- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiakatra Ny Feo Ny Fanaovan-Tsonia Boky Tanaty Fahanginana Tao Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Tsy ela akory izay i Li Chengpeng [1], bilaogera iray sady tsy mataho-maso mena manao kiana ara-tsosialy, dia namoaka boky iray vaovao: Mahafantatra izao tontolo izao [2] [zh]. Fantatra ihany koa amin'ny maha-mpikabary imasom-bahoaka mahay mandresy lahatra azy, nanao kabary iray sahisahy [3] mikasika ny fahalalahana miteny i Li tamin'ny Novambra lasa teo tao amin'ny anjerimanontolon'i Beijing, sangany ao Shina. Raha kabary hafa no nandrasan'ireo mpanatrika tamin'ilay hetsika fanaovan-tsonia (dédicace) ny bokin'i Li tao an-tanànany ao Chengdu, faritanin'i Sichuan, Shina ny 12 Jan 2013, dia Li tsy niloa-bava sy misaron-tava no hitan'izy ireo. Nosivanina noraràna ny kabariny.

Vao ny alina nialoha ilay hetsika fotsiny, dia nibitsika [4] [zh] ho an'ireo 6,6 tapitrisa mpanjohy azy i Li tao amin'ny Weibo:

A silent book signing event. Image posted by a Weibo user.

Hetsika iray fanaovan-tsonia boky natao am-pahanginana . Sary nalefan'ny mpampiasa Weibo

深夜有人匆忙传达上峰死命令:12日成都签售,不准读者向我提问、不准我说话,不准我致开场白,连“新年好,谢谢你们”也不准说,不准介绍流沙河、冉云飞及所有嘉宾名字,不准向他们提问,也不准他们说话,连“新年好”也不准说。他们只能坐在角落…我深觉这这违背了我对尊严的理解。他们疯了。

Nisy olona vao avy nanolotra ahy didy henjam-belona iray: amin'ny fotoana fanaovan-tsonia ny bokiko, tsy mahazo alàlana hiloa-bava aho; tsy mahazo alàlana hametraka fanontaniana amiko ireo mpamaky; tsy afaka akory na dia ny hampahafantatra ny tenako aza aho, na hiteny hoe “Arahaba nahatratra ny Taona, Misaotra Anareo”. Tsy manana alàlana ihany koa aza aho hanao teny fampidirana ireo vahiniko hafa amin'ilay hetsika hataoko; tsy manana alàlana hiresaka na hamaly fanontaniana koa izy ireny. Afaka mipetraka fotsiny ery an-joron-trano ry zareo. Tena tsapako tanteraka hatrany anaty lalina any fa mifanohitra amin'ny fahatakarako ny atao hoe maha-olona izany. Mitapy ry zareo.

Nibitsika tao amin'ny Sina Webo ireo olona nanatrika ilay hetsiky ny 12 Janoary:

方塘方糖:来了好多读者也来了好多警察。嘉宾和作者都没给发言的机会。大眼红着眼睛戴上黑色口罩向读者展示了写在T恤上的四个大字“我爱你们”……大眼,不哭!大眼,加油!

方塘方糖 [5][zh]:Maro tamin'ny mpamaky no tonga; maro tamin'ny polisy ihany koa no tonga. Tsy nanam-bintana hiteny mihitsy ilay mpanoratra sy ireo nasainy. Nitondra sarontava mainty i Li ary vonton-dranomaso ny masony. Ny T-shirt nanaovany dia nivaky hoe: “Tiako ianareo rehetra.” Li, miangavy anao tsy hitomany. Mirosoa hatrany!

王金明小伙: 这是我经历过的最压抑的签售会,会场人很多但是却几乎没有什么声音,国保在各个角落蹲守,大眼带着口罩还签错了一个日期,于建嵘等嘉宾只在台上晃了一下就被请下台躲在旁边的水吧里,大眼开始还流泪了。

王金明小伙 [6][zh]: Izao no hetsika fanaovan-tsonia faran'izay nampalahelo sy nampitanondrika indrindra natrehako teo amin'ny fiainako. Feno olona teny an-toerana saingy tsy nandrenesam-peo. Feno polisy niambina ny zoron-trano rehetra. Nitondra sarontava iray i Li ary nanasonia ny bokiny taminà datin'andro diso. Fotoana vitsy monja no nisehoan'ireo nasainy nialoha ny niangaviana azy ireo hiala. Nikoriana teny amin'ny tavan'i Li ny ranomasony.

西藏王洪: 排队购书的,80后90后为主。被洗脑式教育10几年,可能一本书就治好了。

西藏王洪 [7][zh]: Ny ankamaroan'ireo mpividy ilay boky dia teraka tany amin'ny taona 80 sy 90. Taorian'ny 10 taona mahery nanasàna atidoha azy ireo, angamba mety hanasitrana azy ireo ilay boky.

Raha ny maro amin'ireo mpampiasa ny Weibo no mihevitra ny fanaraha-maso hetsika madinika toy izany fanaovan-sonia izany ho toy ny hadalàna, dia inoan'izy ireo kosa fa ilay hetsika fanaovan-tsonia natao am-pahanginana dia efa maneho ny fikorontanan-tsain'ny governemanta.

我叫饭某某:不允许李承鹏说话,是害怕有越来越多的人醒过来。可是这般风声鹤唳草木皆兵是不是也太二了点?不过一场签售会。

我叫饭某某 [8][zh]: Tsy navelan-dry zareo hiteny i Li Chengpeng, satria atahoran-dry zareo ho bebe kokoa ny olona hifoha amin'ny torimasony. Kanefa, ny fikorontanan-tsain-dry zareo dia naneho ny hadalàny. Hetsika iray fanaovan-tsonia boky fotsiny anie io e.

酝七:被禁言的签售会,讽刺。拖时间,禁言,撤音响……所幸,思想可以发言。全世界人民都知道。

酝七 [9][zh]:Fanaovan-tsonia anaty fahanginana, mahatsikaiky re izany. Nahisatr'izy ireo ny fotoana, noraràny ny fitenenana, nendahany ny fanapariaham-peo….kanefa, afaka miteny ny feon'ny fieritreretana. Mahafantatra izao tontolo izao.

Mpisera iray ety anaty aterineto no naneho hevitra [10] [zh] tamim-panesoana tao amin'ny twitter hoe:

突然发现最有艺术炒作能力的还是中共。李承鹏本来很一般的售书活动,被中共一加工,就成了全世界都知道的行为艺术了。

Tampoka teo dia nahita ny Antoko Kaominista namadika buzz (horakoraka) iray ho lasa taokanto aho. Ny fanaovan-tsonia ny bokin'i Li Chengpeng dia hetsika tsotra kely monja ihany, saingy taorian'ny nikirakiran'ny Antoko Kaominista azy ity, dia nanjary tsanganasa iray toy ny seho an-tsehatra izay niely maneran-tany ilay izy.