Sazy Henjana An-tranomaizina No Azon'ireo Bilaogera Vietnamiana “Mpanohitra”

Olona 14 no nosamborin'ireo manampahefana Vietnamiana rehefa avy nanatrika fampiofanana tao Bangkok izay nokarakarain'ny Antoko Reformista Vietnamiana na Viet Tan,  satria voalaza fa nandray anjara tamin'ny “hetsika mikendry hanongam-panjakana.” Mpianatra eny amin'ny katolika, bilaogera ary mpikatroka ny zon'olombelona avokoa ny ankamaroan'ireo olona voasambotra. Tamin'ny 9 Janoary teo, nampangain'ny fitsarana ao an-toerana fa meloka noho ny fanakorontanana izy ireo no sady nolazainy ny voalaza ao amin'ny andininy faha-79 amin'ny fehezan-dalàna famaizana. Sazy henjana an-tranomaizina no azon'ireo olona voaheloka:

1. Ho Duc Hoa (13 taona an-tranomaizina, 5 taona ambenana an-trano)
2. Dang Xuan Dieu (13 taona an-tranomaizina, 5 taona ambenana an-trano)
3. Paulus Le Son 13 taona an-tranomaizina, 5 taona ambenana an-trano)
4. Nguyen Van Duyet (6 taona an-tranomaizina, 4 taona ambenana an-trano)
5. Nguyen Van Oai (3 taona an-tranomaizina, 2 taona ambenana an-trano)
6. Ho Van Oanh (3 taona an-tranomaizina, 2 taona ambenana an-trano)
7. Nguyen Dinh Cuong (4 taona an-tranomaizinan, 3 taona ambenana an-trano)
8. Nguyen Xuan Anh (5 taona an-tranomaizina, 3 taona ambenana an-trano)
9. Thai Van Dung (5 taona an-tranomaizina, 3 taona ambenana an-trano)
10. Tran Minh Nhat (4 taona an-tranomaizina, 3 taona ambenana an-trano)
11. Nong Hung Anh (5 taona an-tranomaizina, 3 taona ambenana an-trano)
12. Nguyen Dang Vinh Phuc (sazy mihantona)
13. Nguyen Dang Minh Man (9 taona an-tranomaizina, 3 taona ambenana an-trano)
14. Dang Ngoc Minh (3 taona an-tranomaizina, 2 taona ambenana an-trano)

Bilaogera ‘Mpanohitra’ ao amin'ny fitsarana. Tao amin'ny pejy Facebookn'ny Viet Tan

Viet Tanis vondrona politika mpanohitra miorina ao Etazonia izay voararan'ny governemanta kaomonista Vietnamiana. Namoaka ity fanambarana ity izy ireo tamin'ny andro nanaovana ny fitsarana:

Nikely aina niaro ny fahamarinana ara-tsosialy, nazoto tamin'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra sy nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana milamina manohitra ny fanitsakitsahan'ny shinoa ny sisintaniny ireo mpikatroka, izay mbola 20 taona na 30 taona ny ankamaroany. Manoloana ny fanenjehana ireo olona ireo noho ny fanehoan-kevitra milamina sy ny fiarovana ara-politika ataony, nampiseho indray ny  fitondrana ao Hanoi fa matahotra mafy ny fiarahamonim-pirenena.

Nihetsika avy hatrany ireo fikambanana mpiaro ny Zon'Olombelona raha nahare ny vaovao ka nitaky ny famotsorana ireo bilaogera voampanga. Shawn Crispin , Komitim-piaraovana ny Mpanao Gazety namariparitra fa toy ny” fanampena-bava ny fitateram-baovao tsy miankina (an'olotsotra)” ny anton'ilay “didim-pitsarana henjana” :

Mampiseho izany didim-pitsarana henjana, sy maharitra loatra izany fa mikasa hanafoana ny tati-baovao tsy miankina ny manampahefana Vietnamiana. Miantso ireo manampahefana izahay mba hampiato izao fanamelohana izao ary hamotsotra ireo mpanao gazety rehetra miatrika fitsarana noho ny fiampangana diso azy ireo mikasika ny fiarovam-pirenena.

Brad Adams ao amin'ny Mpanara-maso ny Zon'olombelona nanolo-kevitra fa tokony hotohanana ireo mpikatroka fa tsy hogadraina:

Ohatra hafa mampiseho ny fahatahoran'ny governemanta ny fanehoan-kevitry ny vahoakany ny fanamelohana indray ireto mpikatroka milamina ireto. Ho solon'ny fanagadrana ireo mpitsikera, tokony tohanan'ny governemanta Vietnamiana izy ireo amin'ny ezaka ataony amin'ny fampahafantarana ireo olana hatrehin'ny firenena izay olana efa fantatry ny governemanta ihany rahateo .

Na inona na inona antony, toa manao didy jadona amin'ny vahoakany manokana sy izao tontolo izao ny governemanta raha milaza izy fa fandrahonana ho an'ny Fanjakana ny olona izay miezaka mampanaja ny zon'ny hafa.

Namana sy havan'ireo bilaogera ‘mpanohitra’ miandry ao an-tokontanim-pitsarana. Sary avy amin'i Viet Tan

Rupert Colville ao amin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana Filan-kevitra Ambony misahana ny fiarovana ny Zon'Olombelona nandrisika ny amin'ny hanovana ny fehezan-dalàna famaizana ao Vietnam:

Mandrisika ny governemantan'i Vietnam izahay mba hanova ny fampiharana ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanagadrana ireo olona izay mitsikera ny politikany, ary hanova ihany koa ireo tranga mitovy amin'izany tahaka ny fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana sy ny zo hamory vahoaka ao amin'ny firenena :

Nihevitra ny Amnesty International fa tsy mitombina ny fiampangana ireo mpikatroka:

Tsy mitombina ny fanasokajiana ny hetsika ataon'ireo mpikatroka ho manongana ny governemanta –noho ny fanatanterahany ny zony haneho hevitra an-kalalahana fotsiny no antony nanagadràna azy ireo.

Nandritra izany, nitantara ny fanorisorenana ara-nofo nataon'ireo polisy azy ilay bilaogera vavy Nguyen Hoang Vi raha nanangom-baovao ny fotoa-pitsarana ireo bilaogera telo notsoraina tamin'ny 28 Desambra lasa teo:

Faly be aho androany milaza fandresena roa aminareo. Ny voalohany dia na dia teo aza ny fanentanana olona marobe nataonareo sy ny ezaka hanakanana ahy tsy hivoaka ny trano. Tsy nahavita izany  ianareo, fa mbola tonga tany amin'ny lapan'ny fitsarana aho izay tiako nandehanana. Ny faharoa dia nampiasa fomba ratsy sy maloto te hanimba ny fanahiko sy hampitahotra ahy ianareo, mba hahatonga ahy hiala amin'ny zavatra ataoko. Saingy tiako ho fantatrareo fa raha  mahatonga ny hafa hiala an-daharana ny herisetra sy ny fomba ratsinareo, ireo malemy ihany no tratran'izany.  Miaraka amin'ireo olona tahaka ahy, mampahery ny fanahiko sy ny fahavononako ny zavatra tahaka izany. Ampitao any amin'izay nanome baiko anareo hanao izany fihetsika ratsy izany amiko ny teniko. Ary aza adino ny milaza fa mahantra sy ambany ny fahaizanareo raha oharina amin'ny vehivavy tahaka ahy satria ireo fomba ratsy no nianteheranareo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.