17 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 17 Janoary 2013

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

  17 Janoary 2013

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy.

Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?

  17 Janoary 2013

Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012, hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe hotontosaina araka ny fotoana efa niomanana ny datim-pifidianana. Maro ny mpanara-baovao no tsy dia matoky loatra amin'ny fanatanterahana ny fifidianana...

Andron'ny Fampihavanana Ao Atsimon'i Yemen

Vahoaka an'arivony avy amin'ny faritany enina ao atsimon'i Yemen no niara-nirohotra tao an-tanànan'i Aden nandritra ny andro vitsivitsy ho fandraisana anjara amin'ilay fetiben'ny “fampihavanana sy fifamelana”. Mankalaza ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao Atsimon'i Yemen taloha izay niseho tamin'ny tamin'ny taona 1986 ny fetibe. Ny ady an-trano dia nifanandrinan'ny mandatehezana roa...