny 50 isan-jaton'ny seza ho an'ny Tatsimo tamin'ny konferansa, dia mbola maro tamin'ireo vondrona Tatsimo no nandà tsy handray anjara amin'ny Fihaonambem-pirenena Ho Amin'ny Fifampiresahana, izay antenaina hotontosaina afaka volana vitsy.

@crazyyafai: Nikambana ny Atsimo & Avaratr'i Yemen tamin'ny 1990 & tamin'ny 1994 nitarika ady tao Atsimo Saleh ary namadika izany ho fibodoana tany fa tsy firaisana mifototra amin'ny fiaraha-miasa

@crazyyafai: nozaraina tamin'ireo lehiben'ny foko sy ireo Lehiben'ny mpiady ao Avaratra ho toy ny valisoan'ady ny harena rehetra, toy ny solika tao Atsimo taorian'izany ady izany

Hoy izy nanampy:

@crazyyafai: Misaotra betsaka an'ny filoha Hadi tamin'ny fanomezana baiko ireo mpitandro ny filaminana mba tsy hitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana #Atsimon'iYemen androany, maro no voatifitra raha i Saleh no teo.

@crazyyafai: Miezaka mafy hanavotra ny firaisan'i #yemen  ny filoha Hadi saingy misompatra ny lalany ny jeneraly Ali Mohsen & lehiben'ny foko mpanao kolikoly

Summer Nasser nandefa lahatsoratra tao amin'ny Facebook-ny:

Tsapako ny fahamaroan'ireo vahoaka marobe an'alikisa manerana ny tanànan'i Aden androany. Na izany aza, avy any atsimo aho, fa tsy mpanohana ny fisaraham-bazana; nanao ity fanehoan-kevitra ity aho rehefa nahita ireo sary sasany: “Tena zava-misy izany ary mihamahazo vahana hatrany.” Na dia eo aza ireo olana anatiny eo amin'ireo tatsimo, somary mitovitovy ihany ny tanjon'izy ireo: ny fisintahana amin'ny Tavaratra.

Zavatra tsy tokony hodiantsika tsy hita izany… satria mmbola miha-mahazo vahana ny ‘iraka nampanaovina azy ireo’ sy ny fihetsika manoloana izany.

Marika hafa mampiharihary sy mahamafy feo kokoa ny antso ho amin'ny fisintahana ny Fihetsiketsehana omaly. Noho ny fihonganan'ny filoha Saleh sy ny “fomba” nirodanan'ny fitondrany, izay nahatonga ny roa tonta ho samy nijaly teo ambanin'ny fahefany, dia misy ny manantena fa mbola fotoanan'ny fanitsiana ny zava-tsy nety sy ny fampihavanana izao. Nisy ireo ezaka nataon'ny filoha Hadi vao haingana mba hiarovana ny firaisankinan”i Yemen, eny fa na mbola mila ezaka bebe kokoa aza izany. Tsy maintsy atao vaindohan-draharaha amin'ny fomba rehetra ny fampihenana ny fitsabahan'ny any ivelany, ny fitsaboana haingana sy azo tsapain-tanana ny ratram-po amin'ny alalan'ny fitazonana ireo tompon'andraikitra nahatonga izany ary ny famerenana amin'ny laoniny izay zava tsy nety natao mba hamonjena ny firaisam[pirenena].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.