- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana [1] sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany [2] tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena.

Teo ambany oram-be mamanàla sy tafo lanitra, Shiita Hazara an-jatony maro no nifamory tao amin'ny Lalambe Alamdar, teo anilan'ny tranovorona nisy ireo havany, hisaona ny fahafatesan'ireo tra-doza tamin'ireo fipoahana roa nahafatesana ain'olona 82 [3] ny 10 Janoary 2013. Lavin'izy ireo ny handevina ny havany mandra-pifehin'ny tafika an'i Quetta.

We Are All Hazara 

Dikasarin'ireo lohahevitra tao amin'ny Twitter tao Pakistan, toerana faharoa ao anaty lisitra ny  #WeAreAllHazara .

Lasa niverimberina teny anaty lohahevitra tao amin'ny Twitter tany Pakistana hatreo ny fitorevahana tao Quetta, ny tenifototra “#WeAreAllHazara [4]” – “Hazara Daholo Izahay Rehetra”.  Naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara [1] vitsy an'isa ireo Pakistane mpisera ety anaty aterineto, tsy nijerena izay fironany ara-pinoana na izay fanabeazana ara-piarahamonina  azony.

An-jatony maro ireo Pakistane nanao fanoherana [5] am-pilaminana tany amin'ireo tanàna samihafa tao Pakistana isan'ireny, Islamabad, Karachi sy Lahore mba haneho fanohanana an'ireo vondrom-piarahamonina Shiita Hazara ao Quetta, ao amin'ny Lalambe Alamdar

Fanehoan-kevitra ao amin'ny Twitter:

Syed Ali Raza Abidi (@abidifactor [6]): Ato @ Karachi Press Club aho izao maneho firaisankina amin'ireo rahalahintsika #Hazara [7] – Ho avy ve ianao? #QuettaSitIn [8] #WeAreAllHazara [9] twitter.com/abidifactor/st… [10]

Ali Rahman (@Baahirezaman) [11]: Fanontaniana tsotra iray… ato amin'ny #Karachi [12] Press Club #ShiaGenocide [13] #WeAreAllHazara [9] “Izaho ve no manaraka?” @beenasarwar [14] @anasmallick [15] twitter.com/Baahirezaman/s… [16]

[17]

Pakistane mpanao gazety milanja teny faneva manohitra ireo fipoahana baomba roa tao Quetta, nandritra ny hetsi-panoherana iray tao Hyderabad, Pakistana. Sary an'i Rajput Yasir. Fizakà-manana Demotix (11/1/2013)

Adil Shahzeb (@adilshahzeb): [18] Ny ‘tsia’ avy amin'ireo Shiita-Sionita mpanao fihetsiketsehana dia nitombo foana na teo aza ny andro mamanàla teo ivelan'ny Kaomisiona Ambony Momba an'i Pakistana tao #London [19] #Shiakillings [20]#WeAllAreHazara [21]

PTI (@PTIofficial): [22] Mitomany miaraka amin'ireo Hazaras ny fonay. Ireo izay afaka, tongava manatevin-daharana azy ireo amin'ny fitorevahana @ Lalambe Alamdar #Quetta [23] #WeAreAllHazara [9] #ShiaGenocide [13] twitter.com/PTIofficial/st… [24]

Syed Jalal Hussain (@jalalhussain) [25]: #WeAreAllHazara [9] Hetsi-panoherana mitranga amin'izao fotoana izao ao Lahore. Tsy ratsy ny fandraisana anjaran'ny olona (tsy vitsy). yfrog.com/ocqsytfj [26]

Abdul Nishapuri (@AbdulNishapuri): [27] Fampahatsiahivana: Silamo Shiita an'arivony maro tao Lucknow India no nikarakara famoriam-bahaka hanoherana ny #ShiaGenocide [13] (fanaovana vonomoka ny Shiita) ao Pakistana shar.es/4wHrG [28] #WeAreAllHazara [9]

Ny fitakian'ireo Shiita Hazaras

Niaritra ny maripàna mamanàla ambanin'ny aotra, nolavin'ireo mpandray anjara tamin'ny fitorevahana tao Quettq ny handevina ireo havany [29] mandra-pahazoan-dry zareo antoka fa hiaro azy ireo ny fanjakana ary hasiana fijerena ny fitakian'izy ireo. ‘Nivoady’ ireo mpanao hetsi-panoherana, tsy hitsahatra izy ireo raha tsy efa manaiky ny manampahefana fa hiantoka ny filaminana sy ny fitantanana ny tanàna ho eo ambany fifehezan'ny tafika.

