Mihatakataka Amin'ilay Mpiantsehatra Mafana Fo Ara-politika Ny Tele Koreana Tatsimo

Nilaza ny mpiantsehatra iray anisan'ny be tabataba indrindra ao Korea Atsimo fa nanafoana ny fisehoany amin'ny fahitalavitra ny orinasam-pifandraisana roa taorian'ny nanohanany miharihary kandidà iray resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

Kim Yeo-jin, mpiantsehatra malaza ho manana fijery liam-pivoarana sy mpandray anjara mavitrika amin'ny resaka politika (@yohjini) no namoaka [ko] tao amin'ny Twitter tamin'ny 3 Janoary 2013 fa orinasam-pahitalavitra roa efa namandrika azy hanao fisehoana [fandaharana] no nanafoana tampoka ny fivoahany amin'ny fahitalavitra noho ny fironana politika. mandray anjara mavitrika amin'ny hetsi-panoherana izy ary nanohana an'i Moon Jae-in, kandidàn'ny fironana havia izay resy tamin'ny fifidianana.

각 방송사 윗분들, 문재인캠프에 연관있었던 사람들 출연금지 방침같은 건 좀 제대로 공유를 하시던가요. 작가나 피디는 섭외를 하고 하겠다고 대답하고 나서 다시 “죄송합니다 안된대요” […]

Ry lehiben'ny fantsina mpampiely feo sy sary rehetra. Tsara kokoa raha lazainareo amin'ny olona ny fitsipika anatiny hisorohana izay mpanohana an'i Moon tsy hiseho tele. Efa nisy Mpamokatra sy mpanatontosa namandrika ahy hanao fampisehoana, saingy niantso ahy taty aoriana hilaza hoe “Miala tsiny aho. Tsy azo atao ilay izy”

Nahatratra in-1500 ny fampitan-tsioka hatreo, niteraka tsikera mavaivay ho an'ireo fantsona fampieleza-peo sy/na sary avy amin'ny olona. Ho an'ny mpanara-maso maro dia manamafy indray ny tsiambaratelon'ny fitsipika anatiny mifehy ireo fantsona fampieleza-peo sy sary manao izay tsy hisehoan'ny vitsy an'isa ara-politika na mpitsikera mpanao politika manana ny ambaindainy indray izao toe-javatra izao.

Raha misy ireo misalasala fa mety ho kisendrasendra fotsiny izao fandavana ny tsy hisehoany amin'ny fahitalavitra izao dia nanazava [ko] i Kim:

[…] 굳이 그렇게 꼭 집어 말씀하시던데요. 그 전에도 여러번 당했던일이지만 꼭 집어 그렇게 듣는 건 처음이었어요. “문재인캠프 연관된분이라 안괸다고 하네요. 죄송합니다.”라고 들었습니다.

Nataon-dry zareo mazava tsara io. Efa tratran'izany imbetsaka aho taloha fa sambany ity no nolazaina manokana ny antony. Nilazana aho “hatramin'ny nifandraisanao tamin'ny fanentanan'i Moon, dia tsy afaka (miseho ho hitan'ny besinimaro) ianao. Miala tsiny aho”.

Nanampy tamin'ny tarehy ratsy [ko] i Kim ‘Efa nanahy ny hitrangan'izao aho’.

Kim Yeo-jin at the ThinkCafe Conference

Kim Yeo-jin tao amin'ny Fivorian'ny ThinkCafe [Eritreritra kafe?], sary navoakan'ny mpisera Flickr ThinkCafe (CC BY-NC-SA 2.0)

Nanaraka izany ny hatezeran'ny mpiserasera amin'ny aterineto. @shsh7600 naneho hevitra tamim-paharomotana [ko] :

[…] 이것이 사실이라면 엄연한 인권탄압이며 일종의 정치보복이다. 특히 이런 야만적인 짓은 국민적 저항은 물론 훗날 반드시 그 댓가를 치러야 할것음을 알아야한다

Raha marina izany dia fanitsakitsahana miharihary ny zon'olombelona ary karazana fanasaziana noho ny safidy politika. Tokony hotsenain'ny fanoheram-bahoaka izao fanao mitratrevatreva izao ary mila mizaka ny vokany (ireo mpanatanteraka izany).

Mitaraina i MichaelPeach [ko]:

현재 우리나라 방송국이 정치적 편향성에 대해 자체적으로 ‘정화'할 수 있는 능력도, 자격도, 힘도 없다고 봅니다. 저는 김여진 씨의 방송취소 기사를 보고 어쩌면 5년 전, 현 정부가 들어서면 있었던 기피 연예인들의 방송 하차가 생각났습니다. 그때부터 우리나라는 심하게 분열되기 시작한 것이죠. 정부의 비판하는 배우, 바른 말하는 방송인 그들은 모두 좌파 빨갱이라는 오명을 얻게 되었고 방송을 떠나 있어야 했습니다.

Tsy manana fahafaha-manao, tsy manan-jò, tsy manam-pahefana hanasitranana azy ireo amin'ny fironana politika ny fantsom-pampielezam-peo sy sary eto amin'ny firenena. Rehefa nahare ny vaovao momba ny fanafoanana ny fisehoan'i Kim Yeo-jin’ tamin'ny tele aho dia mahatsiaro ireo fandaharana tele mpampiala vola natsahatra tampoka, vantany vao nanomboka niasa ny fitondrana ankehitriny. Manomboka hatreo isika mahita fahavakisana politika. [Raha] misy mpiantsehatra mitsikera governemanta, mananjò hiteny izay inoany ireo fantsona fahitalavitra– terena ry zareo handao ny tele rehefa hita ho ‘mpanohana  Koreana Tavaratra, komonista kavia’

Mandresy lahatra [ko] ny mpanohitra izany fomba fijery izany, tahaka an'i @pyein2 fa ny fanafohana ny fisehoana tele dia mety ho vokatry ny tsy fahombiazan'i Kim mamokatra sarimihetsika mahasarika olona maro dia maro, sy ny fikendreny halaza amin'ny alalan'ny fahazotoana ara-politika mihoatra noho ny filalaovana an-tsehatra. Saingy  navoitran'ny [ko] bilaogera iray fa tsy mbola mahàla ny tsiny izany:

자신이 애국보수라고 주장하는, 대한민국의 자칭 보수는 이 상황이 당연하단다. 왜? 나랑 다른편에 섯다고. 그래서 그냥 나와 다른편이기 때문에 밥줄이 끊기는건 당연하다고 이야기 한다. 왜 이게 당연한건가? […] 나는 우리집에서 내는 TV수신료 내고 싶지 않다.

Afa-niteny izay olona milaza ny tenany ho ‘mpandala ny mahazatra tia tanindrazana’ na ny ‘(tena) mpandala ny mahazatra’ . Ka ahoana moa? Satria misy olona mijoro amin'ny foto-kevitra hafa, satria io olona io mijoro ery andaniny [mifanohitra aminao], no ahafahanao manamari-tena fa mety mampidi-doza ny fomba fiainan-dry zareo? Ahoana no hanamarinana izany? […] Tsy te-handoa saram-pijerena fahitalavitra intsony aho.

Gazety ao an-toerana iray no mino fa [ko] na dia tsy misy lisitra mainty voasoratra an-taratasy aza, dia afa-milaza an-kolaka amin'ny mpamokatra fandaharana ny lehiben'ireo fantsona tele ireo fa tsara kokoa ny tsy mampiasa ireo mpiantsehatra manahirana na milaza mandritra ny fandaharana ataony ny fironany ara-politika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.