Vory Lanona Mamonjy ‘Fitroaran'ny Olom-pirenena’ Ireo Maleziana

Folo an'arivony ireo tonga namonjy ny ‘Himpunan Kebangkitan Rakyat’ (adika ara-bakiteny hoe Fitroaran'ny Fivoria'ny Olom-pirenena) ao Kuala Lumpur, Malezia ny andron'ny 12 Janoary 2013, izay nokarakarain'ny Firaisamben'ny Mpanohitra Pakatan Rakyat ka nampitombo ny heriny izy ireo amin'izao fotoana mialoha ilay fifidianana faobe nambara fa hotanterahina amin'ity taona ity.

Nanasongadina ny notakian'ny Bersih ny fihetsiketsehana (fifidianana madio sy mangarahara), fanentanana ho amin'ny fampianarana maimai-poana, sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Nilaza ny Malaysian Insider, sampam-pahalalam-baovao ao Amin'ny Filankevitry ny Mpisolovava ao Malezia fa olona teo amin'ny 70.000 sy 100.000 eo no tonga nanatrika ny fihetsiketsehana.

An'arivony ireo nanatrika ny diabe #kl112.  Sary avy amin'ny @fitri34

Maro ireo bilaogera Maleziana no manohana ny hetsika toy ny Secret Garden:

Na dia tsy afaka manatrika mivantana eny aza ny tenako, dia miaraka ara-tsaina sy ara-panahy amin'ireo izay mitolona ho amin'ny  governemanta madio sy marina, aho.

Mampiseho ny fahombiazana tsy manam-paharoa tamin'ny Famoriam-bahoaka KL112 fa nifoha tamin'ny torimasony manoloana ny governemanta voavidim-bola sy midonanam-poana ny vahoakantsika (anisan'izany ny tenako).

Misaotra ny fandrosoan'ny teknolojia sy ny aterineto tsy voasivana, tsy voambakan'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny governemanta intsony isika. Izany no mahatonga ny fihetsiketsehana nomena anarana hoe “Fitroaram-bahoaka”.

Nanome famintinana ny hetsika tamin'ny fomba fijeriny i Ipohgal 

Maro ireo mpanao fihetsiketsehana no nitondra sira, rano mineraly ary servieta, vonona hiatrika izay andianà baomba mandatsa-dranomaso sy tafondron-drano hafa indray. Mahagaga, vitsy dia vitsy ny polisy tonga tao hany ka nanjaka ny karnavaly. Nandeha be ny tsenan'ireo mpivarotra T-shirt, fahatsiarovana, sakafo sy zava-pisotro manodidina ny kianjan'i Merdeka.

Olona teo amin'ny 50.000 hatramin'ny 60.000 teo no tafiditra tao anaty kianja ary tao no nandanian'izy ny atoandro tamin'ny fihainona ireo kabary mafana nataon'ny Fikambanana tsy miankiana amin'ny fanjakana (ONG ) sy ireo lehiben'antoko politika. Tonga tao avokoa ny Maley, Shinoa, Indiana,  Eoraziana, Ibana, Dayaks ary Orang Asal. Tonga tamin-kery ny tanora sy antitra, ny lehilahy sy ny vehivavy.

Mahavelombolo ny fahitana ireo olona tsy mifankahalala miara-mitsangana na mipetraka ao anatin'ny firaisankina. Vahoaka iray, saina iray izahay. Tena Anak-anak Bangsa Malezia (Zanaky Malezia) marina sy am-pireharehana isika. Nitehaka, nihira ary nifankahery tamin'ny feo iray isika. Nifanampy tamin'ny fifanomezana rano mineraly ny tsirairay ary nanome vola ihany koa isika mba handoavana ny hofan'ny kianja.  Eny, nandoa vola ho an'ny mpikarakara izahay mba hanatrika ny fihetsiketsehana, fa tsy nokaramain'izy ireo mba hanatrika izany

Ao anatin'ny kianjan'i Merdeka. Sary: @Fred9Fareed

Nisy ireo nisalasala momba izany, ary nilaza fa te-hanangana revolisiona ao Malezia fotsiny ireo mpanohitra. Ohatra, Aeshah Adlina Karim nandefa sary manambara fa manohana ny mpanohitra ny sasany amin'ireo Maleziana mikasika ny antso ho amin'ny revolisiona ka anisan'izany ny fanovana ny sainam-pirenena Maleziana, manohana an'i Chin Peng (lehiben'ny antoko Komonista Maleziana teo aloha izay lasa sesintany sy voaràra hiditra ao Malezia), ary manohana ny lalàna LGBT’.

Dave Avran, somary tsy nanam-piandaniana ary nijery tamin'ny fo maivamaivana manoloana ny fihetsiketsehana.

Tsara ho an'ny firenena ny fisiana fihetsiketsehana tahaka ny androany. Marobe amin'ireo vahoakantsika no leo sy kamo izay tsy manan-katao rehefa faran'ny herinandro ka mitady antony hialàna ao afovoan-tanàna

Mpanao fihetsiketsehana teny ivelan'ny kianja. Sary avy amin'i @imokman

Nalaza tao amin'ny Twitter ny lohahevitra izay nampiroboroboin’ ireo mpikarakara fatratra tamin'ny tenifahatra #KL112 sy #HKR112.

@ShakirAmeer: Tsara fanahy sy tia namana  ireo polisy. Tsy fialam-boly na ho an'iza na iza ny fifehezana tangoron'olona marobe. Omeo voninahitra izy ireo [polisy]! #kl112 http://instagr.am/p/UYZzLBKsDI/

@NatAsasi: tonga izahay, nanao fihetsiketsehana izahay, nody izahay 🙂 arahabaina ny rehetra! incl @PDRMsia @najibrazak. jereo ny fahanginana & filaminan-javatra? 🙂 #KL112

@wongkahwoh: Nanaporofo i Rakyat fa afaka manao fihetsiketsehana milamina isika #KL112. Tokony hanao azafady ny governemanta noho ny fahadisoany amin'ny fanoherana ny demokrasia nataony nandritra ny #709 #428.

@Bengbros: Tsy olona mpanao politika aho saingy mino fa vazivazy ny #KL112, Bersih sy izany mahasosotra izany.

@itsfrankiehere: “Fantatro fa manan-jo hanao fihetsiketsehana milamina ianao. Manan-jo tsy hanohana anao ihany koa aho. #kl112 @abby_abadi112

@tristupe: Raha manao famoriam-bahoaka ny governemanta, dia “famaliana ny rakyat” izany. Raha ny mpanohitra kosa, “famoriam-bahoaka sy fanoherana ny demokrasia” izany. #kl112

@niha_rika94: Maro ireo fomba hanehoana ny hevitsika na ny fahadisoam-panantenantsika amin'ny governemanta ankehitriny fa tsy amin'ny fidinana eny an-dalambe #KL112 #HKR

@fahmi_fadzil: Vahoaka marobe, avy amin'ny fiaviana isan-karazany. Jerena mahatalanjona manome aingam-panahy. Miha-manakaiky haingana ny Tsena Afovoan-Tanàna, miha-mitombo hatrany ireo vahoaka marobe. #kl112

@julia_ti: Tsy mino aho fa mahasolo tena ny hetsika momba ny zon'ny olom-pirenena ny famoriam-bahoaka/fitroarana #kl112 #hkr112.

Vao haingana, nampiseho  ‘sombim-pahampafantarana” horonantsary  mampivarahontsana tamin'ny famoriam-bahoaka efa lasa ao amin'ny Youtube ny Al Jazeera

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.