GlobalVoices anaty

Venezoela: Nanaovana Bemidina Ny Tranon'ny Mpampiasa Twitter Iray

GV Mpisolovava Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava , miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Español · Venezuela: Redada en el domicilio de un usuario de Twitter
English · Venezuela: Home of Twitter User Raided

Notafihan’ireo manamboninahitry ny fitsikilovana Venezoelana ny tranon'ilay mpampiasa Twitter, Federico Medina Ravell ny Alahady 6 Janoary, izay araka ny voalaza dia ao ambadik'ilay kaonty @LucioQuincioC. Ahiahiana ho mampiely tsaho momba ny fahasalaman'Atoa Hugo Chávez io mpitoraka bilaogy kiritika io, izay rahalahy tsy iray kibo aminà mpanao gazety iray malaza avy amin'ny mpanohitra. Tsy niseho vahoaka mihitsy ny filoha Venezoelana hatramin'ny nisidinany nankany La Havana, Kiobà, hiatrika fandidiana homamiadana tamin'ny voalohandohan'ny Desambra, ka nampiely ny tsaho ny amin'ny hahafahany na tsia hanatrika ny lanonana fianianany amin'ny fe-potoam-piasàny vaovao kasaina hatao ny 10 Janoary 2013.

Araka ny voalazan'ny Noticias 24, voampanga “ho mihantsy fampihorohoroana avy amin'ny alalan'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy” i Medina, izay tsy hita tao an-tranony nandritra ilay bemidina. Mbola miasa ny kaonty @LucioQuincioC ary namoaka fanambarana fa tsy hiverina avy any Kioba i Chávez. Niely tany amin'ireo tambajotra sosialy ny honohono  momba ny fiharatsian'ny toe-pahasalaman'Atoa Chavez  momba ny fahasarotana mialoha ny fandidiana. Zavatra izay noraisin'ireo media mpandalim-baovao mpomba ny fitondrana ao Venezoela ho “adin'ny fampahalalam-baovao”.

“Adin'ny fampahalalam-baovao ity. Nahita izany adin'ny fampahalalam-baovao izany ianao nandritra ny revolisiona Bolivariana. Fitaran'ity ady ity fotsiny ihany ny Twitter sy ireo tambajotra sosialy,” hoy ny tsikeran'ny mpanao gazety iray tao amin'ny Cubadebate, vohikala mpomba an'i Chavez.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny