- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1 [1]“.

The newly established #BabaAlshams village is located on the "E1" area east of Jerusalem [2]

Miorina ao amin'ny vakim-paritra “E1″ atsinanan'i Jerosalema ny zana-bohitra vao tafaorina #BabaAlshams, hoy ny siokan'i @_mahmoud [2]

Nisy Fanambarana ho an'ny gazety [3] navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra ny antony mahatonga ny ny fananganana an'i Bab Al Shams. Hoy ry zareo ao anatin'ny fanambarana ho an'ny gazety:

For decades, Israel has established facts on the ground as the International community remained silent in response to these violations. The time has come now to change the rules of the game, for us to establish facts on the ground – our own land.

Ampolony taona maro izay i Isiraely no nametraka no nanorina izay tiany teny an-kianja raha nangina ny fiaraha-monina iraisampirenena ho setrin'ireny fanitsakitsahana ireny. Tonga ny fotoana ankehitriny hanovana ny fitsipiky ny lalao, anjaranay indray no manorina eny an-kianja – eo amin'ny taninay.

Photograph of the Palestinian flag flown on Bab Al Shams. Photo shared on Twitter by @Lemapal [4]

Sarin'ny saina Palestiniana mihofahofa ao Bab Al Shams. Sary nozaina tao amin'ny Twitter avy amin'i @Lemapal [4]

Ankoatra ny fanambarana tamin'ny gazety, nampiasa ny Twitter ny mpikatroka Palestiniana hanambaran-dry zareo ny hetsik'izy ireo, sy anomezany ny vaovao farany sy ny sary avy eny an-kianja.

Anisan'ny vitsy voalohany nanambara ny fijoroan'i Bab Al Shams ny mpikatroka Abir Kopty araka ny isiahany hoe:

@AbirKopty [5]: We a group of #Palestinian women and men have established the new village of #BabAlShams on Palestinian land on what Israel refers to as #E1

Nahatsangana zana-bohitra #BabAlShams eo amin'ny tany Palestiniana sokajian'i Isiraely ho #E1 izahay vondrona Palestiniana lahy sy vavy.

Nohazavainy ihany koa:

@AbirKopty [6]: #BabAlShams is a new village, not one revived but it symbolizes a lot of things including return to our land.

Zana-bohitra vaovao i #BabAlShams, tsy hoe mamelona indray fa manamarika zavatra maro ka tafiditra amin'izany ny fiverenana amin'ny taninay.

Tents erected on Bab Al Shams. Photograph shared on Twitter by @AbirKopty [7]

Tranolay natsangana ao Bab Al Shams. Sary nozarain'i @AbirKopty [7] ao amin'ny Twitter

Heverina ho fandraisana an-tanana voalohany ho setrin'ny fambaboan'ny tafika Isiraeliana ny tany Palestiniana ity hetsika ity, ary ny fanambarana fa io faritra io dia ho ao anatin'ny fanorena-trano Isiraeliana, izay tsy ara-dalàna eo anatrehan'ny lalàna iraisampirenena.

Manazava ilay Palestiniana Pal_1948 [ar]:

اعلنت حكومة الإحتلال مؤخراً بناء 4 الاف وحدة سكنية، وغرف فندقية، ومنطقة صناعية في المنطقة , فقام قرابة 300 شاب فلسطيني باقامة قرية باب الشمس .

@Pal_1948 [8]: Nanambara ny hanangana trano fonenana sy efitra fandraisam-bahiny mitotaly 4000, ary faritr'orinasa ao amin'ny vakim-paritra [E1] ny governemanta Isiraeliana, izany no nananganan'ny tanora Palestiniana 300 ny zana-bohitr'i Bab Al Shams.

Nampiany:

حتى الان تم نصب 25 خيمة، تضم عيادة طبية مجهزة، يتواجد فيها طبيب مناوب وخلال الساعات القادمة ستم نصب 50 خيمة

@Pal_1948 [9]: Tranolay 25 no tafatsagana hatreto, Miaraka amin'ny toera-pitsaboana, izay ahitana dokotera miandry raharaha ary ao anatin'ny ora vitsivitsy dia tranolay 50 no ho tatsangana.

A photograph inside the medical tent, shared on Twitter by @Tweet_Palestine [10]

Sarin'ny ao anatin'ny tranolaim-pitsaboana, nozarain'i @Tweet_Palestine [10] ao amin'ny Twitter

Ora vitsy taorian'izany dia nanodidina ny toerana ny tafika Isiraeliana, nanakatona ny toera-pidirana mankao Bab Al Shams, ary nanolotra taratasim-pandroahana ara-panjakana tamin'ireo mpikatroka ny hiala ny zana-bohitra. Mahaliana fa namoaka didy fampiatoana ny fitsarana tampony Isiraeliana, izay nanambara fa tsy azo esorina ao anatin'ny 6 andro ilay zana-bohitra.

Nohazavain'i Fadi Arouri miaraka amin'ny sary ny filazam-pandroahana:

الجيش يسلم قرار إخلاء فوري لقرية باب الشمس بالرغم من قرار المحكمة العليا بمنع الإخلاء قبل ٦ ايام

@farouri: [11] Namoaka taratasim-pialàna, eo noho eo, ao amin'ny zana-bohitr'i Bab Alshams ny tafika Isiraeliana, na dia eo aza ny didin'ny Fitsarana Tampony mampiato ny fandroahana ao anatin'ny 6 andro.

Tsy gaga tamin'ny filazana nataon'ny Isiraeliana i Abir kopty ka nisioka:

@AbirKopty [12]: We were ready to the eviction order so along with building #BabAlShams we went to the court & got suspending order! We are using their tools.

Efa nivonona tamin'ny taratasim-pandroahana izahay ka niaraka tamin'ny fananganana an'i #BabAlShams ny nandehananay tany amin'ny fitsarana ka nahazoanay ny didy fampiatoana! Mampiasa ny fitaovan-dry zareo izahay.

Na teo aza ny filazam-pazndroahana avy amin'ny Isiraeliana sy ny toetr'andro mamanala dia nanapa-kevitra ny handany ny alina ao anaty tranolain'ny zana-bohitra vaovao ny mpikatroka Palestiniana. Araho ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny tenifahatra #BabAlshams [13] ny fanavaozam-baovao rehetra ahitanao ny fivoarany.