[30]

Miaritrany hatsiaka mamanàla mandritra ny alina i Islamabad ho fanehoana firaisankina amin'ireo rahalahy sy anabavin-dry zareo any amin'ny Lalambe Alamdar. Sary natolotr'i Hassan Bilal Zaidi.

Manampahefana iray avy amin'ny antoko Shiita ao an-toerana, Hashim Mousawi, miteny [2]hoe:

Nandamoaka ny milin'ny governemanta, tsy misy fiarovana ny vahoaka ao Quetta. Tsy hampitsahatra ny fanoheranay izahay mandra-pahazoanay antoka fa horaisin'ny tafika ao Pakistana ny filaminana sy ny fitantanana ny tanàna ao Quetta.

Kanefa, manamafy [31] i Hashim Ghilzai, manampahefana ambony iray, fa hoe, “Miezaka mandresy lahatra azy ireo izahay mba hampitsaharany ny fihetsiketsehany. Tsy afaka hanome azy ireo zavatra tsy voafehinay izahay.”

Fitsapan-kevitra iray nataonà fampahalalam-baovao tantanan'ny tsy miankina ety anaty aterineto, The Express Tribune [32], no mampiseho fa avy amin'ireo mpifidy 1.952, ny 1.702 dia mitaky ny firotsahan'ny tafika ao an-tanàna [33].

Tahatahaka izay, ny Hazara Democratic Party [34] (Antoko Demokratika Hazara) ihany koa dia nanao hetsi-panoherana iray tao Quetta [2] hanoherana ny asa fampihorohoroana ao an-tanàna, ny 12 Jan. Nahazo ireo arabe samihafa sy lalambe migodana samihafa ilay famoriam-bahoaka, ary nifarana teo akaikin'ny biraon'ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Balochistan. Ny filohan'ilay antoko, Abdul Khaliq Hazara [35], dia nanao fitokonana tsy hihinan-kanina [36] nanomboka halina (12 jan) ary hitohy mandritra ny 3 andro.

Ireo mpikambana avy amin'ny Hazara Democratic Party ao anatin'ny lasy mitokona tsy hihinan-kanina. Avy amin'ny HDP official Facebook page [37].

Nifarana tsy nahitam-bokatra [38] ireo fifanatonana tamin'ny 12 Janoary nikendren'ny Governoran'i Balochistan, Nawab Zulfiqar Magsi sy ny Minisitra Federaly, Syed Khursheed handresena lahatra ireo Shiita Hazara mpanao hetsi-panoherana mba hampitsahatra ny fitorevahan-dry zareo.

Ny filohan'ny Pakista Tehreek-e-Insaf, Imran Khan dia nanambara fa hanatevina laharana ny fitorevahana ao Quetta [39] any 13 Jan.

Marvi Sirmed(@marvisirmed): [40] Isaorana ny IK. Manaja tompoko. @imrankhanpti [41]. RT @raoo512 [42]: imran khan manao hetsi-panoherana amin'izao fotoana izao ao lahore manohitra ny famonoana ireo hazara. ho any queta rahampitso:

Hatramin'ny 2001, ireo Silamo Shiita Hazara avy ao Quetta — no lasibatra tsy miato amin'ny herisetran'ireo vondrona mitam-piadiana [43].

Soso-kevitra amin'ny tenifototra enti-manjohy ireo fitorevahana ao amin'ny Twitter: #WeAreAllHazara [44] #ShiaGenocide [45] #Quetta [46] sy #ImranAaRahaHai [47] [urdu] (Miala any i Imran Khan)